Ezekiel 42
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Dia nentiny nivoaka nianavaratra ho any amin’ ny kianja ivelany aho, ary nampidiriny ho ao amin’ ny efi-trano tandrifin’ ny kianja voatokana sady tandrifin’ ny trano eo amin’ ny avaratra,Select Ezekiel 42:1
2dia ho eo anoloan’ ilay lavany zato hakiho izay nisy ny varavarana avaratra, ary ny sakany dimam-polo hakiho.Select Ezekiel 42:2
3Tandrifin’ ny roa-polo hakiho amin’ ny kianja anatiny sady tandrifin’ ny lampivato amin’ ny kianja ivelany dia nisy lalan-tsarany nifanandrify teo amin’ ny trano fahatelo ambony indrindra.Select Ezekiel 42:3
4Ary teo anoloan’ ny efi-trano dia nisy lalana, folo hakiho ny sakany, mankao anatiny, ary lalana iray hakiho izany; ary nanatrika ny avaratra ny varavarany.Select Ezekiel 42:4
5Ary nohakelezina ny efi-trano ambony, fa nangalana ho lalantsarany, ka izany no nahakely azy noho ny ambany sy ny an-tenatenany.Select Ezekiel 42:5
6Fa nifanongoa telo ireo, fa tsy nisy andry tahaka ny andrin’ ny kianja, ka izany no nahakely azy noho ny ao ambany sy ny ao an-tenatenany hatreny an-tany.Select Ezekiel 42:6
7Ary nisy ampiantany teo ivelany, tandrifin’ ny efi-trano, nanatrika ny kianja ivelany, teo anoloan’ ny efi-trano, ka dimam-polo hakiho ny lavany.Select Ezekiel 42:7
8Fa ny lavan’ ireo efi-trano izay teo amin’ ny kianja ivelany dia dimam-polo hakiho; ary, indro, ny teo anoloan’ ny ati-trano lehibe dia zato hakiho.Select Ezekiel 42:8
9Ary teo ambanin’ ireo efi-trano ireo dia nisy fidirana avy eo atsinanana, raha miditra amin’ ireo avy eo amin’ ny kianja ivelany.Select Ezekiel 42:9
10Ary nisy efi-trano koa teo amin’ ny sakan’ ny ampiantanin’ ny kianja teo amin’ ny atsinanana, tandrifin’ ny kianja voatokana sady tandrifin’ ny trano.Select Ezekiel 42:10
11Ary nisy lalana teo anoloany, ary tahaka ny tarehin’ ny efi-trano teo amin’ ny avaratra ny tarehiny, sady mitovy amin’ ny an’ ireo avokoa ny lavany sy ny sakany ary ny fivoahana avy ao aminy mbamin’ ny fombafombany rehetra sy ny varavarany;Select Ezekiel 42:11
12ary tahaka ny varavaran’ ny efi-trano eo amin’ ny atsimo dia nisiana varavarana koa teo amin’ ny fiandohan’ ny lalana, dia ilay lalana eo anoloan’ ny ampiantany mifanolotra aminy, dia ny lalana avy eo amin’ ny atsinanana, raha miditra ao aminy.Select Ezekiel 42:12
13Dia hoy izy tamiko; Ny efi-trano avaratra sy ny efi-trano atsimo, izay eo anoloan’ ny kianja voatokana, dia efi-trano masìna, hihinanan’ ny mpisorona izay manatona an’ i Jehovah ny zavatra masìna indrindra; any no hametrahany izay zavatra masìna indrindra, dia ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana: fa masìna io fitoerana io.Select Ezekiel 42:13
14Raha miditra ao ny mpisorona, dia tsy hiala amin’ ny fitoerana masìna ho any amin’ ny kianja ivelany izy, fa ao no hamelany ny fitafiana masìna izay nentiny nanao fanompoam-pivavahana, satria masìna ireo; ary hitafy fitafiana hafa izy vao manatona ny olona.Select Ezekiel 42:14
15Ary nony vita ny nandrefesany ny trano anatiny, dia nentiny nivoaka nankany amin’ ny vavahady izay manatrika ny atsinanana aho, ka norefesiny ny manodidina.Select Ezekiel 42:15
16Norefesiny tamin’ ny volotara fandrefasana ny lafiny atsinanana, ka indiman-jaton’ ny volotara manodidina, raha amin’ ny volatara fandrefesana.Select Ezekiel 42:16
17Norefesiny koa ny lafiny avaratra, ka indiman-jaton’ ny volotara manodidina, raha amin’ ny volotara fandrefesana.Select Ezekiel 42:17
18Norefesiny koa ny lafiny atsimo, ka indiman-jaton’ ny volotara, raha amin’ ny volotara fandrefesana.Select Ezekiel 42:18
19Nitodika nankany amin’ ny lafiny andrefana izy ka nandrefy indiman-jaton’ ny volotara tamin’ ny volotara fandrefesana.Select Ezekiel 42:19
20Norefesiny avokoa ny lafiny efatra. Nisy ampiantany manodidina, indiman-jaton’ ny volotara ny lavany, ary indiman-jatony koa ny sakany, hampiavaka ny masìna sy ny tsy masìna.Select Ezekiel 42:20
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain