Ezekiel 30
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:Select Ezekiel 30:1
2Ry zanak’ olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Midradradradrà ianareo! Indrisy ny andro!Select Ezekiel 30:2
3Fa efa antomotra ny andro, eny, antomotra ny andron’ i Jehovah, dia andro mandrahona sy fotoana hamaliana ny jentilisa izany.Select Ezekiel 30:3
4Ary hisy sabatra tonga any Egypta sy fangorohoroana fatratra any Etiopia, raha miampatrampatra any Egypta ny voatrabaka; Ary ho lasa ny hareny, sady ho rava ny fanorenany.Select Ezekiel 30:4
5Etiopia sy Libya sy Lydia sy ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny Kobiana sy ny zanaky ny tany vita fanekena dia hiaraka ho lavon-tsabatra aminy.Select Ezekiel 30:5
6Izao no lazain’ i Jehovah: Ho lavo koa izay manohana an’ i Egypta, ary hietry ny fiavonavonan’ ny heriny; Hatrany Migdola ka hatrany Syena no ho lavon-tsabatra izy, hoy Jehovah Tompo.Select Ezekiel 30:6
7Ho rava dia ho rava izy, ary ny tanànany ho lao dia ho lao.Select Ezekiel 30:7
8Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha mampirehitra afo any Egypta Aho, ka torotoro izay rehetra manampy azy.Select Ezekiel 30:8
9Amin’ izany andro izany dia hisy iraka mivoaka avy amiko handeha an-tsambo hampahatahotra ny Etiopiana izay mitoetra tsy manahinahy, ka dia hangorohoro tahaka ny tamin’ ny andro namelezana an’ i Egypta izy; Fa, indro, avy izany.Select Ezekiel 30:9
10Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, no ho entiko mahafoana ny horakorak’ i Egypta.Select Ezekiel 30:10
11Izy sy ny vahoakany manaraka azy, dia ireo masiaka indrindra amin’ ny firenena, no ho entina handrava ny tany; Ary hanatsoaka ny sabany hamely an’ i Egypta ireny, ka ho feno faty ny tany.Select Ezekiel 30:11
12Hahatankina an’ i Neily sy hivarotra ny tany ho eo an-tànan’ ny ratsy fanahy Aho, ary ny tanan’ ny fahavalo no ho entiko mandrava ny tany mbamin’ izay rehetra ao aminy; Izaho Jehovah no niteny izany.Select Ezekiel 30:12
13Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Horavako koa ny sampy, ary hatsahatro ny andriamani-tsi-izy ao Memfisa; ary tsy hisy mpanjaka intsony amin’ ny tany Egypta;Select Ezekiel 30:13
14Handrava an’ i Patrosa Aho sy hampirehitra afo any Zoana, ary hotanterahiko ny fitsarana an’ i No;Select Ezekiel 30:14
15Hampidina ny fahatezerako amin’ i Sina, fiarovana mafy any Egypta, Aho, ary hofongorako ny vahoaka be any No.Select Ezekiel 30:15
16Hampirehitra afo any Egypta Aho; Hiolanolana fatratra Sina noho ny faharariany; Ho banga No, ary Memifisa dia hasian’ ny fahavalo antoandro.Select Ezekiel 30:16
17Ny zatovon’ i Avena sy Pi-beseta ho lavon-tsabatra, sady ho lasan-ko babo ny ao.Select Ezekiel 30:17
18Any Tapanesa dia ho maizina ny andro, raha tapahiko any ny ziogan’ i Egypta, ary hitsahatra ny fiavonavonan’ ny heriny; Ho voasaron’ ny rahona izy, sady ho lasan-ko babo ny zananivavy.Select Ezekiel 30:18
19Toy izany no hanatanterahako ny fitsarana an’ i Egypta; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.Select Ezekiel 30:19
20Ary tamin’ ny andro fahafito tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:Select Ezekiel 30:20
21Ry zanak’ olona, ny sandrin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, dia efa notorotoroiko, ary he! tsy noharatoina mba ho sitrana izy, na nofehezina lamba, mba hanatanjaka azy hahatan-tsabatra.Select Ezekiel 30:21
22Koa izany no nanaovan’ i Jehovah Tompo hoe: Indro, efa hamely an’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, Aho, ka hotorotoroiko ny sandriny, na ny mbola matanjaka, na ny efa torotoro; Ary hampilatsaka ny sabatra eny an-tànany Aho.Select Ezekiel 30:22
23Dia haeliko ho any amin’ ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ka hahahako any amin’ ny tany samy hafa.Select Ezekiel 30:23
24Fa hampahatanjahiko kosa ny sandrin’ ny mpanjakan’ i Babylona, ka hataoko eny an-tànany ny sabatro; Fa hotorotoroiko ny sandrin’ i Farao, dia hitrona eo anatrehany toy ny fitronan’ ny voatrabaka izy.Select Ezekiel 30:24
25Eny, hampahatanjahiko ny sandrin’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia hiraviravy ny sandrin’ i Farao: Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha hataoko eny an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ny sabatro, ka haingainy hamelezana ny tany Egypta.Select Ezekiel 30:25
26Dia haeliko ho any amin’ ny firenena samy hafa ny Egyptiana ka hahahako any amin’ ny tany samy hafa; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.Select Ezekiel 30:26
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain