Skip to content
Church.wiki
Ezekiel

Ezekiel 18

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:Select Ezekiel 18:1

2Nahoana no manao izao ohabolana izao ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely ianareo: Ny ray no mihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin’ ny zanany no madilo?Select Ezekiel 18:2

3Rana velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hisy hanaovanareo izany ohabolana izany ao amin’ ny Isiraely intsony.Select Ezekiel 18:3

4Indro, Ahy ny fanahy rehetra: toy ny fanahin’ ny ray, dia toy izany koa ny fanahin’ ny zanany; samy Ahy ireny; ny fanahy izay manota no ho faty.Select Ezekiel 18:4

5Fa raha marina ny olona ka manao izay marina sy mahitsy,Select Ezekiel 18:5

6fa tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin’ ny sampin’ ny taranak’ Isiraely, na mandoto ny vadin’ ny namany, na manakaiky ny vehivavy izay mararin’ ny fadim-bolana,Select Ezekiel 18:6

7na mampahory olona, fa mamerina ny natao tsatòka, ary tsy mandroba, fa manome ny haniny ho an’ ny noana ary manafy lamba ny matanjaka,Select Ezekiel 18:7

8tsy mampanàna vola, na maka tombony akory, fa miaro ny tanany tsy hanao ratsy ary manao fitsarana marina amin’ ny miady,Select Ezekiel 18:8

9ary mandeha araka ny lalàko sy ny mitandrina ny fitsipiko ka manao izay marina, dia marina izy ka ho velona tokoa, hoy i; Jehovah Tompo.Select Ezekiel 18:9

10Fa raha miteraka zazalahy mpanao an-keriny sy mpandatsa-drà izy, ka manao na dia iray ihany amin’ ireo zavatra ireo aza inySelect Ezekiel 18:10

11(nefa tsy nanao ireo zavatra ireo akory ny tenany), na mihinana eny an-tendrombohitra, na mandoto ny vadin’ ny namany,Select Ezekiel 18:11

12na mampahory ny malahelo sy ny mahantra, na mandroba, na tsy mamerina ny natao tsatòka, na manandratra ny masony ho amin’ ny sampy ka manao izay fahavetavetana,Select Ezekiel 18:12

13na mampanana vola, na maka tombony moa ho velona va izy? Tsy ho velona izy; nanao ireo fahavetavetana rehetra ireo izy; ho faty tokoa izy, ary ny ràny dia ho aminy ihany.Select Ezekiel 18:13

14Ary, indro, raha iny kosa indray miteraka zazalahy, izay mahita ny fahotana rehetra nataon-drainy, nefa nony mahita izany izy, dia tsy mba manao tahaka izany,Select Ezekiel 18:14

15ka tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin’ ny sampin’ ny taranak’ Isiraely, na mandoto ny vadin’ ny namany,Select Ezekiel 18:15

16na mampahory olona, na maka tsatòka, na mandroba, fa manome ny haniny ho an’ ny noana ary manafy lamba ny mitanjaka,Select Ezekiel 18:16

17miaro ny tànany tsy hampahory ny mahantra, tsy mampanana vola, na maka tombony, fa manaraka ny fitsipiko sy mandeha araka ny lalàko, dia tsy ho faty noho ny helo-drainy izy; ho velona tokoa izy.Select Ezekiel 18:17

18Ny amin’ ny rainy, noho ny nanaovany an-keriny sy ny nandrobany ny rahalahiny ary ny nanaovany izay tsy mety tao amin’ ny fireneny, dia, indro, ho faty noho ny helony izy.Select Ezekiel 18:18

19Nefa, hoy ianareo: Nahoana moa ny zanaka no tsy mba hitondra ny helo-drainy? Raha ny zanaka manao izay marina sy mahitsy sy mitandrina ny didiko rehetra ka mankatò azy, dia ho velona tokoa izy.Select Ezekiel 18:19

20Ny fanahy izay manota no ho faty. Ny zanaka tsy mba hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray tsy mba hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan’ ny marina ho aminy ihany ary ny faharatsian’ ny ratsy fanahy kosa ho aminy ihany.Select Ezekiel 18:20

21Fa raha ny ratsy fanahy miala amin’ ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.Select Ezekiel 18:21

22Ny fahadisoany rehetra izay nataony tsy hotsarovana aminy intsony; ho velona izy noho ny fahamarinana izay nataony.Select Ezekiel 18:22

23Moa sitrako akory va ny fahafatesan’ ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin’ ny alehany mba ho velona izy?Select Ezekiel 18:23

24Fa raha ny marina no miala amin’ ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon’ ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana; noho ny fahadisoana izay nandisoany sy ny fahotana izay nanotany dia ho faty izy.Select Ezekiel 18:24

25Nefa hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran’ ny Tompo. Mihainoa ange, ry taranak’ Isiraely: Moa ny fitondrako va no tsy marina? Tsy ny fitondranareo va no tsy marina?Select Ezekiel 18:25

26Raha ny marina miala amin’ ny fahamarinany ary manao meloka ka maty amin’ izany, dia maty noho ny heloka nataony ihany izy.Select Ezekiel 18:26

27Ary raha ny ratsy fanahy miala amin’ ny faharatsiana nataony ka manao izay marina sy mahitsy, dia hovelominy ny fanahiny.Select Ezekiel 18:27

28Raha mahita izy ka miala amin’ ny fahadisoana rehetra izay nataony, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.Select Ezekiel 18:28

29Nefa hoy ny taranak’ Isiraely: Tsy marina ny fitondran’ ny Tompo. Ry taranak’ Isiraely, ny fitondrako va no tsy marina? Tsy ny fitondranareo va no tsy marina?Select Ezekiel 18:29

30Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy ianareo, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah Tompo. Mitodiha, ka mibebaha amin’ ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.Select Ezekiel 18:30

31Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo, ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo; fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’ Isiraely?Select Ezekiel 18:31

32Fa tsy sitrako ny fahafatesan’ izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha ianareo mba ho velona. Hira fahalahelovana ny amin’ ireo lehiben’ ny Isiraely.Select Ezekiel 18:32

Next: Ezekiel 19Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Ezekiel

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.