Skip to content
Church.wiki
Song of Songs

Song of Songs 4

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Endrey, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako! Endrey, tsara tarehy ianao! Ny masonao dia voromailala eo amin’ ny fisalobonanao; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny an-kilan’ ny tendrombohitr’ i Gileada.Select Song of Songs 4:1

2Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany efa voahety, izay miakatra avy eo amin’ ny fampandroana; Samy kambana avy ireo, fa tsy misy tsy mana-namana.Select Song of Songs 4:2

3Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, ary mahafinaritra ny vavanao; Tahaka ny hasin’ ampongabendanitra ny takolakao eo amin’ ny fisalobonanao,Select Song of Songs 4:3

4Ny vozonao dia tahaka ny tilikambon’ i Davida, natao ho trano fihantonam-piadiana; Ampinga arivo no voahantona eo, dia ny ampinga rehetra an’ ny lehilahy mahery.Select Song of Songs 4:4

5Ny nononao roa dia toy ny diera kambana mbola tanora, izay homana eny amin’ ny lilia.Select Song of Songs 4:5

6Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, dia handeha aho ho any amin’ ny tendrombohitry ny miora sy ny havoan’ ny ditin-kazo mani-pofona.Select Song of Songs 4:6

7Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako; Tsy misy kilema ianao.Select Song of Songs 4:7

8Hiaraka amiko avy any Libanona ianao, ry ampakariko, eny, hiaraka amiko avy any Libanona, hitazana eny an-tampon’ i Amana, eny an-tampon’ i Senira sy Hermona, eny an-davaky ny liona, eny an-tendrombohitry ny leoparda.Select Song of Songs 4:8

9Efa lasanao ny foko, ry havako ampakariko, efa lasanao ny foko tamin’ ny masonao an-ila sy tamin’ ny rojo anankiray amin’ ny vozonao.Select Song of Songs 4:9

10Akory ny hatsaran’ ny fitiavanao, ry havako ampakariko! Akory ny hatsaran’ ny fitiavanao! eny, tsara noho ny divay! Ary ny fofon’ ny menaka manitrao dia mihoatra noho ny zava-manitra rehetra!Select Song of Songs 4:10

11Mitete tantely toy ny avy amin’ ny tohotra ny molotrao, ry ampakariko; Tantely sy ronono no ao ambanin’ ny lelanao, ary ny fofon’ ny fitafianao dia tahaka ny fofon’ i Libanona.Select Song of Songs 4:11

12Saha voahidy ny havako ampakariko, loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase.Select Song of Songs 4:12

13Hianao no saha anirian’ ny ampongabendanitra tsara voa, sady misy kofera sy narda,Select Song of Songs 4:13

14Eny, narda sy safrona, veromanitra sy havozomanitra sy ny hazo misy ny ditin-kazo mani-pofona rehetra. Miora sy hazo manitra Mbamin’ ny zava-manitra tsara rehetra;Select Song of Songs 4:14

15Loharano ao an-tanimboly ianao, loharano miboiboika, ary renirano kely avy any Libanona.Select Song of Songs 4:15

16Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo, Mitsofa eny an-tsahako hielezan’ ny fofony manitra. Aoka ny malalako hankatỳ an-tanimboliny ka hihinana ny voankazony tsara.Select Song of Songs 4:16

Next: Song of Songs 5Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Song of Songs

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses a voice on this device.