Skip to content
Church.wiki
Deuteronomy

Deuteronomy 31

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary Mosesy nandeha, dia nilaza izao teny izao tamin’ ny Isiraely rehetraSelect Deuteronomy 31:1

2ka nanao taminy hoe: Efa roa-polo amby zato taona androany aho ka tsy afa-mivoaka sy miditra intsony, ary Jehovah efa nilaza tamiko hoe: Tsy hita io Jordana io ianao.Select Deuteronomy 31:2

3Jehovah Andriamanitrao no hita eo alohanao, ary Izy no handringana ireo firenena ireo tsy ho eo anoloanao, ka hahazo ny taniny ianao; ary Josoa no hita eo alohanao, araka izay efa nolazain’ i Jehovah.Select Deuteronomy 31:3

4Ary Jehovah hanao amin’ ireo tahaka ny nataony tamin’ i Sihona sy Oga, mpanjakan’ ny Amorita, izay naringany, sy tahaka ny nataony tamin’ ny taniny.Select Deuteronomy 31:4

5Dia hatolotr’ i Jehovah eo anoloanareo ireo hanaovanareo azy araka ny lalàna rehetra izay nandidiako anareo.Select Deuteronomy 31:5

6Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.Select Deuteronomy 31:6

7Ary Mosesy niantso an’ i Josoa ka niteny taminy teo imason’ ny Isiraely rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razany homena azy; ary ianao no hampandova azy izany.Select Deuteronomy 31:7

8Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.Select Deuteronomy 31:8

9Dia nosoratan’ i Mosesy izany lalàna izany ka natolony ireo mpisorona, taranak’ i Levy, izay mpitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, sy ny loholon’ ny Isiraely rehetra.Select Deuteronomy 31:9

10Dia nandidy azy Mosesy ka nanao hoe: Isam-pito taona, dia amin’ ny taom-panafahana, amin’ ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo,Select Deuteronomy 31:10

11ka avy hiseho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao eo amin’ ny tany izay hofidiny ny Isiraely rehetra, dia aoka hovakinao eo anatrehan’ ny Isiraely rehetra ny tenin’ ity lalàna ity hihainoany azy.Select Deuteronomy 31:11

12Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tanànanao, hihainoany sy hianarany ka hatahorany an’ i Jehovah Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity.Select Deuteronomy 31:12

13Ary ny zanany koa, izay tsy nahalala, dia handre ka hianatra hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitrareo amin’ ny andro rehetra hiainanareo eo amin’ ny tany, izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an’ i Jordana ianareo.Select Deuteronomy 31:13

14Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro, antomotra ny andro hahafatesanao; koa miantsoa an’ i Josoa, ary mitoera ao amin’ ny trano-lay fihaonana ianareo mba handidiako azy. Dia nandeha Mosesy sy Josoa ka nitoetra tao amin’ ny trano-lay fihaonana.Select Deuteronomy 31:14

15Ary Jehovah niseho teo amin’ ny trano-lay tamin’ ny andri-rahona; dia nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay ny andri-rahona.Select Deuteronomy 31:15

16Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro fa hodi-mandry any amin’ ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamani-kafa any amin’ ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekeko izay nataoko taminy.Select Deuteronomy 31:16

17Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’ izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin’ izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran’ Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko?Select Deuteronomy 31:17

18Ary Izaho dia hanafina ny tavako tokoa amin’ izany andro izany noho ny ratsy rehetra izay nataony, fa nivily nanaraka andriamani-kafa izy.Select Deuteronomy 31:18

19Ary ankehitriny soraty ho anareo izao fihirana izao, ka ampianaro ny Zanak’ Isiraely, ary aoka tsy ho afaka am-bavany izao fihirana izao mba ho vavolombelona amin’ ny Zanak’ Isiraely.Select Deuteronomy 31:19

20Fa rehefa entiko any amin’ ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nianianako tamin’ ny razany homena azy izy, ary hihinana ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa izy ka hanompo azy, ary handà Ahy ka hivadika ny fanekeko.Select Deuteronomy 31:20

21Ary raha manjo azy ny zava-dratsy maro sy ny fahoriana, dia ho vavolombelona aminy izao fihirana izao, fa tsy ho afaka am-bavan’ ny taranany izao, fa fantatro ny fisainany izay efa hataony, na dia ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any amin’ ny tany izay nianianako homena azy izy.Select Deuteronomy 31:21

22Dia nosoratan’ i Mosesy androtrizay ihany izao fihirana izao ka nampianariny ny Zanak’ Isiraely.Select Deuteronomy 31:22

23Ary Jehovah nandidy an’ i Josoa, zanak’ i Nona, ka nanao hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hitondra ny Zanak’ Isiraely hiditra ao amin’ ny tany izay nianianako taminy homena azy, ary homba anao Aho.Select Deuteronomy 31:23

24Ary rehefa voasoratr’ i Mosesy teo amin’ ny boky avokoa ny tenin’ ity lalàna ity,Select Deuteronomy 31:24

25dia nandidy ny Levita, izay mpitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, izy ka nanao hoe:Select Deuteronomy 31:25

26Raiso ity bokin’ ny lalàna ity, ka apetraho eo anilan’ ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah Andriamanitrareo mba ho vavolombelona aminao.Select Deuteronomy 31:26

27Fa izaho mahalala ny ditranao sy ny hamafi-hatokao; indro, na dia mbola velona eto aminareo ankehitriny aza aho, dia miodina amin’ i Jehovah ianareo, ka mainka fa rehefa maty aho.Select Deuteronomy 31:27

28Vorio ho eto amiko ny loholona rehetra amin’ ny firenenareo sy ny mpifehy anareo, mba holazaiko eo anatrehany izao teny izao; ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aminy aho.Select Deuteronomy 31:28

29Fa fantatro fa rehefa maty aho, dia hanao ratsy tokoa ianareo ka hiala amin’ ny lalana izay nasaiko nalehanareo; dia ho tratry ny loza ianareo any am-parany, satria hanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ianareo ka hampahatezitra Azy amin’ ny asan’ ny tananareo.Select Deuteronomy 31:29

30Dia nolazain’ i Mosesy teo anatrehan’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ny tenin’ izao fihirana izao mandra-pahavitany.Select Deuteronomy 31:30

Next: Deuteronomy 32Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Deuteronomy

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.