Deuteronomy 24
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Raha misy lehilahy maka vady ka mampakatra azy, ary tsy tiany intsony ravehivavy noho ny ahitany fahalotoana eo aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dravehivavy Izy ary hanolotra izany eo an-tànany ka hampiala azy ao an-tranony.Select Deuteronomy 24:1
2Ary rehefa miala ao an-tranony ravehivavy, dia mahazo mandeha ka manambady olon-kafa.Select Deuteronomy 24:2
3Ary raha tsy tia an-dravehivavy ilay vao manambady azy ka manoratra taratasy fisaoram-bady koa ary manolotra izany eo an-tànany ka mampiala azy ao an-tranony, na maty ilay nanambady azy taoriana:Select Deuteronomy 24:3
4ilay nanambady azy taloha ka nisaotra azy dia tsy mahazo manambady azy intsony, rehefa voaloto izy; fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah izany; ary aza mampiditra heloka amin’ ny tany, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.Select Deuteronomy 24:4
5Raha misy lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy handeha hiantafika izy, ary tsy hampanaovina fanompoana akory, fa havela hitoetra ao an-tranony herintaona ka hampifaly ny vadiny izay vao nampakariny.Select Deuteronomy 24:5
6Aza misy olona maka ny fikosoham-bary ho tsatòka, na ny vatony ambony aza; fa maka aina ho tsatòka izany.Select Deuteronomy 24:6
7Raha misy olona hita mangalatra ny anankiray amin’ ny Zanak’ Isiraely rahalahiny ka manandevo azy, dia hatao maty izany mpangalatra izany; hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.Select Deuteronomy 24:7
8Mitandrema ny amin’ ny habokana, ka araho tsara izay rehetra hatoron’ ireo Levita mpisorona anareo; araka izay nandidiako azy no hotandremanareo harahina.Select Deuteronomy 24:8
9Tsarovy izay nataon’ i Jehovah Andriamanitrao tamin’ i Miriama teny an-dalana tamin’ ny nandehananareo avy tany Egypta.Select Deuteronomy 24:9
10Raha mampisambo-javatra ny namanao ianao, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy.Select Deuteronomy 24:10
11Mijanòna eo ala-trano, ary ny lehilahy izay nampisamborinao no hamoaka ny antoka ho aminao eo ala-trano.Select Deuteronomy 24:11
12Ary raha malahelo ralehilahy, dia aza tananao miloaka alina ny antoka,Select Deuteronomy 24:12
13fa tsy maintsy haverinao aminy mihitsy, rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ny lambany, ka hisaorany anao; dia ho fahamarinana ho anao eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao izany.Select Deuteronomy 24:13
14Aza manao fitondrana sarotra amin’ ny mpikarama izay mahantra sy malahelo, na rahalahinao, na vahiny ao amin’ ny taninao sy ao an-tanànanao.Select Deuteronomy 24:14
15Fa andro anaovany ihany no hanomezanao azy ny karamany, raha mbola tsy milentika ny masoandro, fa malahelo izy, ka izany no irin’ ny fony; fandrao hitaraina amin’ i Jehovah noho ny nataonao izy, dia ho fahotana aminao izany.Select Deuteronomy 24:15
16Ny ray tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny rainy; fa samy hatao maty amin’ ny fahotany avy ihany ny olona.Select Deuteronomy 24:16
17Aza manao fitsarana miangatra amin’ ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian’ ny mpitondratena ho tsatòka.Select Deuteronomy 24:17
18Fa tsarovy fa andevo tany Egypta ianao, ary Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao ho afaka tany; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany.Select Deuteronomy 24:18
19Raha mijinja ny varinao any an-tsaha ianao, ka misy amboara hadinonao any, dia aza miverina haka azy; fa aoka ho an’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany; mba hotahin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ ny asa rehetra ataon’ ny tananao.Select Deuteronomy 24:19
20Raha manintsana ny hazo olivanao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.Select Deuteronomy 24:20
21Raha mioty ny voalobokao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.Select Deuteronomy 24:21
22Ary tsarovy fa andevo tany amin’ ny tany Egypta ianao; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany.Select Deuteronomy 24:22
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation