Skip to content
Church.wiki
Song of Songs

Song of Songs 8

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Enga anie ka ho tahaka ny anadahiko, izay ninono an’ ineny, ianao! Dia ho nahita anao teny ala-trano aho ka ho nanoroka anao. Eny tsy ho azon’ olona notevatevaina aho.Select Song of Songs 8:1

2Dia ho entiko ka hampidiriko ho ao an-tranon’ ineny ianao, ary hampianarinao aho; Hampisotroiko divay noharoharoan-java-manitra mbamin’ ny ranon’ ampongaben-danitro ianao.Select Song of Songs 8:2

3Aoka hanondana ahy ny tànany ankavia, ary aoka hanohona ahy ny tànany ankavanana.Select Song of Songs 8:3

4Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin’ i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony.Select Song of Songs 8:4

5Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, mitehina amin’ ny malalany? Teo ambanin’ iny hazo poma no namohazako anao; Teo no niterahan-dreninao anao, eny, teo no nahararian’ ilay niteraka anao.Select Song of Songs 8:5

6Ataovy toy ny fanombohan-kase ao am-ponao aho sy toy ny fanombohan-kase eo an-tsandrinao; Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka tahaka ny fiainan-tsi-hita ny fahasaro-piaro; Ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon’ i Jehovah.Select Song of Songs 8:6

7Na dia ny ony maro aza tsy mahavono ny afon’ ny fitiavana, ary ny renirano tsy mahapaoka azy; Na dia misy olona manome ny fananany rehetra ao an-tranony aza hamidy fitiavana, dia hatao tsinontsinona izy.Select Song of Songs 8:7

8Manana zandrivavy tsy mbola misy nono izahay; Ahoana no hataonay amin’ ny zandrivavinay, raha mby amin’ izay andro hangatahan’ olona azy ho vady?Select Song of Songs 8:8

9Raha manda izy, dia hanangananay tilikambo volafotsy eo an-tampony; Fa raha varavarana kosa izy, dia hotampenanay hazo fisaka sedera.Select Song of Songs 8:9

10Mànda aho, dia toy ny tilikambo ny nonoko. Raha eo imasony dia toy ny efa mahita soa aho.Select Song of Songs 8:10

11Solomona nanan-tanim-boaloboka tao Bala-hamona; Nahofany tamin’ olona mpiandry voly ny tanim-boaloboka, ka samy tsy maintsy mitondra sekely volafotsy arivo ho solon’ ny vokatra.Select Song of Songs 8:11

12Ny tanim-boaloboko, eny, ilay an’ ny tenako, dia eto anatrehako, Ny arivo kosa dia anao, ry Solomona, ary ny roan-jato ho an’ izay mpiandry voly.Select Song of Songs 8:12

13Ry mitoetra eny an-tsaha! Te-hihaino ny feonao ireo namako; Mba ampandreneso izany koa aho.Select Song of Songs 8:13

14Mandosira, ry malalako, ary aoka ianao mba ho toy ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitry ny zava-manitra.Select Song of Songs 8:14

Next: Isaiah 1Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Song of Songs

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.