Skip to content
Church.wiki
Ezekiel

Ezekiel 21

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:Select Ezekiel 21:1

2Ry zanak’ olona, manatreha ny atsimo, ary mitenena manandrify ny atsimo, ka maminania ny amin’ ny hamelezana ny ala amin’ ny tany atsimo.Select Ezekiel 21:2

3Ary lazao amin’ ny ala amin’ ny tany atsimo hoe: Henoy ny tenin’ i Jehovah: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hampirehitra afo ao aminao Aho, izay handevona ny hazo maitso sy ny hazo maina rehetra ao aminao; tsy hovonoina ny lelafo midedadeda, fa ho main’ ny afo ny tava rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra;Select Ezekiel 21:3

4Ka dia ho hitan’ ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no nampirehitra io, ka tsy hovonoina.Select Ezekiel 21:4

5Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Hoy ny fitenin’ ny olona ahy: Tsy fanoharana va no ataony?Select Ezekiel 21:5

6Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:Select Ezekiel 21:6

7Ry zanak’ olona, manandrifia an’ i Jerosalema, ary mitenena manandrify ny fitoerana masìna, ka maminania ny amin’ ny hamelezana ny tanin’ ny Isiraely.Select Ezekiel 21:7

8Ary ataovy amin’ ny tanin’ ny Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho no mamely anao, ary hotsoahako amin’ ny tranony ny sabatro, ka haringako ny marina sy ny meloka eo aminao.Select Ezekiel 21:8

9Ary noho ny handringanako ny marina sy ny meloka eo aminao, dia izany no hitsoahan’ ny sabatro amin’ ny tranony hamely ny nofo rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra,Select Ezekiel 21:9

10Ka dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no nanatsoaka ny sabatro tamin’ ny tranony; Tsy hiditra intsony izy.Select Ezekiel 21:10

11Ary ianao, ry zanak’ olona, midridridridria toy ny tapa-balahana, eny, midridridridria amin’ ny fangidiana eo imasony.Select Ezekiel 21:11

12Ary raha izy manao aminao hoe: Nahoana ianao no midridridridry? Dia valio hoe: Noho ny teny efa re, fa ho avy izany, ho kivy ny fo rehetra, hiraviravy ny tanana rehetra, ary hivarahontsana ny fanahy rehetra, sady hanjary ho toy ny rano ny lohalika rehetra. Eny, ho avy izany ka ho tanteraka, hoy Jehovah Tompo;Select Ezekiel 21:12

13Dia tonga tamiko ay tenin’ i Jehovah nanao hoe:Select Ezekiel 21:13

14Ry zanak’ olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Injao! sabatra! sabatra re! Voaranitra sady voafotsy koa.Select Ezekiel 21:14

15Voaranitra hahafaty be izy; Voafotsy hanelatselatra izy (Sa isika hifaly hoe: Ny tsorakazon’ ny zanako mamingavinga ny hazo rehetra?)Select Ezekiel 21:15

16Ary nomena hofotsiana izy Mba horaisin-tanana; Voaranitra io sabatra io sady voafotsy, Mba hatolotra eo an-tanan’ ny mpamono.Select Ezekiel 21:16

17Mitomania sy midradradradrà, ry zanak’ olona! Fa mihatra amin’ ny oloko izany, dia amin’ ny lehibe rehetra amin’ ny Isiraely; Lavon’ ny sabatra miaraka amin’ ny oloko izy, koa misafoa sirana ianao;Select Ezekiel 21:17

18Fa vita ny fizahan-toetra, Ka manao ahoana, raha ilay tehim-panjakana namingavinga iny aza no ho tonga tsinontsinona? hoy Jehovah Tompo.Select Ezekiel 21:18

19Ary ianao, ry zanak’ olona, dia maminania, ka mitehafa tanana, ary aoka hihaloza roa heny, na telo heny aza, ny sabatra, dia ny sabatra izay efa nahatrabaka olona; Eny, ny sabatra izay efa nahatrabaka ny andriana no manemitra azy.Select Ezekiel 21:19

20Nahebihebiko teny amin’ ny vavahadiny rehetra ny sabatra, mba hahakivy ny fo sy hahatonga fahatafintohinana maro. Indrisy! nataoko nanelatselatra izy sady voaranitra hamono.Select Ezekiel 21:20

21Miomana, ka mandrosoa eo ankavanana ianao, mijoroa, ka mandrosoa eo an-kavia, amin’ izay voatendry hamelezanao na aiza na aiza.Select Ezekiel 21:21

22Hiteha-tanana koa Aho ary hiala fo; Izaho Jehovah no nilaza izany.Select Ezekiel 21:22

23Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe:Select Ezekiel 21:23

24Hianao, ry zanak’ olona, manaova lalana roa ho anao hihavian’ ny sabatry ny mpanjakan’ i Babylona; avy amin’ ny tany iray no hihavian’ izy roa; ka manaova sarin’ ny famantaran-dalana, eo an-tsampanan-dalana mankany amin’ ny tanàna no anaovinao azy.Select Ezekiel 21:24

25Manaova lalana hihavian’ ny sabatra ho any Raban’ ny taranak’ i Amona sy ho any ny Joda ao Jerosalema mimanda.Select Ezekiel 21:25

26Fa ny mpanjakan’ i Babylona mijanona eo amin’ ny sampanan-dalana, dia eo an-dohan’ ny lalana roa, mba hanao sikidy; dia manetsiketsika ny zana-tsipìka izy ary manontany amin’ ny sampy sy mizaha amin’ ny atin-kena.Select Ezekiel 21:26

27Mby eo an-tànany ankavanana ny sikidy, dia ny ho an’ i Jerosalema, mba hametraka lohondry vy fandravana, hisoka-bava hiantsoantso, hanandra-peo amin’ ny akoran’ ady, hametraka lohondry vy fandravana eo akaikin’ ny vavahady, hanandratra tovon-tany sy tilikambo.Select Ezekiel 21:27

28Nefa tahaka ny sikidy lainga izany eo imason’ ireny izay efa nianiana mafy, nefa Jehovah no mampahatsiaro ny helony mba hisamborana azy.Select Ezekiel 21:28

29Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nampahatsiarovanareo ny helokareo tamin’ ny nampiharihariana ny fahadisoanareo mba hampisehoana ny fahotanareo tamin’ izay rehetra nataonareo, noho ny nahatsiarovana anareo dia hosamborin-tanana ianareo.Select Ezekiel 21:29

30Ary ianao, ry ilay ratsy fanahy voatrabaka, dia ilay mpanjakan’ ny Isiraely, izay tapitra andro amin’ ny fotoan’ ny heloka mahafaty,Select Ezekiel 21:30

31izao no lazain’ i Jehovah Tompo Hesorina ny hamama, ary halàna ny satro-boninahitra, tsy ho ao intsony ireo; hasandratra ny iva, ary haetry ny avo.Select Ezekiel 21:31

32Havadiko, havadiko, havadiko izany; fa izany koa aza dia tsy mba haharitra mandra-pahatongan’ izay tena tompony tokoa, ka homeko azy izany.Select Ezekiel 21:32

33Ary ianao, ry zanak’ olona, dia maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny amin’ ny taranak’ i Amona sy ny latsa ataony, dia ataovy hoe: Indro sabatra! Dia sabatra voatsoaka hamono! Voafotsy handringana sy hanelatselatra izySelect Ezekiel 21:33

34(Raha mahita zava-poana ho anao izy sy maminany lainga aminao) Handavoany anao ao amin’ ny vozon’ ny ratsy fanahy voatrabaka, Izay tapitra andro amin’ ny fotoan’ ny heloka mahafaty.Select Ezekiel 21:34

35Ampidiro amin’ ny tranony izy. Any amin’ ny tany namoronana anao, dia any amin’ ny tany nahaterahanao, no hitsarako anao.Select Ezekiel 21:35

36Ary haidiko aminao ny fahavinirako, ny afon’ ny fahatezerako no hotsofiko aminao, ka hatolotro eo an-tànan’ ny olona ketrina. Sy izay mpamorona fandringanana ianao,Select Ezekiel 21:36

37Dia ho kitain’ ny afo ianao; Ho eny amin’ ny tany ny rànao; Tsy hotsaroana ianao; Fa Izaho Jehovah no niteny izany.Select Ezekiel 21:37

Next: Ezekiel 22Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Ezekiel

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.