Skip to content
Church.wiki
Deuteronomy

Deuteronomy 13

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Izay rehetra andidiako anareo dia tandremo mba harahina; aza ampianao izany, ary aza anesoranao.Select Deuteronomy 13:1

2Raha tahìny misy mpaminany na mpanonofy eo aminareo izay milaza famantarana na fahagagana aminaoSelect Deuteronomy 13:2

3sady manao hoe: Andeha isika hanaraka andriamani-kafa (izay tsy fantatrao), ka aoka hanompo azy isika, na dia tanteraka aza ny famantarana na fahagagana izay nolazainy taminao,Select Deuteronomy 13:3

4dia aza mihaino ny tenin’ izany mpaminany na mpanonofy izany; fa mizaha toetra anareo Jehovah Andriamanitrareo, hahalalany na miorina amin’ ny fitiavana an’ i Jehovah Andriamanitrareo amin’ ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra ianareo.Select Deuteronomy 13:4

5Manaraha an’ i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.Select Deuteronomy 13:5

6Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hatao maty satria efa nanao teny fampiodinana amin’ i Jehovah Andriamanitrareo (Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ka nanavotra anao tamin’ ny trano nahandevozana), mba hitaona anao hiala amin’ ny lalana izay nasain’ i Jehovah Andriamanitrao halehanao. Ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.Select Deuteronomy 13:6

7Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao, zanaky ny reninao, na ny zanakaolahy, na ny zanakao-vavy, na ny vady andefimandrinao na ny sakaizanao izay toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrao, na ny razanao),Select Deuteronomy 13:7

8dia ny andriamanitry ny firenena izay manodidina anareo, na ny akaikinao, na ny lavitra anao, hatramin’ ny faran’ ny tany rehetra,Select Deuteronomy 13:8

9dia aza manaiky azy na mihaino azy ianao; ary aza mba iantran’ ny masonao izy, na amindranao fo, na afeninao;Select Deuteronomy 13:9

10fa vonoy ho faty izy; ny tananao no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan’ ny vahoaka rehetra.Select Deuteronomy 13:10

11Ary torahy vato ho faty izy, satria izy efa nitady hitaona anao hiala amin’ i Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana.Select Deuteronomy 13:11

12Ary ny Isiraely rehetra handre izany, dia hatahotra ka tsy hanao ratsy toy izany intsony eo aminao.Select Deuteronomy 13:12

13Raha mandre teny ianao ny amin’ ny tanànanao anankiray izay nomen’ i Jehovah Andriamanitrao anao honenana, manao hoe:Select Deuteronomy 13:13

14Nisy olona tena ratsy fanahy nivoaka avy teo aminao ka nitaona ny mponina ao an-tanànany nanao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrareo).Select Deuteronomy 13:14

15dia diniho sy fotory ary adino tsara, ka raha, indro fa nisy marina tokoa izany zavatra izany, ka natao teo aminao izany fahavetavetana izany,Select Deuteronomy 13:15

16dia asio ny lelan-tsabatra mihitsy ny mponina amin’ izany tanàna izany, ka levony ny tanàna sy izay rehetra eo aminy, ary ny biby fiompy dia aringano amin’ ny lelan-tsabatra.Select Deuteronomy 13:16

17Ary ny entana nobaboina rehetra eo dia angòny eo afovoan’ ny kianja, ka doroy amin’ ny afo avokoa ny tanàna sy ny entana rehetra ao ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ho tanàna haolo mandrakizay izany tanàna izany ka tsy haorina intsony.Select Deuteronomy 13:17

18Ary aoka tsy hisy hiraikitra amin’ ny tananao akory ny zavatra efa natolotra holevonina, mba hitsaharan’ i Jehovah amin’ ny fahatezerany mirehitra hamindrany fo aminao sy hiantrany anao, ary hahamaroany anao araka izay nianianany tamin’ ny razanao,Select Deuteronomy 13:18

19raha hohenoinao ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ka hotandremanao ny didiny rehetra izay andidiako anao anio, mba hanaovana izay mahitsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao.Select Deuteronomy 13:19

Next: Deuteronomy 14Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Deuteronomy

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.