Skip to content
Church.wiki
Deuteronomy

Deuteronomy 18

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ny Levita mpisorona, dia ny firenen’ i Levy rehetra, tsy mba hanana anjara na lova eo amin’ ny Isiraely; ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah sy ny anjaran’ i Jehovah no ho fihinany.Select Deuteronomy 18:1

2Fa tsy hanan-dova eo amin’ ny rahalahiny izy; Jehovah no lovany, araka izay nolazainy taminy.Select Deuteronomy 18:2

3Ary izao no ho anjaran’ ny mpisorona avy amin’ ny olona, dia avy amin’ izay mamono zavatra hatao fanatitra, na omby, na ondry, na osy: dia homeny ho an’ ny mpisorona ny sorony sy ny takolany roa ary ny vavoniny;Select Deuteronomy 18:3

4ary ny voaloham-bokatry ny varinao koa sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao ary ny voalohan’ ny volon’ ondrinao no homenao azy.Select Deuteronomy 18:4

5Fa izy sy ny taranany no nofidin’ i Jehovah Andriamanitrao tamin’ ny firenenao rehetra hitsangana hanao fanompoam-pivavahana mandrakizay amin’ ny anaran’ i Jehovah.Select Deuteronomy 18:5

6Ary raha misy Levita miala amin’ ny tanànanao anankiray, izay nivahiniany, amin’ ny Isiraely rehetra, ka mandeha araka ny fanirian’ ny fony ho any amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah,Select Deuteronomy 18:6

7ka manao fanompoam-pivavahana amin’ ny anaran’ i Jehovah Andriamaniny, tahaka ny Levita rahalahiny rehetra, izay mitsangana eo anatrehan’ i Jehovah,Select Deuteronomy 18:7

8dia anjara mitovy amin’ ny an’ ireo ihany no ho fihinany, na dia misy aza izay vidin’ ny azony tamin-drainy.Select Deuteronomy 18:8

9REHEFA tonga any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, dia aza mianatra hanao araka ny fahavetavetana ataon’ ireo firenena ireo.Select Deuteronomy 18:9

10Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody,Select Deuteronomy 18:10

11na manao ho masim-bava, na mpanadina amin’ ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin’ ny maty.Select Deuteronomy 18:11

12Fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany, ary izany fahavetavetana izany no androahan’ i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao.Select Deuteronomy 18:12

13Aoka ho tanteraka amin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao.Select Deuteronomy 18:13

14Fa ireo firenena izay efa horoahinao ireo dia mihaino ny mpanandro sy ny mpanao fankatovana; fa ianao kosa tsy navelan’ i Jehovah Andriamanitrao hanao izany.Select Deuteronomy 18:14

15Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin’ ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao; izy no hohenoinareo;Select Deuteronomy 18:15

16araka izay rehetra nangatahinao tamin’ i Jehovah Andriamanitrao tao Horeba tamin’ ny andro nivoriana hoe: Aoka tsy hihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitro intsony aho, ary aoka tsy hahita izany afo lehibe izany intsony aho, fandrao maty.Select Deuteronomy 18:16

17Dia hoy Jehovah tamiko: Tsara ny teny izay nolazainy.Select Deuteronomy 18:17

18Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin’ ny rahalahiny, tahaka anao, ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy.Select Deuteronomy 18:18

19Ary izay rehetra tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin’ ny anarako, dia Izaho no hitsara azy.Select Deuteronomy 18:19

20Fa ny mpaminany izay sahy hilaza teny amin’ ny anarako, nefa tsy nasaiko nolazainy, na izay miteny amin’ ny anaran’ andriamani-kafa, dia hatao maty.Select Deuteronomy 18:20

21Ary raha hoy ianao anakampo: Hataontsika ahoana no fahafantatra ny teny izay tsy nolazain’ i Jehovah?Select Deuteronomy 18:21

22Raha miteny amin’ ny anaran’ i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain’ i Jehovah izany: tamin’ ny fahasahisahiana no nilazan’ ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy.Select Deuteronomy 18:22

Next: Deuteronomy 19Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Deuteronomy

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.