Ezekiel 15
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:Select Ezekiel 15:1
2Ry zanak’ olona, inona no ihoaran’ ny tahom-boaloboka noho ny hazo rehetra, dia ny sakeli-boaloboka izay isan’ ny hazo any an’ ala?Select Ezekiel 15:2
3Moa mba fangalan-kazo hatao zavatra akory va izy, na mba fangalana fihantonan-javatra?Select Ezekiel 15:3
4Indro, hatsipy any anaty afo hataina izy; ny laniny roa ho levon’ ny afo, ary ny tenatenany ho may. Ka moa azo atao zavatra akory va izy?Select Ezekiel 15:4
5Indro, fony izy tsy mbola nahafahana aza, dia tsy azo natao zavatra, koa mainka fa rehefa levon’ ny afo sy may izy?Select Ezekiel 15:5
6Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Toy ny tahom-boaloboka amin’ ny hazo any an’ ala, izay natolotro hataina, dia toy izany no hanolorako ny mponina any Jerosalema.Select Ezekiel 15:6
7Ary hanandrina azy ny tavako; hiala avy amin’ ny afo izy nefa ho levon’ ny afo hafa indray; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manandrina azy ny tavako.Select Ezekiel 15:7
8Ary hataoko lao ny tany noho ny nivadihany tamiko, hoy Jehovah Tompo.Select Ezekiel 15:8
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation