Song of Songs 1
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ny tonon-kira tsara indrindra, izay nataon’ i Solomona.Select Song of Songs 1:1
2Enga anie ka hanoroka ahy amin’ ny fanorohan’ ny vavany izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao.Select Song of Songs 1:2
3Mani-pofona ny menakao tsara, menaka manitra voaidina ny anaranao, koa izany no itiavan’ ny zatovovavy anao.Select Song of Songs 1:3
4Taomy aho, dia hihazakazaka hanaraka anao izahay; Nentin’ ny mpanjaka ho ao an-efi-tranony aho. Hifaly sy hiravoravo aminao izahay; Hankalazainay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; Fitiavana marina no itiavany anao.Select Song of Songs 1:4
5Mivalomainty aho, nefa tsara tarehy, ry zanakavavin’ i Jerosalema, toy ny lain’ i Kedara, toy ny ambain-dain’ i Solomona.Select Song of Songs 1:5
6Aza mibanjina ahy, fa mivalomainty aho, satria efa azon’ ny hainandro; Tezitra tamiko ny zanak’ ineny; Notendreny ho mpiandry ny tanim-boalobony aho; Nefa ny tanim-boaloboko kosa, dia ny an’ ny tenako, tsy mba nandrasako.Select Song of Songs 1:6
7Lazao amiko, ry ilay tian’ ny fanahiko, izay iandrasanao ny ondrinao, sy izay ampandrianao azy raha antoandro; Fa nahoana no ho tahaka izay mivezivezy foana aho Eny amin’ ny andian’ ny namanao?Select Song of Songs 1:7
8Raha tsy fantatrao, ry tsara tarehy indrindra amin’ ny vehivavy, dia mandehana hanaraka ny andian’ ny ondry aman’ osy, ary andraso eny amin’ ny lain’ ny mpiandry ondry ny zanak’ osinao.Select Song of Songs 1:8
9Ry tompokovavy havako, ianao dia ampitahaiko amin’ ny soavalivaviko mitarika ny kalesin’ i Farao.Select Song of Songs 1:9
10Mahatsara ny tarehinao ireo voahangy voatohy; Manendrika ny vozonao ireo rado.Select Song of Songs 1:10
11Nefa rojo volamena misy voavola mibontsimbontsina kosa no hataonay ho anao.Select Song of Songs 1:11
12Raha mipetraka amin’ ny latabany ny mpanjaka, dia mamerovero tsara ny nardako.Select Song of Songs 1:12
13Ny malalako dia miora am-pehezana madinika mandry eo an-tratrako.Select Song of Songs 1:13
14Ny malalako dia tahaka ny vonin’ ny kofera amiko, any an-tanimbolin’ i En-jedy.Select Song of Songs 1:14
15Indro, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako; Indro, tsara tarehy ianao; Voromailala ny masonao.Select Song of Songs 1:15
16Indro, tsara tarehy ianao, ry malalako, eny, mahafinaritra; Maitso ny fandriantsika.Select Song of Songs 1:16
17Sedera ny sakamandimbin’ ny tranontsika, ary kypreso ny peta-drindrintsika.Select Song of Songs 1:17
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain