Skip to content
Church.wiki
Esther

Esther 9

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany), rehefa akaiky ny andro hanatanterahana ny tenin’ ny mpanjaka sy ny didiny, dia ny andro izay efa nantenain’ ny fahavalon’ ny Jiosy haharesena azy indrindra (kanjo navadika izany, ka ny Jiosy kosa no naharesy izay nankahala azy),Select Esther 9:1

2dia nivory tany an-tanànany avy ny Jiosy, tany amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakan’ i Ahasoerosy mpanjaka, mba hamely izay nividy hanisy ratsy azy; ary tsy nisy olona nahajanona teo anoloany, fa efa nahazo ny olona rehetra ny fahatahorana azy.Select Esther 9:2

3Ary ny mpanapaka rehetra isan-tokony tamin’ ny fanjakana sy ny solo-mpanjaka sy ny governora mbamin’ ny mpanao raharahan’ ny mpanjaka dia nanampy ny Jiosy, satria azon’ ny fahatahorana an’ i Mordekay izy.Select Esther 9:3

4Fa Mordekay dia lehibe tao an-tranon’ ny mpanjaka, ary ny lazany niely tany amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakana; fa nitombo sy nisandratra ihany io lehilahy Mordekay io.Select Esther 9:4

5Ary nasian’ ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany, fa nahazo nanao araka izay sitraky ny fony tamin’ izay nankahala azy izy.Select Esther 9:5

6Ary tany Sosana renivohitra aza ny Jiosy dia nahavono sy naharingana diman-jato lahy;Select Esther 9:6

7ary Parsandata sy Dalfona sy AspataSelect Esther 9:7

8sy Porata sy Adalia sy AridataSelect Esther 9:8

9sy Parmasta sy Arisay sy Ariday ary Vaizata,Select Esther 9:9

10izy folo lahy, zanak’ i Hamana, zanak’ i Hamedota, fahavalon’ ny Jiosy, dia novonoiny koa; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.Select Esther 9:10

11Androtrizay ihany dia nambara tamin’ ny mpanjaka ny isan’ ny voavono tany Sosana renivohitra.Select Esther 9:11

12Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka: Teto Sosana renivohitra aza ny Jiosy efa nahavono sy naharingana diman-jato lahy mbamin’ izy folo lahy, zanak’ i Hamana; koa nanao ahoana kosa no nataony tamin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakan’ ny mpanjaka! Dia inona koa no angatahinao? Fa hatao izany. Ary inona no mbola tadiavinao? Fa homena izany.Select Esther 9:12

13Dia hoy Estera: Raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka ny Jiosy izay eto Sesana havela hanao toy ny natao androany ihany koa rahampitso, ary aoka hahantona amin’ ny hazo koa izy folo lahy, zanak’ i Hamana.Select Esther 9:13

14Dia nasain’ ny mpanjaka natao izany; ary nantsoina tany Sosana ny teny, ka dia nahantona izy folo lahy, zanak’ i Hamana.Select Esther 9:14

15Dia nivory indray ny Jiosy izay tany Sosana tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana Adara ka namono olona telon-jato lahy tany Sosana; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.Select Esther 9:15

16Ary ny Jiosy sasany isan-tokony tamin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka dia nivory hiaro ny ainy, ka afaka tamin’ ny fahavalony izy, ary dimy arivo amby fito alina no matiny (kanefa ny fananany tsy mba norobainy)Select Esther 9:16

17tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana Adara; ary nitsahatra izy tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo, ka nataony ho andro fanasana sy firavoravoana izany.Select Esther 9:17

18Fa ny Jiosy izay tany Sosana kosa nivory tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ io ihany sy tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo koa; ary nitsahatra tamin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo izy, ka dia io no nataony andro fanasana sy firavoravoana.Select Esther 9:18

19Koa noho izany ny Jiosy tany ambanivohitra, izay nitoetra tamin’ ny vohitra madinika, dia nanao ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana Adara ho firavoravoana sy fanasana sy andro mahafaly ary fifanateran-javatra.Select Esther 9:19

20Ary Mordekay nanoratra ny amin’ izany zavatra izany sady nampitondra taratasy ho any amin’ ny Jiosy rehetra izay tany amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakan’ i Ahasoerosy mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra,Select Esther 9:20

21mba hampitandrina azy ny andro fahefatra ambin’ ny folo sy ny fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana Adara isan-taona,Select Esther 9:21

22dia araka ny andro nahafahan’ ny Jiosy tamin’ ny fahavalony, sy ny volana izay nampodiana ny alahelony ho fifaliana ary ny fitomaniany ho andro mahafaly, mba hatao ho andro fanasana sy fifaliana sy fifanateran-javatra ary fanomezan-javatra ho an’ ny mahantra izany.Select Esther 9:22

23Ary ny Jiosy nanaiky hanao araka izay vao nataony, dia araka izay efa nosoratan’ i Mordekay taminy,Select Esther 9:23

24satria Hamana, zanak’ i Hamedota Agagita, fahavalon’ ny Jiosy rehetra, efa nihevitra handringana ny Jiosy ka efa nanao pora (filokana izany) handreseny sy handringanany azy;Select Esther 9:24

25fa raha nankeo anatrehan’ ny mpanjaka izany, dia nampanoratra taratasy handidy mba hatsingerina ho eo amin’ ny lohany ihany ny hevi-dratsy nokasain’ i Hamana hatao amin’ ny Jiosy, ary mba hahantona amin’ ny hazo izy sy ny zananilahy.Select Esther 9:25

26Izany no nanaovana ireo andro ireo hoe Porima, dia araka ny anarana hoe Pora. Ary araka ny teny rehetra tamin’ izany taratasy izany sy izay hitany ny amin’ izany zavatra efa nanjo azy izanySelect Esther 9:26

27dia nanao lalàna tsy azo ovana ny Jiosy ka nanaiky fa izy sy ny taranany ary izay rehetra miray aminy dia hitandrina izany andro roa izany araka ny voasoratra sy araka ny fotoany isan-taona;Select Esther 9:27

28ary mba hotsarovana sy hotandremana ireo andro ireo amin’ ny taranany rehetra sy ny fokony rehetra sy ny isan-tokony eran’ ny fanjakana rehetra sy amin’ ny isan-tanàna; ary mba tsy ho tapaka amin’ ny Jiosy ireo andro Porima ireo, ka tsy hitsahatra ny fahatsiarovana izany amin’ ny taranany.Select Esther 9:28

29Ary Estera, vadin’ ny mpanjaka, sady zanakavavin’ i Abihaila sy Mordekay Jiosy, dia nanoratra tamin’ ny fahefana rehetra hanamafy izany taratasy faharoa milaza ny Porima izany.Select Esther 9:29

30Ary nampitondra taratasy ho any amin’ ny Jiosy rehetra izy dia ho any amin’ ny toko fito amby roa-polo amby zato amin’ ny fanjakan’ i Ahasoerosy, manao teny fiadanana sy fahamarinana,Select Esther 9:30

31mba hampitandrina azy Ireo andro Porima ireo amin’ ny fotoany, araka izay nandidian’ i Mordekay Jiosy sy Estera, vadin’ ny mpanjaka, azy sy araka izay efa nekeny ho an’ ny tenany sy ny taranany koa ny amin’ ny fifadian-kaniny sy ny fitarainany.Select Esther 9:31

32Ary ny tenin’ i Estera dia nanamafy izany teny milaza ny Porima izany; ary voasoratra tao amin’ ny boky izany.Select Esther 9:32

Next: Esther 10Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Esther

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.