Song of Songs 6
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Nankaiza ny malalanao, ry tsara tarehy amin’ ny vehivavy? Nivily nankaiza ny malalanao? Mba hiarahanay aminao hitady azy.Select Song of Songs 6:1
2Lasa nidina ho any an-tsahany ny malalako, dia any amin’ ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, hiandry ny ondriny eny amin’ ny tanimboly sy hioty ny lilia.Select Song of Songs 6:2
3An’ ny malalako aho, ary ahy ny malalako, dia ilay miandry ny ondry andiany eny amin’ ny lilia.Select Song of Songs 6:3
4Tsara tarehy tahaka an’ i Tirza ianao, ry tompokovavy havako, eny, tsara tarehy tahaka an’ i Jerosalema, mahatahotra toy ny antokon’ ny miaramila mitondra faneva.Select Song of Songs 6:4
5Avilio ny masonao tsy hijery ahy, Fa mampiontanontana ny foko izy; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny ankilan’ i Gileada.Select Song of Songs 6:5
6Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany, izay miakatra avy eo amin’ ny fampandroana; Samy kambana avy ireo. Fa tsy misy tsy mana-manana,Select Song of Songs 6:6
7Tahaka ny hasin’ ampongabendanitra ny takolakao eo amin’ ny fisalobonanao.Select Song of Songs 6:7
8Misy mpanjakavavy enim-polo sy vaditsindrano valo-polo ary zatovovavy tsy hita isa.Select Song of Songs 6:8
9Fa iray monja kosa no voromailalako, dia ilay ahy tsy misy kilema, vavy tokan-dreniny sady tsongaina amin’ izay naterany. Ny zazavavy nahita azy ka nanao azy ho sambatra, eny, ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano, ka nidera azy.Select Song of Songs 6:9
10Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro sady mahatahotra toy ny antokon’ ny miaramila mitondra faneva?Select Song of Songs 6:10
11Lasa nidina nantany an-tsaha tsara hazo aho, hijerijery ny zava-maitso an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka sy mamony ny ampongabendanitra.Select Song of Songs 6:11
12Tsy nampoiziko ny nanandratan’ ny fanahiko ahy ho eo amin’ ny kalesin’ ny fireneko be voninahitra.Select Song of Songs 6:12
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain