Skip to content
Church.wiki
Deuteronomy

Deuteronomy 7

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Rehefa entin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana, ary firenena maro no voaroakany hiala eo anoloanao, dia ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, dia firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianao.Select Deuteronomy 7:1

2ary rehefa voatolotr’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ireny ka resinao: dia aringano mihitsy izy; aza manao fanekena aminy, na mamindra fo aminy;Select Deuteronomy 7:2

3ary aza mifanambady anaka aminy: ny zanakao-vavy tsy homenao ho vadin’ ny zananilahy, ary ny zananivavy tsy halainao ho vadin’ ny zanakao-lahy.Select Deuteronomy 7:3

4Fa hampiala ny zanakao-lahy amin’ ny fanarahana Ahy izy mba hanompoany andriamani-kafa, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’ i Jehovah, ka handrifigana anao vetivety Izy.Select Deuteronomy 7:4

5Fa izao kosa no ataovinareo aminy: ny alitarany horavanao, ary ny tsangam-baton-tsampiny hovakivakinao; ny Aserahany hokapainao, ary ny sarin-javatra voasokitra hodoranao amin’ ny afo.Select Deuteronomy 7:5

6Fa firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao; fa ianao efa nofidin’ i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.Select Deuteronomy 7:6

7Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan’ ny fitiavan’ i Jehovah taminareo sy nifidianany anareo, fa ianareo dia vitsy noho ny firenena rehetra aza;Select Deuteronomy 7:7

8fa ny nitiavan’ i Jehovah anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin’ ny razanareo no nitondran’ i Jehovah anareo tamin’ ny tanana mahery sy nanavotany anao tamin’ ny trano nahandevozana dia tamin’ ny tànan’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta.Select Deuteronomy 7:8

9Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin’ izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin’ ny taranaka arivo mandimby,Select Deuteronomy 7:9

10ary mamaly miharihary izay mandrafy Azy amin’ ny fandringanana azy; tsy hitaredretra Izy ny amin’ izay mandrafy Azy, fa hamaly azy miharihary.Select Deuteronomy 7:10

11Koa tandremo ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika, izay andidiako anao anio, ka araho izy.Select Deuteronomy 7:11

12Ary raha mihaino ireo fitsipika ireo ianareo ka mitandrina sy manaraka azy, dia hotanterahin’ i Jehovah Andriamanitrao aminao ny fanekena sy ny famindram-po, izay nianianany tamin’ ny razanao;Select Deuteronomy 7:12

13dia ho tia anao sy hitahy anao ary hahamaro anao Izy; ary Izy hitahy ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’ osinao any amin’ ny tany izay nianianany tamin’ ny razanao homena anao.Select Deuteronomy 7:13

14Hotahina ianao mihoatra noho ny firenena rehetra; tsy hisy lahy na vavy tsy hiteraka, na ianareo na ny biby fiompinareo.Select Deuteronomy 7:14

15Ary harovan’ i Jehovah tsy ho azon’ aretina ianao, ka tsy hisy hameliny anao ny aretin-dratsin’ i Egypta, izay fantatrao; fa hataony amin’ izay rehetra mankahala anao kosa ireny.Select Deuteronomy 7:15

16Ary aoka holaninao ny firenena rehetra, izay hatolotr’ i Jehovah Andriamanitrao anao, ka aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny, fa ho fandrika aminao ireny.Select Deuteronomy 7:16

17Raha ianao hanao anakampo hoe: Maro noho izaho ireo firenena ireo, ka hataoko ahoana no fahay mandroaka azy?Select Deuteronomy 7:17

18dia aza matahotra azy ianao; fa tsarovy tsara izay nataon’ i Jehovah Andriamanitrao tamin’ i Farao sy ny Egyptiana rehetra,Select Deuteronomy 7:18

19dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan’ ny masonao, sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny tanana mahery ary ny sandry nahinjitra, izay nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka; fa toy izany no hataon’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny firenena rehetra izay atahoranao.Select Deuteronomy 7:19

20Ary ny fanenitra koa dia hampandehanin’ i Jehovah Andriamanitrao ho eo aminy mandra-paharingan’ izay sisa sy izay efa niery ka tsy hitanao.Select Deuteronomy 7:20

21Aza matahotra azy ianao; fa Jehovah Andriamanitrao no eo aminao, dia Andriamanitra lehibe sy mahatahotra.Select Deuteronomy 7:21

22Ary horoahin’ i Jehovah Andriamanitrao eo alohanao tsikelikely ireny firenena ireny; tsy haharoaka azy faingana ianao, fandrao hihamaro ny bibi-dia ka hamely anao.Select Deuteronomy 7:22

23Fa hatolotr’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy ka hataony mifanaritaka be ihany mandra-pahalany ritrany.Select Deuteronomy 7:23

24Dia hatolony eo an-tananao koa ny mpanjakany, ka ho foananao tsy ho re intsony atỳ ambanin’ ny lanitra ny anarany; tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao, fa haringanao avokoa izy mandra-pahalaniny.Select Deuteronomy 7:24

25Ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo amin’ ny afo; aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay eo aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho voafandriny ianao, fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao izany.Select Deuteronomy 7:25

26Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho voaozona tahaka izany koa ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany, fa zavatra voaozona.Select Deuteronomy 7:26

Next: Deuteronomy 8Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Deuteronomy

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.