Skip to content
Church.wiki
Deuteronomy

Deuteronomy 8

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio dia tandremo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hihamaro ary hiditra sady handova ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanareo homena azy.Select Deuteronomy 8:1

2Ary tsarovy ny lalana rehetra izay nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra izao efa-polo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.Select Deuteronomy 8:2

3Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman’ ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan’ i Jehovah no iveloman’ ny olona.Select Deuteronomy 8:3

4Ny fitafianao teny aminao tsy rovitra, ary ny tongotrao tsy nivonto izao efa-polo taona izao.Select Deuteronomy 8:4

5Koa aoka ho fantatrao amin’ ny fonao, fa tahaka ny fananaran’ ny olona ny zanany no fananaran’ i Jehovah Andriamanitrao anao.Select Deuteronomy 8:5

6Ary tandremo ny didin’ i Jehovah Andriamanitrao, mba handehananao amin’ ny lalany sy hatahoranao Azy.Select Deuteronomy 8:6

7Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin’ ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin’ ny lohasaha sy ny tendrombohitra,Select Deuteronomy 8:7

8tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy ary ampongabendanitra, tany misy hazo oliva sy tantely,Select Deuteronomy 8:8

9tany izay hihinananao hanina amin’ ny fanaranam-po, sady tsy hanan-java-mahory akory eo ianao, tany misy vy ny vato ao aminy, ary ao amin’ ny tendrombohiny no hihadianao varahina.Select Deuteronomy 8:9

10Ary rehefa nihinana ianao ka voky ary misaotra an’ i Jehovah Andriamanitrao noho ny tany soa izay nomeny anao,Select Deuteronomy 8:10

11dia mitandrema, fandrao hadinoinao Jehovah Andriamanitrao, ka tsy tandremanao ny didiny sy ny fitsipiny ary ny lalàny, izay andidiako anao anio;Select Deuteronomy 8:11

12fandrao, rehefa nihinana ianao ka voky ary nanao trano tsara ka mitoetra ao,Select Deuteronomy 8:12

13ary mihamaro ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao, ary mitombo koa ny volafotsinao sy ny volamenanao, ary mitombo ny fanananao rehetra,Select Deuteronomy 8:13

14dia hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana,Select Deuteronomy 8:14

15Izay nitondra anao tany amin’ ny efitra lehibe sady mahatahotra, izay misy menaran’ afo sy maingoka, dia ny tany mangentana tsy misy rano, ary nampivoaka rano ho anao avy tamin’ ny vatolampy afovato,Select Deuteronomy 8:15

16Izay nanome anao mana hohanina tany an-efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao, mba hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hanisy soa anao any am-parany;Select Deuteronomy 8:16

17ary andrao ianao hanao anakampo hoe: Ny tanjako sy ny herin’ ny tanako no nahavoriako izao harena izao;Select Deuteronomy 8:17

18fa tsarovy Jehovah Andriamanitrao, fa Izy no manome anao hery hahavory harena, mba haoriny ny fanekeny, izay nianianany tamin’ ny razanao, tahaka ny amin’ izao anio izao.Select Deuteronomy 8:18

19Fa raha manadino an’ i Jehovah Andriamanitrao mihitsy ianao ka manaraka izay andriamani-kafa sady manompo azy sy miankohoka eo anatrehany, dia milaza aminareo marimarina aho fa haringana tokoa ianareo:Select Deuteronomy 8:19

20tahaka ny andringanana ny firenen-tsamy hafa, izay aringan’ i Jehovah eo anoloanareo, no handringanana anareo, satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.Select Deuteronomy 8:20

Next: Deuteronomy 9Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Deuteronomy

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.