Skip to content
Church.wiki
Amos

Amos 7

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Izao no nasehon’ i Jehovah Tompo tamiko: Indro, nanao ny valala tamin’ ny voalohan’ ny nitsimohan’ ny kolokolon’ ahitra Izy; ary, indro, kolokolon’ izay nojinjana ho an’ ny mpanjaka izany.Select Amos 7:1

2Ary nony efa laniny avokoa ny zava-maniry amin’ ny tany, dia hoy izaho: Jehovah Tompo, mifona aminao aho mamelà heloka! Hataon’ i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.Select Amos 7:2

3Nanenenan’ i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah.Select Amos 7:3

4Izao no nasehon’ i Jehovah Tompo tamiko: Indro, Jehovah Tompo miantso hifandahatra hamely amin’ ny afo, ka nandevona ny lalina lehibe sy nila handany ny zara-lova izany.Select Amos 7:4

5Dia hoy izaho: Jehovah Tompo, Mifona aminao aho, mitsahara! Hataon’ i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.Select Amos 7:5

6Nanenenan’ i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah Tompo.Select Amos 7:6

7Izao no nasehony ahy: Indro, ny Tompo nitsangana teo ambonin’ ny manda natao amin’ ny pilao, sady nisy pilao teny an-tànany.Select Amos 7:7

8Dia hoy Jehovah tamiko: Inona no hitanao, ry Amosa? Ary hoy izaho: Pilao. Dia hoy ny Tompo: Indro, hanisy pilao eo amin’ ny Isiraely oloko Aho, fa tsy handefitra aminy intsony;Select Amos 7:8

9Dia ho foana ny fitoerana avon’ Isaka, ary ho rava ny fitoera-masin’ Isiraely; Ary hitsangana Aho ka hamely sabatra ny taranak’ i Jeroboama.Select Amos 7:9

10Dia naniraka tany amin’ i Jeroboama, mpanjakan’ ny Isiraely, Amazia, ilay mpisorona tao Betela, nanao hoe: Amosa efa nanao tetika hikomy aminao teo amin’ ny taranak’ Isiraely, ary tsy zakan’ ny tany ny teniny rehetra,Select Amos 7:10

11satria hoy Amosa: Ho fatin-tsabatra Jeroboama, ary hobaboina hiala amin’ ny taniny tokoa ny Isiraely.Select Amos 7:11

12Ary hoy Amazia tamin’ i Amosa: Ry mpahita! andeha mandositra mankany amin’ ny tanin’ ny Joda ianao, ka mihinàna hanina any, ary maminania any;Select Amos 7:12

13fa aza maminany eto Betela intsony; fa fitoera-masin’ ny mpanjaka sy tranom-panjakana ity.Select Amos 7:13

14Dia namaly Amosa ka nanao tamin’ i Amazia hoe: Tsy mba mpaminany aho, na zanaka ny mpaminany; fa mpiandry ondry sy mpioty aviavy ihany aho,Select Amos 7:14

15saingy nalain’ i Jehovah tany ampiandrasana ondry ka nataony hoe: Mandehana, ka maminania amin’ ny Isiraely oloko.Select Amos 7:15

16Ka mba henoy ny tenin’ i Jehovah: Hianao manao hoe: Aza maminany ny hamelezana ny Isiraely, ary aza milaza ny hamelezana ny taranak’ Isaka;Select Amos 7:16

17Koa izao no lazain’ i Jehovah: Ny vadinao hijangajanga ao an-tanàna, ary ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ho lavon-tsabatra, Ary ny taninao hozaraina amin’ ny famolaina; Ary ny tenanao ho faty any amin’ ny tany maloto; Ary ny Isiraely hobaboina hiala amin’ ny taniny tokoa.Select Amos 7:17

Next: Amos 8Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Amos

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.