Skip to content
Church.wiki
Deuteronomy

Deuteronomy 27

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary Mosesy sy ny loholon’ ny Isiraely dia nandidy ny vahoaka ka nanao hoe: Tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio.Select Deuteronomy 27:1

2Ary amin’ ny andro izay hitànareo an’ i Jordana ho any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, dia manangàna vato lehibe ho anao, ka lalory sokay;Select Deuteronomy 27:2

3dia soraty eo aminy ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity, rehefa tafita ianao mba hiditra ao amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nolazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanao taminao.Select Deuteronomy 27:3

4Ary rehefa tafita an’ i Jordana ianareo, dia atsangano ao an-tendrombohitra Ebala ireo vato ireo, izay nandidiako anareo andro any ka lalory sokay.Select Deuteronomy 27:4

5Ary manorena alitara ao ho an’ i Jehovah Andriamanitrao; vato no hataonao alitara, nefa aza pehim-by izy.Select Deuteronomy 27:5

6Vato tsy voapaika no hataonao alitaran’ i Jehovah Andriamanitrao; ka manatera fanatitra dorana eo amboniny ho an’ i Jehovah Andriamanitrao.Select Deuteronomy 27:6

7Ary manatera koa fanati-pihavanana, ka mihinàna eo sy mifalia eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao.Select Deuteronomy 27:7

8Ary soraty amin’ ireo vato ireo ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity, ka ataovy velona tsara ny soratra.Select Deuteronomy 27:8

9Dia niteny tamin’ ny Isiraely rehetra Mosesy sy ireo Levita mpisorona ka nanao hoe: Mangìna, ka mihainoa, ry Isiraely ô: androany no efa tonga firenen’ i Jehovah Andriamanitrao ianao.Select Deuteronomy 27:9

10Koa henoy ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao, ary araho ny didiny sy ny lalàny, izay andidiako anao anio.Select Deuteronomy 27:10

11Dia nandidy ny vahoaka tamin’ izany andro izany Mosesy ka nanao hoe:Select Deuteronomy 27:11

12Ireto no hijanona eo an-tendrombohitra Gerizima hitso-drano ny vahoaka, rehefa tafita an’ i Jordana ianareo: dia ny Simeona sy ny Levy sy ny Joda sy ny Isakara sy ny Josefa ary ny Benjamina.Select Deuteronomy 27:12

13Ary ireto kosa no hijanona eo an-tendrombohitra Ebala hanozona: dia ny Robena sy ny Gada sy ny Asera sy ny Zebolona sy ny Dana ary ny Naftaly.Select Deuteronomy 27:13

14Dia hiteny ny Levita ka hanao amin’ ny Isiraely rehetra amin’ ny feo mahery hoe:Select Deuteronomy 27:14

15Hozonina ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra an-idina, izay fahavetavetana eo imason’ i Jehovah, asan’ ny tanan’ ny mahay tao-zavatra, ka mametraka azy ao amin’ ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra ka hanao hoe: Amena.Select Deuteronomy 27:15

16Hozonina izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.Select Deuteronomy 27:16

17Hozonina izay mamindra ny faritanin’ ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.Select Deuteronomy 27:17

18Hozonina izay mampivily lalana ny jamba. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.Select Deuteronomy 27:18

19Hozonina izay manao fitsarana miangatra amin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.Select Deuteronomy 27:19

20Hozonina izay mandry amin’ ny vadin-drainy, fa mandry amin’ izay nandrian-drainy izy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.Select Deuteronomy 27:20

21Hozonina izay mandry amin’ ny biby. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.Select Deuteronomy 27:21

22Hozonina izay mandry amin’ ny anabaviny, dia ny zanakavavin-drainy, na ny zanakavavin-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.Select Deuteronomy 27:22

23Hozonina izay mandry amin’ ny rafozani-vavy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.Select Deuteronomy 27:23

24Hozonina izay mamely ny namany ao amin’ ny takona. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.Select Deuteronomy 27:24

25Hozonina izay mandray kolikoly hahafaty olo-marina. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.Select Deuteronomy 27:25

26Hozonina izay tsy mankatò ny tenin’ ity lalàna ity. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.Select Deuteronomy 27:26

Next: Deuteronomy 28Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Deuteronomy

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.