Deuteronomy 2
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Dia niverina isika ka nandeha tany an-efitra tamin’ ny lalana mankany amin’ ny Ranomasina Mena, araka izay nolazain’ i Jehovah tamiko; ary nanodidina ny tendrombohitra Seïra ela ihany isika.Select Deuteronomy 2:1
2Dia niteny tamiko Jehovah ka nanao hoe:Select Deuteronomy 2:2
3Aoka izay ny nandehananareo nanodidina ity tendrombohitra ity, fa miverena hianavaratra ianareo.Select Deuteronomy 2:3
4Ary mandidia ny olona hoe: Hianareo efa handeha hamaky ny tanin’ ny taranak’ i Esao rahalahinareo, izay monina any Seïra; dia hatahotra anareo izy; nefa mitandrema tsara ianareo,Select Deuteronomy 2:4
5ka aza mila ady aminy; fa tsy hanomezako anao ny taniny, na dia eram-paladia akory aza, satria nomeko ho lovan’ i Esao ny tendrombohitra Seïra.Select Deuteronomy 2:5
6Vola no hamidinareo hanina aminy hohaninareo; ary vola koa no hamidinareo rano aminy hosotroinareo.Select Deuteronomy 2:6
7Fa Jehovah Andriamanitrao efa nitahy anao tamin’ izay rehetra nataon’ ny tananao; fantany ny nandehananao namaky ity efitra lehibe ity; izay efa-polo taona izay Jehovah Andriamanitrao no teo aminao, ka tsy nanan-java-mahory akory ianao.Select Deuteronomy 2:7
8Ary raha nandalo ny taranak’ i Esao rahalahintsika izay monina any Seïra isika ary niala tamin’ ny lalana amin’ ny tani-hay sy tao Elata ary Ezion-gebera, dia nivily isika ka nandeha tamin’ ny lalana mankany amin’ ny efitr’ i Moaba.Select Deuteronomy 2:8
9Dia hoy Jehovah tamiko: Aza mandrafy ny Moabita, na mila ady aminy, fa tsy hanomezako ho lovanao ny taniny, satria Ara dia nomeko ho lovan’ ny taranak’ i Lota.Select Deuteronomy 2:9
10(Ny Emima nonina tany fahiny, dia firenena lehibe sy maro isa ary olona lava tahaka ny Anakita.Select Deuteronomy 2:10
11Ireo koa no natao ho Refaïta tany aloha tahaka ny Anakita; fa ny Moabita kosa nanao azy hoe Emima.Select Deuteronomy 2:11
12Ary ny tany Seïra dia nonenan’ ny Horita, fa ny taranak’ i Esao nandroaka azy ka nandringana azy tsy ho eo anoloany, dia nonina nisolo azy, araka ny nataon’ ny Isiraely tao amin’ ny tany izay nomen’ i Jehovah azy ho lovany.)Select Deuteronomy 2:12
13Ary miaingà ianareo ankehitriny, ka mandehana mita ny lohasahan-driaka Zareda. Dia nita ny lohasahan-driaka Zareda isika.Select Deuteronomy 2:13
14Ary ny andro nandehanantsika hatrany Kadesi-barnea ka hatramin’ ny nitantsika ny lohasahan-driaka Zareda dia valo amby telo-polo taona, mandra-pahalany ritran’ ny mpanafika rehetra tamin’ izany taranaka rehetra izany ka tsy nisy intsony teo amin’ ny toby, araka izay efa nianianan’ i Jehovah taminy.Select Deuteronomy 2:14
15Ary koa, ny tànan’ i Jehovah dia namely azy handringanana azy mandra-pahalany ritrany ka tsy nisy intsony teo amin’ ny toby.Select Deuteronomy 2:15
16Ary rehefa lany ritra ny mpanafika ka maty avokoa,Select Deuteronomy 2:16
17dia niteny tamiko Jehovah ka nanao hoe:Select Deuteronomy 2:17
18Ankehitriny efa hamaky ny tany Moaba ianao ka hahazo any Ara,Select Deuteronomy 2:18
19dia ho tonga ao akaikin’ ny taranak’ i Amona, nefa aza mandrafy azy, na mila ady aminy; fa tsy hanomezako ho lovanao ny tanin’ ny taranak’ i Amona, satria nomeko ho lovan’ ny taranak’ i Lota izany.Select Deuteronomy 2:19
20(Izany koa no natao ho tanin’ ny Refaïta; fa ny Refaïta no nitoetra tao tany aloha ka nataon’ ny Amonita hoe Zamzomita.Select Deuteronomy 2:20
21Firenena lehibe sy maro isa ary olona lava tahaka ny Anakita ireny, nefa naringan’ i Jehovah tsy ho eo anoloany izy, ka ny Amonita no nonina nisolo azy,Select Deuteronomy 2:21
22araka izay nataony koa ho an’ ny taranak’ i Esao, izay mitoetra any Seïra, fa nandringana ny Horita tsy ho eo anoloany Izy, ka dia nandroaka azy ireo ka nonina nisolo azy mandraka androany;Select Deuteronomy 2:22
23ary ny amin’ ny Avita, izay nonina am-bohitra hatrany Gaza, dia naringan’ ny Kaftorita, izay avy tany Kaftora, izy; ary ireo no nonina nisolo azy).Select Deuteronomy 2:23
24Mitsangàna, miaingà, ka mità ny lohasahan-driaka Arnona ianareo; indro, efa natolotro eo an-tananao Sihona Amorita, mpanjakan’ i Hesbona, mbamin’ ny taniny. Santaro ny handovanao azy, ka tafiho.Select Deuteronomy 2:24
25Anio no vao hataoko mahazo ny firenena ambanin’ ny lanitra rehetra ny horohoro sy tahotra anareo, ka raha reny ny lazanao, dia hangovitra sy hangorohoro eo anoloanao izy.Select Deuteronomy 2:25
26Dia naniraka olona avy tany an-efitr’ i Kedemota aho hankany amin’ i Sihona, mpanjakan’ i Hesbona, nitondra teny fihavanana hoe:Select Deuteronomy 2:26
27Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; ny lalambe ihany no halehako, ka tsy hivily aho, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia;Select Deuteronomy 2:27
28vola no hamidiko hanina aminao hohaniko, ary vola no hamidiko rano aminao hosotroiko; ary handalo fotsiny ihany ahoSelect Deuteronomy 2:28
29(araka izay nataon’ ny taranak’ i Esao, izay monina any Moabita, izay monina any Ara, tamiko) mandra-pitako an’ i Jordana ho any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitray anay.Select Deuteronomy 2:29
30Fa Sihona, mpanjakan’ i Hesbona, tsy nety namela antsika handeha hamaky ny taniny; fa Jehovah Andriamanitrao nanamafy ny fony sy nampahaditra ny fanahiny, mba hanolorany azy eo an-tananao tahaka ny amin’ izao anio izao.Select Deuteronomy 2:30
31Dia niteny tamiko hoe Jehovah: Indro, vao manomboka hanolotra an’ i Sihona sy ny taniny eo anoloanao Aho; santaro ny handovanao ny taniny.Select Deuteronomy 2:31
32Dia nivoaka Sihona mbamin’ ny vahoakany rehetra hiady amintsika tao Jahaza.Select Deuteronomy 2:32
33Dia nanolotra azy teo anoloantsika Jehovah Andriamanitsika, ka nandresy azy sy ny zanany ary ny vahoakany rehetra isika.Select Deuteronomy 2:33
34Ary nahafaka ny tanànany rehetra tamin’ izany andro izany isika ka nandringana ny mponina rehetra tamin’ ny isan-tanàna mbamin’ ny zaza amim-behivavy; tsy nasiantsika niangana izy na dia iray akory aza.Select Deuteronomy 2:34
35Ny biby fiompy sy ny fananany tao amin’ ny tanàna izay afatsika ihany no nataontsika ho babo.Select Deuteronomy 2:35
36Hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, dia hatramin’ ny tanàna izay ao an-dohasaha ka hatrany Gileada, dia tsy nisy tanàna tsy afatsika; fa izy rehetra dia natolotr’ i Jehovah Andriamanitsika teo anoloantsika.Select Deuteronomy 2:36
37Kanefa ny tanin’ ny taranak’ i Amona no tsy nakekenareo, dia ny tany amoron’ ny lohasahan-driaka Jaboka, sy ny tanàna ao amin’ ny tany havoana, ary izay rehetra nandraran’ i Jehovah Andriamanitsika antsika.Select Deuteronomy 2:37
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain