Ephesians 1
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Paoly, Apostolin’ i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’ Andriamanitra, mamangy ny olona masìna any Efesosy, izay mahatoky ao amin’ i Kristy Jesosy:Select Ephesians 1:1
2ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.Select Ephesians 1:2
3Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’ i Kristy amin’ ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,Select Ephesians 1:3
4araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao, mba ho masìna sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika,Select Ephesians 1:4
5rehefa notendreny rahateo amin’ ny fitiavana isika mba ho Azy amin’ ny fananganan’ anaka amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan’ ny fony,Select Ephesians 1:5
6ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ ny Malala.Select Ephesians 1:6
7Izy no ananantsika fanavotana amin’ ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ ny fahasoavany,Select Ephesians 1:7
8izay nataony be ho antsika tamin’ ny fahendrena sy ny fisainana rehetra,Select Ephesians 1:8
9rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin’ ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain’ ny tenany,Select Ephesians 1:9
10hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’ i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, dia ho ao aminy;Select Ephesians 1:10
11ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan’ izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan’ ny fony,Select Ephesians 1:11
12mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an’ i Kristy rahateo.Select Ephesians 1:12
13Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin’ ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,― eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin’ ny Fanahy Masìna araka ny teny fikasana.Select Ephesians 1:13
14Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin’ ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an’ ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.Select Ephesians 1:14
15Ary noho izany izaho koa, rehefa nandre ny finoanareo an’ i Jesosy Tompo izay hitan’ ny olona masìna rehetra,Select Ephesians 1:15
16dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin’ ny fivavahako,Select Ephesians 1:16
17mba homen’ Andriamanitr’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ ny voninahitra, ho anareo ny fanahin’ ny fahendrena sy ny fanambarana amin’ ny fahalalana Azy tsara,Select Ephesians 1:17
18ary mba hampahiratina ny mason’ ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin’ ny fiantsoany sy izay haren’ ny voninahitry ny lovany eo amin’ ny olona masìna,Select Ephesians 1:18
19ary ny fihoaran’ ny halehiben’ ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiàsan’ ny herin’ ny faherezany,Select Ephesians 1:19
20izay nataony tao amin’ i Kristy tamin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin’ ny tànany ankavanana any an-danitra,Select Ephesians 1:20
21ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin’ izao fiainana izao ihany, fa amin’ ny ho avy koa,Select Ephesians 1:21
22dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ ny fiangonana,Select Ephesians 1:22
23izay tenany, dia ny fahafenoan’ izay mameno izao zavatra rehetra izao amin’ ny rehetra.Select Ephesians 1:23
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain