Skip to content
Church.wiki
Ephesians

Ephesians 2

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin’ ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo,Select Ephesians 2:1

2izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban’ izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ ny zanaky ny tsi-fanarahana;Select Ephesians 2:2

3teo amin’ ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ ny filan’ ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin’ ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika.Select Ephesians 2:3

4Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin’ ny famindram-po, noho ny halehiben’ ny fitiavany izay nitiavany antsika,Select Ephesians 2:4

5na dia fony mbola matin’ ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin’ i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);Select Ephesians 2:5

6ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin’ i Kristy Jesosy,Select Ephesians 2:6

7mba hasehony amin’ ny andro ho avy ny haben’ ny haren’ ny fahasoavany amin’ ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin’ i Kristy Jesosy.Select Ephesians 2:7

8Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’ Andriamanitra;Select Ephesians 2:8

9tsy avy amin’ ny asa, fandrao hisy hirehareha.Select Ephesians 2:9

10Fa asany isika, voaforona tao amin’ i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’ Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.Select Ephesians 2:10

11Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain’ ny voaforan-tanana teo amin’ ny nofo hoe tsy voafora ―Select Ephesians 2:11

12eny, tsarovy fa tamin’ izany andro izany dia tsy nanana an’ i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin’ ny fanjakan’ ny Isiraely ary vahiny tamin’ ireo faneken’ ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’ Andriamanitra teo amin’ izao tontolo izao;Select Ephesians 2:12

13fa ankehitriny kosa, ao amin’ i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken’ ny ran’ i Kristy.Select Ephesians 2:13

14Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana,Select Ephesians 2:14

15fa tao amin’ ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin’ ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana,Select Ephesians 2:15

16ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin’ Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana.Select Ephesians 2:16

17Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana taminareo izay lavitra ary fihavanana tamin’ izay akaiky koa.Select Ephesians 2:17

18Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin’ ny Fanahy iray ho any amin’ ny Ray.Select Ephesians 2:18

19Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ ny olona masìna sady ankohonan’ Andriamanitra,Select Ephesians 2:19

20natsangana teo ambonin’ ny fanorenan’ ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra;Select Ephesians 2:20

21ao aminy no irafetan’ ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masìna ao amin’ ny Tompo.Select Ephesians 2:21

22Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan’ Andriamanitra amin’ ny Fanahy.Select Ephesians 2:22

Next: Ephesians 3Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Ephesians

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.