Skip to content
Church.wiki
Deuteronomy

Deuteronomy 34

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Dia niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon’ i Pisga, izay tandrifin’ i Jeriko. Ary nasehon’ i Jehovah azy ny tany Gileada rehetra hatrany DanaSelect Deuteronomy 34:1

2sy Naftaly rehetra sy ny tanin’ ny Efraima sy ny Manase sy ny tanin’ ny Joda rehetra hatramin’ ny ranomasina andrefanaSelect Deuteronomy 34:2

3ary ny tany atsimo sy ny ao amin’ ny lohasahan’ i Jeriko, tanàna be rofia hatrany Zoara.Select Deuteronomy 34:3

4Dia hoy Jehovah taminy: Io no tany izay nianianako tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Homeko ny taranakao izy; nataoko mahita azy ny masonao, nefa tsy ho tafita ho tonga eny ianao.Select Deuteronomy 34:4

5Ary Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, dia maty teo amin’ ny tany Moaba araka ny tenin’ i Jehovah.Select Deuteronomy 34:5

6Ary naleviny tao an-dohasaha tao amin’ ny tany Moaba, tandrifin’ i Beti-peora, izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.Select Deuteronomy 34:6

7Efa roa-polo amby zato taona Mosesy vao maty; ary tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny.Select Deuteronomy 34:7

8Ary ny Zanak’ Isiraely nisaona an’ i Mosesy telo-polo andro teo Arbota-moaba; dia tapitra ny andro fitomaniana nisaonana an’ i Mosesy.Select Deuteronomy 34:8

9Ary Josoa, zanak’ i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan’ i Mosesy tanana izy; dia nihaino azy ny Zanak’ Isiraely ka nanao araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.Select Deuteronomy 34:9

10Ary tsy nisy mpaminany intsony niseho teo amin’ ny Isiraely tahaka an’ i Mosesy, izay fantatr’ i Jehovah nifanatrikaSelect Deuteronomy 34:10

11tamin’ ny famantarana rehetra sy ny fahagagana, izay nanirahan’ i Jehovah azy mba hataony tany Egypta tamin’ i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetraSelect Deuteronomy 34:11

12ary tamin’ ny herin-tanana rehetra sy ny fampahatahorana lehibe rehetra, izay nasehon’ i Mosesy teo imason’ ny Isiraely rehetra.Select Deuteronomy 34:12

Next: Joshua 1Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Deuteronomy

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.