Skip to content
Church.wiki
Ephesians

Ephesians 3

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an’ i Kristy Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, ―Select Ephesians 3:1

2raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan’ Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo,Select Ephesians 3:2

3fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin’ ny teny fohifohy teo.Select Ephesians 3:3

4Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina ny amin’ i Kristy,Select Ephesians 3:4

5izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’ olombelona tamin’ ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran’ ny Fanahy ankehitriny amin’ ny Apostoly masìna sy ny mpaminany,Select Ephesians 3:5

6dia ny ahatongavan’ ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin’ i Kristy Jesosy noho ny filazantsara,Select Ephesians 3:6

7izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fanomezan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra, izay nomena ahy araka ny fiàsan’ ny heriny.Select Ephesians 3:7

8Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin’ ny olona masìna rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin’ ny jentilisa ny haren’ i Kristy tsy hita lany,Select Ephesians 3:8

9ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay voafina hatramin’ ny nanaovana izao tontolo izao tao amin’ Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra;Select Ephesians 3:9

10mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin’ izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren’ Andriamanitra amin’ ny fitondrany ny fiangonana,Select Ephesians 3:10

11araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika,Select Ephesians 3:11

12Izay ananantsika fahasahiana sy fanatonana amin’ ny fahatokiana noho ny finoana Azy.Select Ephesians 3:12

13Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin’ ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany.Select Ephesians 3:13

14Ary noho izany no andohalehako amin’ ny RaySelect Ephesians 3:14

15Izay ahazoan’ ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana,Select Ephesians 3:15

16mba homeny anareo, araka ny haren’ ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin’ ny Fanahiny ny toe-panahinareo;Select Ephesians 3:16

17mba hitoeran’ i Kristy ao am-ponareo amin’ ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin’ ny fitiavana ianareo,Select Ephesians 3:17

18mba hahaizanareo mbamin’ ny olona masìna rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halavany.Select Ephesians 3:18

19ary hahalala ny fitiavan’ i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin’ ny fahafenoan’ Andriamanitra rehetra.Select Ephesians 3:19

20Ary ho an’ izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,Select Ephesians 3:20

21ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ ny fiangonana sy ao amin’ i Kristy Jesosy hatramin’ ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena.Select Ephesians 3:21

Next: Ephesians 4Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Ephesians

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.