Skip to content
Church.wiki
Deuteronomy

Deuteronomy 33

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary izao no tso-drano nataon’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra, tamin’ ny Zanak’ Isiraely, rehefa nadiva ho faty izy.Select Deuteronomy 33:1

2Hoy izy: Jehovah avy tao Sinay, Ary niseho taminy avy tany Seïra; Niposaka namirapiratra avy tany an-tendrombohitra Parana Izy; Ary avy tao amin’ ny masiny tsy omby alinalina; Ary teo ankavanany nisy lalàn’ afo ho an’ ireo.Select Deuteronomy 33:2

3Eny, tia ireo firenena Izy; Eo an-tananao avokoa ny masiny rehetra; Miandry eo anilan’ ny tongotrao ireo Ka samy mandray amin’ ny teninao.Select Deuteronomy 33:3

4Lalàna no nandidian’ i Mosesy antsika Ho lovan’ ny fiangonan’ i Jakoba.Select Deuteronomy 33:4

5Ary tonga mpanjakan’ i Jesorona Izy, Rehefa tafangona ny lehiben’ ny vahoaka Sy ny firenen’ Isiraely rehetra.Select Deuteronomy 33:5

6Aoka ho velona ROBENA, fa tsy ho faty, Nefa aoka ho vitsy olona izy.Select Deuteronomy 33:6

7Ary ny amin’ i JODA dia izao, hoy izy: Jehovah ô, mihainoa ny feon’ i Joda, Ka ento ho amin’ ny olony izy. Ny tanany no hiadiany ho azy, Ka manampia azy Hianao hamelezany ny mpandrafy azy.Select Deuteronomy 33:7

8Ary ny amin’ i LEVY dia hoy izy: Ny Tomimanao sy ny Orimanao dia amin’ ny olonao masìna. Izay nizahanao toetra tao Masa Sy nifamalianao tao amin’ ny ranon’ i Meriba,Select Deuteronomy 33:8

9Izay nilaza ny rainy sy ny reniny hoe: Tsy mahita azy aho, Sady tsy nahalala izay rahalahiny izy, Ary izay zanany aza dia tsy fantany; Fa nitandrina ny teninao izy Ka nitana ny fanekenao.Select Deuteronomy 33:9

10Jakoba no hampianariny ny fitsipikao, Ary Isiraely ny lalànao; Hametraka ditin-kazo manitra eo anatrehanao’ izy Sy fanatitra dorana eo ambonin’ ny alitaranao.Select Deuteronomy 33:10

11Jehovah ô, tahio ny heriny, Ary aoka ho sitrakao ny asan’ ny tànany; Asio mafy ny valahan’ izay mitsangana hiady aminy, Ka aoka tsy hiarina intsony izay mankahala azy.Select Deuteronomy 33:11

12Ary ny amin’ i BENJAMINA dia hoy izy: Ny malalan’ i Jehovah honina fahizay eo aminy, Dia halofany mandrakariva, Ary hobabeny eo an-damosiny.Select Deuteronomy 33:12

13Ary ny amin’ i JOSEFA dia hoy izy: Hotahin’ i Jehovah anie ny taniny Amin’ ny zava-tsoan’ ny lanitra, dia amin’ ny ando, Ary amin’ ny rano lalina mamitsaka any ambany,Select Deuteronomy 33:13

14Ary amin’ ny zava-tsoa vokatry ny masoandro Sy ny voan-javatra soa vokatry ny volana,Select Deuteronomy 33:14

15Ary amin’ ny zava-malaza avy amin’ ny tendrombohitra fahagola Sy ny zava-tsoa avy amin’ ny havoana mandrakizaySelect Deuteronomy 33:15

16Mbamin’ ny zava-tsoan’ ny tany sy izay rehetra eo aminy Sy ny fankasitrahan’ Izay nitoetra tao amin’ ilay roimemy; Ary aoka ho tonga eo an-dohan’ i Josefa izany, Dia eo an-tampon-dohan’ ilay nalaza tamin’ ny rahalahiny.Select Deuteronomy 33:16

17Ny voalohan-teraky ny ombiny dia malaza, Tandrok’ ombimanga ny tandrony; Izany no hanotoany ny firenena rehetra, Dia ny faran’ ny tany; Ireo no alinalin’ i Efraima Sy arivoarivon’ i Manase.Select Deuteronomy 33:17

18Ary ny amin’ i ZEBOLONA dia hoy izy: Mifalia, ry Zebolona, amin’ izay alehanao, Ary ianao, ry ISAKARA, ao an-dainao.Select Deuteronomy 33:18

19Firenena no antsoiny hankao an-tendrombohitra, Ary ao no hamonoany zavatra ho fanati-pahamarinana; Fa hitsentsitra ny haren’ ny ranomasina izy Sy ny zava-tsoa miafina ao amin’ ny fasika.Select Deuteronomy 33:19

20Ary ny amin’ i GADA dia hoy Izy; Isaorana anie Izay manome malalaka ho an’ i Gada; Mamitsaka tahaka ny liom-bavy izy Ka mamiravira ny sandry mbamin’ ny tampon-doha.Select Deuteronomy 33:20

21Nizaha izay tsara indrindra ho an’ ny tenany izy, Fa teo ny anaran’ ny mpanao lalàna no efa voatokana. Niaraka tamin’ ny lohan’ ny firenena izy, Ary araka ny fahamarinan’ i Jehovah ny nataony, Sy araka ny fitsipiny izay iombonany amin’ ny Isiraely.Select Deuteronomy 33:21

22Ary ny amin’ i DANA dia hoy izy: Dana dia zana-diona; Miantsampy avy ao Basana izy.Select Deuteronomy 33:22

23Ary ny amin’ i NAFTALY dia hoy izy: Ry Naftaly, voky fankasitrahana Ka feno ny fitahian’ i Jehovah, Mandovà ny andrefana sy ny atsimo anie ianao.Select Deuteronomy 33:23

24Ary ny amin’ i ASERA dia hoy izy: Aoka hotahina mihoatra noho ny zaza maro Asera, Ary hankasitrahana mihoatra noho ny rahalahiny izy Ka hanoboka ny tongony amin’ ny diloilo.Select Deuteronomy 33:24

25Ho vy sy varahina ny hidinao; Ary hifamatra amin’ ny andronao ny fiadananao.Select Deuteronomy 33:25

26Ry Jesorona, tsy misy tahaka an’ Andriamanitra, Izay mitaingina ny lanitra hamonjy anao, Sady mandia ny rahona amin’ ny voninahiny.Select Deuteronomy 33:26

27Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana, Ary ny sandry mandrakizay no eto ambany. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy Ka manao hoe: Aringano.Select Deuteronomy 33:27

28Ary mandry fahizay Isiraely, Mitokana irery ny loharanon’ i Jakoba Ao amin’ ny tany be vary sy ranom-boaloboka, Eny, mampilatsaka ando ny lanitra eo amboniny.Select Deuteronomy 33:28

29Sambatra ianao, ry Isiraely; Iza no tahaka anao, ry olona voavonjin’ i Jehovah, Ampingan’ ny famonjena anao sy sabatry ny voninahitrao! Hikoy anao ny fahavalonao. Ary ianao handia ny fitoerany avo.Select Deuteronomy 33:29

Next: Deuteronomy 34Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Deuteronomy

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.