Ezekiel 29
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Tamin’ ny andro faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona fahafolo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:Select Ezekiel 29:1
2Ry zanak’ olona, manandrifia an’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, ka maminania ny hamelezana azy mbamin’ i Egypta rehetra.Select Ezekiel 29:2
3Mitenena, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Farao, mpanjakan’ i Egypta, ilay dragona makadiry mamitsaka ao amin’ ny Neiliny, dia ilay efa nanao hoe: Ahy ny Neiliko, fa izaho no namorona azy ho an’ ny tenako.Select Ezekiel 29:3
4Ary hasiako farango ny valanoranonao, sady hampiraiketiko amin’ ny kiranao ny hazandrano ao amin’ ny Neilinao, dia hampiakariko avy eo afovoan’ ny Neilinao ianao, ary ny hazandrano rehetra amin’ ny Neilinao dia hiraikitra amin’ ny kiranao.Select Ezekiel 29:4
5Ary hariako any an-efitra ianao, dia ianao sy ny hazandrano rehetra avy amin’ ny Neilinao; hitsitsitra eny an-tanety ianao ka tsy hovorina na hangonina; Efa nomeko hohanin’ ny bibi-dia sy ny voro-manidina ianao.Select Ezekiel 29:5
6dia ho fantatry ny mponina rehetra any Egypta fa Izaho no Jehovah, satria efa tehina volotara ho an’ ny taranak’ Isiraely izy.Select Ezekiel 29:6
7(Nony mandray anao amin’ ny tànany izy, dia folaka ianao, ka voatsindronao ny helik’ izy rehetra; Ary nony mitehina aminao izy, dia tapaka ianao ka mampilefidefitra ny valahan’ izy rehetra.)Select Ezekiel 29:7
8Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hahatonga sabatra hamely anao Aho, ka hofongorako tsy ho aminao ny olona sy ny biby.Select Ezekiel 29:8
9Ary ny tany Egypta ho rava sy lao; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah. Satria hoy izy: Ahy Neily, ary izaho no nanao azy,Select Ezekiel 29:9
10Dia, indro, avy hamely anao sy ny Neilinao Aho, ary ny tany Egypta hataoko lao tokoa, eny, sady ho lao no ho rava, hatrany Migdola ka hatrany Syena, dia hatramin’ ny sisin’ i Etiopia.Select Ezekiel 29:10
11Tsy hodiavin-tongotr’ olona ny tany, ary ny tongo-biby aza tsy handia azy, sady tsy honenana efa-polo taona izy.Select Ezekiel 29:11
12Ary hataoko tany rava dia rava ny tany Egypta, ary ho lao dia ho lao efa-polo taona ny tanànany; Eny, haeliko ho any amin’ ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ary hahahako any amin’ ny tany samy hafa.Select Ezekiel 29:12
13Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Rehefa afaka efa-polo taona, dia hangoniko avy any amin’ ny firenena izay nielezany ny Egyptiana:Select Ezekiel 29:13
14Ary haveriko avy amin’ ny fahababoany izy, ka hampodiko any amin’ ny tany Patrosa, tany nihaviany, izy; Ary ho fanjakana ambany Egypta;Select Ezekiel 29:14
15Eny, ho ambany noho ny fanjakana hafa izy ka tsy hisandratra ambonin’ ny firenena hafa intsony; Fa hohakeleziko izy ka tsy hampanompo ny firenena intsony.Select Ezekiel 29:15
16Dia tsy ho tokin’ ny taranak’ Isiraely intsony izy ho fampahatsiarovana ny helony amin’ ny andehanan’ ireo hanaraka azy; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.Select Ezekiel 29:16
17Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona fahafito amby roa-polo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:Select Ezekiel 29:17
18Ry zanak’ olona, mafy ny fanompoana izay nampanaovin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ny miaramilany tamin’ ny namelezany an’ i Tyro, ka efa samy tonga sola avokoa ny lohany, sady niendaka ny sorony, nefa tsy nahazo karama avy tany Tyro izy sy ny miaramilany noho ny fanompoana izay nataony tamin’ ny namelezany azy.Select Ezekiel 29:18
19Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, homeko an’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ny tany Egypta, dia halainy ny hareny, ary hobaboiny izay hita ao, ka hataony sambotra izay azo ao, koa izany no ho karaman’ ny miaramilany.Select Ezekiel 29:19
20Ho valin’ ny fanompoana nataony tany Tyro no nanomezako azy ny tany Egypta, satria nataony ho Ahy izany, hoy Jehovah Tompo.Select Ezekiel 29:20
21Amin’ izany andro izany dia hampitsimoka tandroka ho an’ ny taranak’ Isiraely Aho, ary hampiloahiko vava eo aminy ianao; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.Select Ezekiel 29:21
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain