Ezekiel 27
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:Select Ezekiel 27:1
2Hianao, ry zanak’ olona, manaova hira fahalahelovana ny amin’ i Tyro,Select Ezekiel 27:2
3ka ataovy aminy hoe: He, ry ilay monina amin’ ny vava-ranomasina, Mpandranto ho an’ ny firenena ho any ny moron-dranomasina maro samy hafa; Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: He, ry Tyro, ianao efa nanao hoe: Izaho dia tena tsara tarehy!Select Ezekiel 27:3
4Ao amin’ ny ranomasina ny taninao, efa tanteraky ny mpandrafitra anao ny hatsaran-tarehinao.Select Ezekiel 27:4
5Hazo kypreso avy any Senira no nanaovany ny lampihazonao; Sedera avy any Libanona no nalainy hatao andrin-tsambonao.Select Ezekiel 27:5
6Oka avy any Basana no nanaovany ny fivoinao; hazo bokso avy any amin’ ny moron-dranomasin’ i Kitima no nataony fipetrahan’ ny mpivoinao sady nasiany parike ivory.Select Ezekiel 27:6
7Rongony madinika samy hafa soratra avy any Egypta no natao lainao mba ho faneva ho anao; Lamba manga sy volomparasy avy any amin’ ny moron-dranomasin’ i Elisa no eloelonao.Select Ezekiel 27:7
8Ny mponina any Sidona sy Arvada no mpivoinao; Ny olon-kendrinao, ry Tyro, no tao aminao, ka ireo no mpitondra sambonao.Select Ezekiel 27:8
9Ny zokiolon’ i Gebala sy izay hendry tany no tao aminao ho mpanentsin-tsambonao; ny sambo rehetra teny amin’ ny ranomasina mbamin’ ny matilony dia tonga tao aminao hanakalo ny rantonao.Select Ezekiel 27:9
10Ny avy any Persia sy ny Lydiana ary ny Libyana dia isan’ ny miaramila mpiadinao; Nanantona ampinga sy fiarovan-doha teny aminao ireo ka nahatsara tarehy anao.Select Ezekiel 27:10
11Ny terak’ i Arvada sy ny miaramilanao no teny ambonin’ ny mandanao manodidina, ary lehilahy mahery no tao amin’ ny tilikambonao; Ny ampingany dia nahantony teny amin’ ny mandanao manodidina; Ireo no nahatanteraka ny hatsaran-tarehinao.Select Ezekiel 27:11
12Tarsisy no mpandranto nankany aminao noho ny haben’ ny harena samy hafa rehetra; Volafotsy sy vy sy vifotsy ary firaka na nentiny natakalo ny entanao.Select Ezekiel 27:12
13Javana sy Tobala ary Maseka no mpandranto nankany aminao, ka olona sy fanaka varahina no natakalony ny varotrao.Select Ezekiel 27:13
14Ny terak’ i Togarma nitondra soavaly sy soavaly fitaingina ary ampondra natakalo ny entanao.Select Ezekiel 27:14
15Ny terak’ i Dedana no mpandranto nankany aminao; Ny avy amin’ ny moron-dranomasina maro no tonga hivarotra tao aminao ka nitondra ivory sy hazomainty natakalo ny entanao.Select Ezekiel 27:15
16Syria no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan’ ny tao-zavatrao, ka karbonkolo sy lamba volomparasy sy tenona samy hafa soratra sy rongony fotsy madinika sy voahangy ary robina No nentiny natakalo ny entanao.Select Ezekiel 27:16
17Joda sy ny tanin’ ny Isiraely no mpandranto nankany aminao, ka vary tritika avy tany Minita sy zava-mamy sy tantely sy diloilo ary balsama no natakalony ny varotrao.Select Ezekiel 27:17
18Damaskosy no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan’ ny taozavatrao, dia ny haben’ ny harenao rehetra, ka nitondra divay avy any Helbona sy volon’ ondry fotsy izy.Select Ezekiel 27:18
19Vedana koa sy Javana avy any Ozala dia nitondra vy voatefy natakalo ny entanao; Kasia sy veromanitra no natakalony ny varotrao.Select Ezekiel 27:19
20Dedana no mpandranto nankany aminao, nitondra lamba fanao lamban-tsoavaly.Select Ezekiel 27:20
21Arabia sy ireo andriandahin’ i Kedara rehetra no nandranto tany aminao, ka zanak’ ondry sy ondrilahy ary osilahy no nentiny natao varotra tao aminao.Select Ezekiel 27:21
22Ny mpandranto avy any Sheba sy Rama no mpandranto nankany aminao, Ka zava-manitra tsara indrindra sy vato soa samy hafa karazana ary volamena no nentiny natakalo ny entanao.Select Ezekiel 27:22
23Harana sy Kane ary Edena sy mpandranto avy any Sheba sy Asyria ary Kilmada no mpandranto nankany aminao.Select Ezekiel 27:23
24Ireo no mpandranto nankany aminao nitondra ny fitafiana marevaka rehetra, dia kapôty manga sy samy hafa soratra ary vata sedera mifehy misy fitafiana soa no natakalony ny varotrao.Select Ezekiel 27:24
25Ny sambon’ i Tarsisy no mpitondra ny entanao, dia feno sady be voninahitra ianao teo amin’ ny ranomasina.Select Ezekiel 27:25
26Nentin’ ny mpivoinao teny amin’ ny rano be ianao, dia nahavaky anao tao amin’ ny ranomasina ny rivotra avy any atsinanana.Select Ezekiel 27:26
27Ny harenao sy ny vidin’ entanao, ny varotrao, ny matilonao sy ny mpitondra sambonao, ny mpanentsin-tsambonao sy ny mpividy ny entanao ary ny miaramilanao rehetra izay tao aminao mbamin’ ny olona betsaka tafangona tao aminao dia nilentika tao amin’ ny ranomasina tamin’ ny andro nandravana anao.Select Ezekiel 27:27
28Noho ny fidradradradran’ ny mpitondra sambonao dia mihorohoro ny tany manodidina.Select Ezekiel 27:28
29Ary samy midìna miala amin’ ny sambony ny mpivoy rehetra sy ny matilo ary ny mpitondra sambo rehetra eny an-dranomasina ka mijanòna eny an-tanety;Select Ezekiel 27:29
30Ary manandratra ny feony noho ny nanjo anao izy ka midradradradra mafy sady manopy vovoka hiraraka amin’ ny lohany ary mihosinkosin-davenona;Select Ezekiel 27:30
31Ary mibory loha avokoa izy noho ny aminao sy misikìna lamba fisaonana ary mitomany anao amin’ ny fangidiam-panahy izy, dia fisaonana mafy.Select Ezekiel 27:31
32Ary raha midradradradra izy, dia manao hira fahalahelovana ny aminao ka mitomany anao hoe: Iza moa no tahaka an’ i Tyro, dia tahaka ilay rava ao ampovoan’ ny ranomasina?Select Ezekiel 27:32
33Raha nivoaka avy amin’ ny ranomasina ny varotrao, dia nahatretrika firenena maro ianao; Tamin’ ny haben’ ny harenao sy ny varotrao dia nampanan-karena ny mpanjakan’ ny tany ianao.Select Ezekiel 27:33
34Tamin’ ny andro nandravan’ ny ranomasina anao ho any amin’ ny rano lalina dia niara-nilentika taminao ny varotrao sy ny olona tafangona tao aminao.Select Ezekiel 27:34
35Talanjona anao ny mponina rehetra amin’ ny moron-dranomasina, ary raiki-tahotra ny mpanjakany ka dia mivalomainty.Select Ezekiel 27:35
36Misitrisitra anao ny mpandranto amin’ ny firenena; tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizaySelect Ezekiel 27:36
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain