Skip to content
Church.wiki
Deuteronomy

Deuteronomy 3

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Dia niverina isika ka niakatra tamin’ ny lalana mankany Basana; ary nivoaka hiady amintsika tao Edrehy Oga, mpanjakan’ i Basana, mbamin’ ny vahoakany rehetra.Select Deuteronomy 3:1

2Ary hoy Jehovah tamiko: Aza matahotra azy ianao; fa efa natolotro eo an-tananao izy mbamin’ ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nonina tao Hesbona.Select Deuteronomy 3:2

3Dia natolotr’ i Jehovah Andriamanitsika teo an-tanantsika koa Oga, mpanjakan’ i Basana, sy ny vahoakany rehetra; dia nandresy azy isika mandra-paha-tsi-hisy niangana na dia iray akory aza.Select Deuteronomy 3:3

4Dia afatsika ny tanànany rehetra tamin’ izany andro izany, tsy nisy tanàna izay tsy nalaintsika taminy, dia tanàna enim-polo, dia ny tany Argoba rehetra, izay fanjakan’ i Oga tany Basana.Select Deuteronomy 3:4

5Ireo tanàna rehetra ireo dia samy nasiana manda avo sy vavahady ary hidy hahamafy azy, afa-tsy ny vohitra madinika maro dia maro.Select Deuteronomy 3:5

6Dia naringantsika ireny tahaka izay efa nataontsika tamin’ i Sihona, mpanjakan’ i Hesbona; naringana ny mponina rehetra tamin’ ny isan-tanàna mbamin’ ny zaza amim-behivavy.Select Deuteronomy 3:6

7Fa ny biby fiompy rehetra sy ny fananana tamin’ ireo tanàna ireo dia nataontsika babo ho antsika.Select Deuteronomy 3:7

8Ary nalaintsika tamin’ izany andro izany tamin’ ny mpanjaka roan’ ny Amorita ny tany izay any an-dafin’ i Jordana, hatramin’ ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin’ ny tendrombohitra HermonaSelect Deuteronomy 3:8

9Hermona nataon’ ny Sidoniana hoe Siriona; ary ny Amorita kosa nanao azy hoe Senira,Select Deuteronomy 3:9

10dia ny tanàna rehetra amin’ ny tany lemaka sy Gileada rehetra ary Basana rehetra hatrany Saleka sy Edrehy, dia ny tanàna amin’ ny fanjakan’ i Oga tany Basana.Select Deuteronomy 3:10

11Fa Oga, mpanjakan’ i Basana, ihany no sisa velona tamin’ ny Refalta; indro, farafara vy ny farafarany (tsy ao Raban’ ny taranak’ i Amona va Izany?), sivy hakiho ny halavany, ary efatra hakiho ny sakany, araka ny hakihon’ ny lehilahy.Select Deuteronomy 3:11

12Ary io tany io dia azontsika tamin’ izany andro izany; hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, sy ny antsasaky ny tany havoan’ i Gileada ary ny tanàna eo dia nomeko ny Robenita sy ny Gadita.Select Deuteronomy 3:12

13ry Gileada sisa sy Basana rehetra, izay fanjakan’ i Oga, dia nomeko ny antsasaky ny firenen’ i Manase, dia ny tany Argoba rehetra, dia Basana rehetra (atao hoe tanin’ ny Refaïta izany.Select Deuteronomy 3:13

14Jaïra, zanak’ i Manase, no nahafaka ny tany Argoba rehetra, hatramin’ ny fari-tanin’ ny Gesorita sy ny Makatita; ary ny anaran’ izany (dia Basana) nataony hoe Havota-jaïra, araka ny anaran-tenany ihany, mandraka androany).Select Deuteronomy 3:14

15Ary Gileada dia nomeko an’ i Makira.Select Deuteronomy 3:15

16Ary ny Robenita sy ny Gadita dia nomeko ny hatrany Gileada ka hatramin’ ny lohasahan-driaka Arnona, dia ny antsasaky ny lohasaha, sy ny fari-tany hatramin’ ny amoron’ ny lohasahan-driaka Jaboka, izay fari-tanin’ ny taranak’ i Amona,Select Deuteronomy 3:16

17ary ny tani-hay koa sy Jordana ary ny fari-tany hatrany Kireneta ka hatramin’ ny ranomasina amin’ ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira, eo am-bodin’ i Pisga, dia ao atsinanany.Select Deuteronomy 3:17

18Ary nandidy anareo tamin’ izany andro izany aho ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitrareo efa nanome anareo ity tany ity ho lovanareo; andeha mita eo alohan’ ny Zanak’ Isiraely rahalahinareo ianareo rehetra izay mahery, samy efa voaomana hiady.Select Deuteronomy 3:18

19Fa ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny ombinareo (fantatro fa be omby ianareo) dia hitoetra ao an-tanànanareo izay nomeko anareo,Select Deuteronomy 3:19

20mandra-panomen’ i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka ny anareo, ka holovany koa ny tany izay nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo azy any an-dafin’ i Jordana; dia hiverina ianareo, samy ho any amin’ ny taniny avy, izay nomeko anareo.Select Deuteronomy 3:20

21Dia nandidy an’ i Josoa aho tamin’ izany andro izany ka nanao hoe: Ny masonao efa nahita izay rehetra nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo tamin’ ireo mpanjaka roa lahy ireo; dia toy izany no hataon’ i Jehovah amin’ ny fanjakana rehetra izay halehanao.Select Deuteronomy 3:21

22Aza matahotra azy ianareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no hiady ho anareo.Select Deuteronomy 3:22

23Dia nitaraina tamin’ i Jehovah tamin’ izany andro izany aho ka nanao hoe:Select Deuteronomy 3:23

24Jehovah Tompo ô, Hianao vao naneho tamin’ ny mpanomponao ny fahalehibiazanao sy ny tananao mahery; fa aiza no misy andriamanitra, na any an-danitra na atỳ an-tany, izay mahay manao araka ny asanao sy ny herinao?Select Deuteronomy 3:24

25Aoka mba handeha hita aho ka hahita ny tany soa izay any an-dafin’ i Jordana, dia ilay be tendrombohitra tsara sy Libanona.Select Deuteronomy 3:25

26Fa tezitra tamiko Jehovah noho ny aminareo ka tsy nihaino ahy; dia hoy Jehovah tamiko: Aoka izay, fa aza miteny amiko intsony ny amin’ izany zavatra izany ianao.Select Deuteronomy 3:26

27Miakara eo an-tampon’ i Pisga ianao, ary atopazy ny masonao miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana, ary aoka hijery ny masonao; fa tsy hita izany Jordana izany ianao;Select Deuteronomy 3:27

28fa mandidia an’ i Josoa ianao, dia mampahereza azy sy mampahatanjaha azy; fa izy no handeha hita eo alohan’ ity firenena ity, ary izy no hampandova azy ny tany izay ho hitanao.Select Deuteronomy 3:28

29Ka dia nitoetra tany an-dohasaha tandrifin’ i Beti-peora isika.Select Deuteronomy 3:29

Next: Deuteronomy 4Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Deuteronomy

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.