Skip to content
Church.wiki
Amos

Amos 8

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Izao no nasehon’ i Jehovah Tompo tamiko; Indro, nisy harona feno voankazo masaka fahavaratra.Select Amos 8:1

2Ary hoy Izy: Inona no hitanao, ry Amosa? Dia hoy izaho: Harona feno voankazo masaka fahavaratra. Dia hoy Jehovah tamiko: Tonga amin’ ny Isiraely oloko ny farany; Tsy handefitra aminy intsony Aho.Select Amos 8:2

3Ho tonga naonaona ny hira ao an-dapa amin’ izany andro izany, hoy Jehovah Tompo; Ho be ny faty, Hatraiza hatraiza no hanariany azy. Mangìna re!Select Amos 8:3

4Mihanoa izao, ianareo izay mihanahana te-hitelina ny malahelo sy hahafongana ny mpandefitra amin’ ny tanySelect Amos 8:4

5Ka manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana, hivarotantsika vary, sy ny Sabata, hanokafantsika ny lava-bary, ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny sekely, ary hanaovana mizana mandaingaSelect Amos 8:5

6Mba hovidintsika volafotsy ny mahantra sy kiraro iray lomisy ny malahelo, ary hivarotantsika ny loha-kororoky ny vary?Select Amos 8:6

7Jehovah nianiana tamin’ ny Reharehan’ i Jakoba ka nanao hoe: Tsy hisy hobadinoiko mandrakizay ny asany na dia iray akory aza!Select Amos 8:7

8Tsy hihorohoro noho izany va ny tany, sy hitomany ny mponina rehetra ao aminy? Eny, ny tany rehetra hihatondraka tahaka an’ i Neily sy hihena indray toy ny Neilin’ i Egypta.Select Amos 8:8

9Ary amin izany andro izany, hoy Jehovah Tompo, dia halentiko mitataovovonana ny masoandro, ary hohamaiziniko antoandrobenanahary ny tany;Select Amos 8:9

10Hampodiko ho fitomaniana ny andro firavoravoanareo, ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra, hofeheziko lamba fisaonana ny valahana rehetra, sady hokakasako ny loha rehetra; Ary hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany, Ka ny farany dia ho tahaka ny andro mangidy.Select Amos 8:10

11Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin’ ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin’ i Jehovah;Select Amos 8:11

12Ary hivembena hatrany amin’ ny ranomasina ka hatrany amin’ ny ranomasina ny olona ary hatrany amin’ ny avaratra ka hatrany amin’ ny atsinanana, eny, hivezivezy hitady ny tenin’ i Jehovah izy, nefa tsy hahita.Select Amos 8:12

13Amin’ izany andro izany dia ho jemby noho ny hetaheta ny virijina tsara tarehy sy ny zatovolahy,Select Amos 8:13

14Dia ireo izay mianiana amin’ ny fahotan’ i Samaria, ka manao hoe: velona koa ny andriamanitrao, ry Dana, ary raha velona koa ny fanaon’ i Beri-sheba; eny, ho lavo izy ka tsy hiarina intsony.Select Amos 8:14

Next: Amos 9Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Amos

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.