Ezekiel 48
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary izao no anaran’ ny firenena: Hatramin’ ny farany avaratra any amoron-dranomasina amin’ ny lalana mankany Hetlona any akaikin’ i Hamata sy Hazar-enana, fari-tanin’ i Damaskosy eo avaratra, any anilan’ i Hamata; izany no ho lafiny atsinanana sy andrefana; anjara iray ho an’ i Dana.Select Ezekiel 48:1
2Ary mifanolotra amin’ ny fari-tanin’ i Dana hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia iray koa ho an’ i Asera.Select Ezekiel 48:2
3Ary mifanolotra amin’ ny fari-tanin’ i Asera, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia iray koa ho an’ i Naftaly.Select Ezekiel 48:3
4Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ i Naftaly, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ i Manase,Select Ezekiel 48:4
5Ary mifanolotra amin’ ny fari-tanin’ i Manase, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ i Efraima.Select Ezekiel 48:5
6Ary mifanolotra amin’ ny fari-tanin’ i Efraima, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an? i Robena.Select Ezekiel 48:6
7Ary mifanolotra amin’ ny fari-tanin’ i Robena, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ i Joda.Select Ezekiel 48:7
8Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ i Joda, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, no hisian’ ilay tany hatokanareo, indimy arivo amby roa alin’ ny volotara ny sakany, ary ny lavany mitovy amin’ ny anjaran’ ny sasany hatrany atsinanana ka hatrany andrefana; ary ny fitoerana masìna no ho eo afovoany.Select Ezekiel 48:8
9Ny tany izay hatokanareo ho an’ i Jehovah, dia dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany.Select Ezekiel 48:9
10Ary ho an’ ny mpisorona izany tany masìna voatokana izany, dimy arivo amby roa alina ny lavany avaratra, ary iray alina ny sakany andrefana, ary iray alina ny sakany atsinanana, ary dimy arivo amby roa alina ny lavany atsimo; ary ny fitoerana masin’ i Jehovah no ho eo afovoany.Select Ezekiel 48:10
11Ho an’ ny mpisorona izay nohamasinina avy amin’ ny taranak’ i zadota izany, dia ireo nitandrina ny nasaiko notandrenam ka tsy nivily tamin’ ny nivilian’ ny zanak’ Isiraely, tahaka ny nivilian’ ny Levita,Select Ezekiel 48:11
12eny, ho azy izany ho tany halaina amin’ ilay efa voatokana, dia zavatra masìna indrindra, mifanolotra amin’ ny faritanin’ ny Levita.Select Ezekiel 48:12
13Ary ny Levita koa dia hahazo ny mifanolotra amin’ ny fari-tanin’ ny mpisorona, dia dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany, eny, samy dimy arivo amby roa alina ny lavany, sy iray alina ny sakany.Select Ezekiel 48:13
14Ary tsy ho azony hamidy izany, na hatakalo, ary tsy hafindrany ny voaloham-bokatra amin’ ny tany; fa masìna ho an’ i Jehovah izany.Select Ezekiel 48:14
15Ary ny dimy arivo, ilay navela tamin’ ny sakany mifanolotra amin’ ny dimy arivo amby roa alina, dia tsy masìna, fa ho an’ ny tanàna, ho fonenana sy ho tany fiandrasana; ary ny tanàna no ho ao afovoany.Select Ezekiel 48:15
16Ary izao no ohany: Ny avaratra ho dinan-jato amby efatra arivo, ary ny atsimo ho diman-jato amby efatra arivo, ary ny atsinanana ho diman-jato amby efatra arivo, ary ny andrefana ho diman-jato amby efatra arivo.Select Ezekiel 48:16
17Ary ny amin’ ny tany fiandrasana momba ny tanàna, ny eo amin’ ny avaratra dia ho dimam-polo amby roan-jato, ary ny eo amin’ ny atsinanana dia ho dimam-polo amby roan-jato, ary ny eo amin’ ny andrefana dia ho dimam-polo amby roan-jato.Select Ezekiel 48:17
18Ary ny lavany sisa mifanolotra amin’ ny anjara masìna voatokana dia iray alina atsinanana ary iray alina andrefana, ary hifanolotra amin’ ny anjara masìna voatokana izany; ary ny vokany hohanin’ ny mpiasa ao an-tanàna.Select Ezekiel 48:18
19Ary izay mpiasa ao an-tanàna avy amin’ ny firenen’ Isiraely rehetra no hiasa azy.Select Ezekiel 48:19
20Ny tany voatokana rehetra dia dimy arivo amby roa alina sokera; ny ampahefatry ny anjara masìna voatokana dia halainareo ho zara-tany momba ny tanàna.Select Ezekiel 48:20
21Ary ho an’ ny mpanjaka ny sisa an-daniny roa amin’ ny anjara masìna voatokana sy ny zara-tany momba ny tanàna; mifanolotra amin’ ny dimy arivo amby roa alina amin’ ny anjara voatokana hatramin’ ny fari-tany atsinanana, ary mifanolotra amin’ ny dimy arivo amby roa alina hatramin’ ny fari-tany andrefana, mifanolotra amin’ ireo anjaran’ ny sasany, ho an’ ny mpanjaka izany; ary ny anjara masìna voatokana sy ny trano fitoerana masìna no ho eo aforoany.Select Ezekiel 48:21
22Ary hatramin’ ny zara-tanin’ ny Levita sy ny zara-tany momba ny tanàna, sy ao ampovoan’ ny an’ ny mpanjaka, anelanelan’ ny fari-tanin’ i Jada sy Benjamina, dia ho an’ ny mpanjaka izany.Select Ezekiel 48:22
23Ary ny amin’ ny firenena sisa, dia hatramin’ ny lafiny atsinanana ka hatramin’ ny andrefana, dia hisy anjara iray ho an’ i Benjamina.Select Ezekiel 48:23
24Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ i Benjamina, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ i Simeona.Select Ezekiel 48:24
25Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ i Simeona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ Isakara.Select Ezekiel 48:25
26Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ Isakara, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ i Zebolona.Select Ezekiel 48:26
27Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ i Zebolona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an’ i Gada.Select Ezekiel 48:27
28Ary mifanolotra amin’ ny faritanin’ i Gada, amin’ ny lafiny atsimo, dia hatrany Tamara sy ny ranon’ i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin’ ny Ranomasina Lehibe.Select Ezekiel 48:28
29Izany no tany hozarainareo amin’ ny filokana ho an’ ny firenen’ Isiraely ho lovany, ary izany no ho anjarany ary, hoy Jehovah Tompo.Select Ezekiel 48:29
30Ary izao no ohatry ny tanàna amin’ ny lafiny avaratra: diman-jato amby efatra arivo.Select Ezekiel 48:30
31Ary ny anaran’ ny vavahady dia ho toy ny anaran’ ny firenen’ Isiraely: ny vavahady telo avaratra, dia vavahadin’ i Robena ny iray vavahadin’ i Joda ny iray, vavahadin’ i Levy ny iray.Select Ezekiel 48:31
32Ary amin’ ny atsinanana dimanjato amby efatra arivo; ary ny vavahady telo, dia vavahadin’ i Josefa ny iray, vavahadin’ i Benjamina ny iray, ary vavahadin’ i Dana ny iray.Select Ezekiel 48:32
33Ary amin’ ny atsimo diman-jato amby efatra arivo ohatra, ary ny vavahady telo, dia vavahadin’ i Simeona ny iray, vavahadin’ Isakara ny iray, vavahadin’ i Zebolona ny iray.Select Ezekiel 48:33
34Ary amin’ ny andrefana dimanjato amby efatra arivo sy vavahady telo, dia vavahadin’ i Gada ny iray, vavahadin’ i Asera ny iray, vavahadin’ i Naftaly ny iray.Select Ezekiel 48:34
35Valo arivo amby iray alina ny manodidina. Ary ny anaran’ ny tanàna hatramin’ izay andro izay dia Jehovah no ao.Select Ezekiel 48:35
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain