James 5
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1He! ianareo manan-karena, mitomania sy midradradradrà noho ny fahoriana izay efa manjo anareo.Select James 5:1
2Ny harenareo efa simba, ary ny fitafianareo efa lanin’ ny kalalao.Select James 5:2
3Ny volamena sy ny volafotsinareo dia efa harafesina; ary ny harafesiny dia ho vavolombelona hiampanga anareo sady handany ny nofonareo tahaka ny afo. Efa namory harena amin’ ny andro farany ianareo.Select James 5:3
4Indro, ny karaman’ ny mpiasa nijinja ny taninareo, izay hazoninareo, dia mitaraina; ary ny fitarainan’ ny mpijinja dia efa tafiditra amin’ ny sofin’ ny Tompon’ ny maro.Select James 5:4
5Efa velona tamin’ ny fy tetỳ ambonin’ ny tany ianareo sady nanaram-po tamin’ ny fahafinaretana; efa namahy ny fonareo tamin’ ny andro hamonoana ianareo.Select James 5:5
6Efa nanameloka namono ny marina ianareo; fa tsy manohitra anareo izy.Select James 5:6
7Ary amin’ izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin’ ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin’ ny tany ka maharitra amin’ izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.Select James 5:7
8Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian’ ny Tompo.Select James 5:8
9Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo; Indro, ny Mpitsara efa mitsangana eo anoloan’ ny varavarana.Select James 5:9
10Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin’ ny anaran’ ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana.Select James 5:10
11Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan’ i Joba ary efa hitanareo ny faran’ ny nataon’ ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindram-po.Select James 5:11
12Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin’ ny lanitra, na amin’ ny tany, na amin’ izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho “Eny”, ary ny fandànareo ho “Tsia”, fandrao hiharan’ ny fitsarana ianareo.Select James 5:12
13Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana.Select James 5:13
14Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon’ ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ ny anaran’ ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy;Select James 5:14
15ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony.Select James 5:15
16Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan’ ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.Select James 5:16
17Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan’ ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin’ ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana.Select James 5:17
18Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.Select James 5:18
19Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin’ ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy,Select James 5:19
20aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ ny lalan’ ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.Select James 5:20
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation