Skip to content
Church.wiki

Amos Chapter 6 Baiboly Malagasy (1865)

Minor prophets · Amos · Baiboly Malagasy (1865) · 14 verses

Verse layout
📝 Overview of this chapter Flow, key verses and people

아모스 6장은 시온과 사마리아에서 안락함에 빠져 나라가 무너지는 것을 근심하지 않는 지도층에게 화를 선언하고, 이들이 가장 먼저 사로잡혀 가며 이스라엘이 한 나라에게 짓밟힐 것이라고 예고하는 장이다.

Jump to verse

6Amos · Baiboly Malagasy (1865)
1Lozan’ ireo miadana ao Ziona sy ireo matokitoky foana ao an-tendrombohitr’ i Samaria, dia ireo malaza eo amin’ ny firenena malaza indrindra sady hatonin’ ny taranak’ Isiraely.
2Mankanesa any Kalne ianareo, ka mijere, dia mandrosoa ihany ho any Hamata lehibe; Ary midìna ho any Gatan’ ny Filistina; Tsara noho ireo fanjakana ireo va izy? Sa lehibe noho ny tanin’ ireo va ny taninareo?
3Hianareo izay mihevitra ny andro mampahory ho mbola lavitra sy mampanakaiky ny seza fandozana,
4Dia ireo izay mandrimandry ao amin’ ny farafara ivoriny sy mitsilailay eo amin’ ny fandriandriany ary homana ny zanak’ ondry avy amin’ ny andian’ ny ondry sy ny zanak’ omby avy ao am-pahitra,
5Dia ireo izay mivovo foana manaraka ny feon-dokanga ary mamorona zava-maneno toy ny nataon’ i Davida,
6Dia ireo izay misotro divay amin’ ny lovia famafazana sady mihosotra diloilo tsara Indrindra, nefa tsy onena ny fahasimban’ i Josefa.
7Koa amin’ izao dia ho voalohany amin’ izay hobaboina ireo, ary hatsahatro ny hobin’ izay mitsilailay foana.
8Jehovah Tompo dia efa nianiana tamin’ ny tenany, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro: Fahavetavetana eo anatrehako ny reharehan’ i Jakoba, ary halako ny tranobeny; Koa dia hatolotro ny tanàna mbamin’ izay rehetra ao anatiny.
9Ary raha hisy folo lahy sisa ao an-trano iray, dia samy ho faty ireo.
10Ary ny havan’ izay maty, na izay handevina azy, dia hambeta azy ka hitondra ny faty hiala ao an-trano, dia hiteny amin’ izay ao anaty trano hoe: Mbola misy ihany va ato aminao? Ary raha hoy izy: Tapitra! Dia hovaliana hoe: Mangìna re! fa tsy tokony hotonenina ny anaran’ i Jehovah.
11Fa, indro, Jehovah no mandidy, ka horavana ny trano lehibe, ary hotresatresahina ny trano madinika.
12Mihazakazaka eny amin’ ny sola-bato va ny soavaly. Misy olona mampihosy omby va eny, no efa navadikareo ho zava-mangidy ny rariny, ary ny vokatry ny fahamarinana ho zava-mahafaty?
13Dia ianareo izay mifaly amin’ ny zava-poana ka manao hoe: Moa tsy ny herinay va no ahazoanay tandroka ho anay?
14Fa, indro, hanangana firenena hamely anareo Aho, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro, dia hampahory anareo hatrany akaikin’ i Hamata izy ka hatramin’ ny lohasahan-driaka any amin’ ny tani-hay.

Baiboly Malagasy (1865)
Tap a verse to copy, share, highlight or add a note. Dotted words link to encyclopedia articles.

14 verses in this chapter
6 / 9 chapters

The text is Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — From getbible.net (CrossWire SWORD module) · license: 공개 도메인 (Public Domain) Highlights, notes and read marks stay with the chapter whichever version you read. Dotted words are people, places and terms that have an encyclopedia article (marked once per page). Highlights, notes and read marks are saved only in this browser and gathered under My marks.

Articles mentioning this chapter

More