Skip to content
Church.wiki
Ezekiel

Ezekiel 2

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona, mitsangàna, fa hiteny aminao Aho.Select Ezekiel 2:1

2Ary nisy fanahy tonga tao anatiko, raha niteny tamiko Izy, ka nampitsangana ahy, ary reko Izay niteny tamiko.Select Ezekiel 2:2

3Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona, maniraka anao ho amin’ ny zanak’ Isiraely Aho, eny, ho amin’ ireo jentilisa mpiodina, izay efa niodina tamiko; izy sy ny razany dia samy efa nanota tamiko avokoa mandraka androany.Select Ezekiel 2:3

4Ary ho any amin’ ny zanaka mafy handrina sy madi-po no anirahako anao, ary ianao hanao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo.Select Ezekiel 2:4

5Ary na hihaino izy na tsy hihaino (fa taranaka maditra izy), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany teo aminy.Select Ezekiel 2:5

6Ary ianao, ry zanak’ olona, aza matahotra azy, ary aza matahotra ny teniny, na dia voakasiky ny amiana sy ny tsilo aza ianao, ary na dia eo amin’ ny maingoka aza no ipetrahanao; eny, aza matahotra ny fiteniny, ary aza mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy.Select Ezekiel 2:6

7Ary holazainao aminy ihany ny amiko, na hihaino izy na tsy hihaino, fa tena naditra izy.Select Ezekiel 2:7

8Fa ianao kosa, ry zanak’ olona, mihainoa izay lazaiko aminao; aza maditra tahaka izany taranaka maditra izany ianao; akafy ny vavanao, ka hano izay afahako anao.Select Ezekiel 2:8

9Ary hitako fa, indro, nisy tanana nahinjitra tamiko, ary, indro, nisy horonan-taratasy ny aminy.Select Ezekiel 2:9

10Dia novelariny teo anatrehako izany, ary nisy soratra teo anatiny sy teo ivoany; ary fitomaniana sy fidradradradrana loza no voasoratra teo.Select Ezekiel 2:10

Next: Ezekiel 3Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Ezekiel

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.