Deuteronomy 12
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Izao no didy sy fitsipika izay hotandremanareo harahina any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, anao holovana amin’ ny andro rehetra hiainanareo ambonin’ ny tany.Select Deuteronomy 12:1
2Horavanareo mihitsy ny toerana rehetra izay nanompoan’ ny firenen-tsamy hafa izay horoahinareo ny andriamaniny teny ambonin’ ny tendrombohitra avo sy ny havoana ary teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra.Select Deuteronomy 12:2
3Dia horavanareo ny alitarany, ary hotorotoroinareo ny tsangam-baton-tsampiny, ary hodoranareo amin’ ny afo ny Aserahany, ary ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hokapainareo, ka dia hofoananareo tsy ho eo amin’ izany tany izany intsony ny anarany.Select Deuteronomy 12:3
4Aza manao toy izany amin’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.Select Deuteronomy 12:4
5Fa ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrareo amin’ ny firenenareo rehetra hasiany ny anarany sy honenany no hohatoninareo sy halehanareo.Select Deuteronomy 12:5
6Ary any no hitondranareo ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo sy ny fanalam-boadinareo sy ny fanati-tsitraponareo ary ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman’ osinareo;Select Deuteronomy 12:6
7ary any no hihinananareo sy ny ankohonanareo eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ary hifalianareo amin’ izay rehetra harin’ ny tananareo, izay efa nitahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao.Select Deuteronomy 12:7
8Aza manao araka izay rehetra ataontsika eto ankehitriny intsony ianareo, dia izao samy manao izay mahitsy eo imasony avy izao.Select Deuteronomy 12:8
9Fa ianareo tsy mbola tonga any amin’ ny fitsaharana sy ny lova izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.Select Deuteronomy 12:9
10Fa rehefa tafita an’ i Jordana ianareo ka monina any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo holovana, ary homeny fitsaharan’ ady amin’ ny fahavalonareo rehetra manodidina ianareo ka mandry fahizay,Select Deuteronomy 12:10
11dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrareo hampitoerany ny anarany no hitondranareo izay rehetra andidiako anareo, dia ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo, ary izay zavatra tsara ataonareo voady amin’ i Jehovah.Select Deuteronomy 12:11
12Dia hifaly eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo ary ny Levita izay ao an-tanànanareo; fa ny Levita tsy mba manana anjara na lova eo aminareo.Select Deuteronomy 12:12
13Mitandrema mba tsy haterinao eny amin’ izay tany rehetra tianao ny fanatitra doranao;Select Deuteronomy 12:13
14fa eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah ihany amin’ ny firenenao anankiray no hanateranao azy, sady eo koa no hanaovanao izay rehetra andidiako anao.Select Deuteronomy 12:14
15Kanefa mahazo mamono zavatra sy mihinan-kena ianao, araka izay rehetra irinao eny amin’ ny tanànanao rehetra, araka ny fitahian’ i Jehovah Andriamanitrao izay omeny anao; na ny maloto, na ny madio dia samy mahazo mihinana azy ihany, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera.Select Deuteronomy 12:15
16Kanefa ny ràny no aza hanina, fa aidino amin’ ny tany toy ny rano.Select Deuteronomy 12:16
17Tsy azonao hanina ao an-tanànanao, na ny ampahafolon’ ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, na ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao, na ny zavatra rehetra hataonao voady, na ny fanati-tsitraponao, na ny fanatitra asandratry ny tananao.Select Deuteronomy 12:17
18Fa eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao azy, dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao, dia ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao; ary hifaly eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ izay rehetra hanin’ ny tananao.Select Deuteronomy 12:18
19Mitandrema mba tsy ho foinao ny Levita amin’ ny andro rehetra hiainanao amin’ ny taninao.Select Deuteronomy 12:19
20Raha hitarin’ i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nolazainy taminao, ka hoy ianao: Hihinan-kena aho, satria maniry hihinan-kena ny fanahinao, dia mahazo mihinan-kena araka izay rehetra irin’ ny fanahinao ianao.Select Deuteronomy 12:20
21Raha lavitra anao loatra ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hasiany ny anarany, dia hamonoanao ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao izay nomen’ i Jehovah anao, araka izay efa nandidiako anao, ary hohaninao ao an-tanànanao, araka izay rehetra irin’ ny fanahinao izany.Select Deuteronomy 12:21
22Kanefa tahaka ny ahazoanao mihinana ny gazela sy ny diera no hahazoanao mihinana ireny: na ny maloto na ny madio dia samy mahazo mihinana azy.Select Deuteronomy 12:22
23Kanefa tandremo tsara mba tsy hohaninao ny rà, fa ny rà no aina, ary tsy mahazo mihinana ny aina amin’ ny hena ianao.Select Deuteronomy 12:23
24Aza mihinana azy ianao, fa aidino amin’ ny tany toy ny rano izy;Select Deuteronomy 12:24
25eny, aza mihinana azy ianao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, raha manao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah ianao.Select Deuteronomy 12:25
26Kanefa ny zava-masinao sy ny zavatra nataonao voady dia ento mankany amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah.Select Deuteronomy 12:26
27Ary atero eo amin’ ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitrao ny fanatitra doranao, dia ny henany sy ny ràny; ary ny ran’ ny fanatitrao hafa dia aidino eo amin’ ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitrao, fa ny henany dia azonao hohanina ihany.Select Deuteronomy 12:27
28Tandremo, ka henoy izao teny rehetra izao, izay andidiako anao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao mandrakizay, raha manao izay tsara sy mahitsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ianao.Select Deuteronomy 12:28
29Rehefa aringan’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny firenen-tsamy hafa, izay alehanao horesenao, ary handresy azy ianao ka honina eo amin’ ny taniny,Select Deuteronomy 12:29
30dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin’ ny andriamaniny ianao ka manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ ireny firenena ireny ny andriamaniny? fa izaho koa mba hanao toy izany.Select Deuteronomy 12:30
31Aza manao toy izany amin’ i Jehovah Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan’ i Jehovah, no nataony tamin’ ny andriamaniny; fa ny zananilahy sy ny zananivavy aza dia nodorany tamin’ ny afo ho an’ ny andriamaniny.Select Deuteronomy 12:31
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation