Skip to content
Church.wiki
Ezra

Ezra 10

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary raha mbola nivavaka sy nitsotra Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan’ ny tranon’ Andriamanitra, dia nivory teo aminy ny olona maro be avy tamin’ ny Isiraely, na lehilahy, na vehivavy mbamin’ ny ankizy madinika; fa nitomany mafy dia mafy koa ny olona.Select Ezra 10:1

2Dia namaly Sekania, zanak’ i Jehiela, isan’ ny taranak’ i Elama, ka nanao tamin’ i Ezra hoe: Izahay efa nanao izay mahadiso amin’ Andriamanitsika, fa efa naka vehivavy hafa firenena avy tamin’ ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an’ ny Isiraely ny amin’ izany zavatra izany.Select Ezra 10:2

3Koa aoka izahay hanao fanekena amin’ Andriamanitsika hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy izay mangovitra noho ny didin’ Andriamanitsika; ary aoka hatao araka ny lalàna izany.Select Ezra 10:3

4Mitsangàna, fa adidinao izany; ary indreto koa izahay eto aminao; dia matokia tsara, ka ataovy izany.Select Ezra 10:4

5Dia nitsangana Ezra ka nampianiana ny lohan’ ny mpisorona sy ny Levita ary ny Isiraely rehetra hanao araka izany teny izany; dia nianiana ireo.Select Ezra 10:5

6Dia nitsangana niala teo anoloan’ ny tranon’ Andriamanitra Ezra ka nankany amin’ ny efi-trano nitoeran’ i Johanana, zanak’ i Eliasiba; ary nony tafiditra tao izy, dia tsy mba nihinan-kanina na nisotro rano, fa nalahelo izy noho ny fahadisoan’ ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana.Select Ezra 10:6

7Dia nandefa teny eran’ i Joda sy Jerosalema ireo ho any amin’ ny olona rehetra izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana mba hivory any Jerosalema;Select Ezra 10:7

8ary na iza na iza no tsy tonga amin’ ny hateloana araka ny tenin’ ny mpanapaka sy ny loholona, dia horobaina ny fananany rehetra, ary hesorina amin’ ny fiangonan’ ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana izy.Select Ezra 10:8

9Ary nony tamin’ ny andro fahatelo dia vory tany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin’ ny Joda sy ny Benjamina, dia tamin’ ny andro faharoa-polo tamin’ ny volana fahasivy; ary nipetraka teo an-kalalahana akaikin’ ny tranon’ Andriamanitra ny olona rehetra ka nangovitra noho izany zavatra izany sy noho ny ranonorana be.Select Ezra 10:9

10Dia nitsangana Ezra mpisorona ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nanao izay mahadiso, satria naka vehivavy hafa firenena ho vadinareo ka nampitombo ny fahadisoan’ ny Isiraely.Select Ezra 10:10

11Koa mitsora amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ka ataovy ny sitrapony; ary misaraha amin’ ny olona tompon-tany sy ny vehivavy hafa firenena.Select Ezra 10:11

12Dia namaly ny fiangonana rehetra ka niredona mafy hoe: Izay lazainao dia tsy maintsy hataonay;Select Ezra 10:12

13nefa maro ny olona, ary fahavaratra ny andro, ka tsy mahatoetra etỳ ala-trano izahay, sady raharaha tsy vita indray andro na indroa andro aza izao, fa maro izahay no efa nanota tamin’ izany zavatra izany;Select Ezra 10:13

14koa aoka ny mpanapaka anay no hitoetra eto ho solon’ ny fiangonana rehetra, ary ny olona rehetra any amin’ ny tanànantsika avy izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny no aoka hankatỳ amin’ izay fotoan’ andro hatao, ary hiaraka aminy koa ny loholony isan-tanàna sy ny mpitsara ao, mandra-pahavitan’ izany raharaha izany sy ny hialan’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ Andriamanitsika amintsika.Select Ezra 10:14

15Jonatana, zanak’ i Asahela, sy Jahaza, zanak’ i Tikva, ihany no nanohitra izany; ary Mesolama sy Sabetahy Levita niandany taminy koa.Select Ezra 10:15

16Fa ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana kosa dia nanaraka izany; ary voatokana Ezra mpisorona sy ny sasany amin’ ny lohan’ ny fianakaviana, araka ny fianakaviany avy, sady samy efa notononina anarana, dia nipetraka handinika Izany raharaha izany tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahafolo.Select Ezra 10:16

17Ary nony tonga ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany dia vitany ny raharaha ny amin’ ny lehilahy rehetra Izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny.Select Ezra 10:17

18Ary ny hita teo amin’ ny taranaky ny mpisorona izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny dia izao: Ny teo amin’ ny taranak’ i Jesoa, zanak’ i Jozadaka, sy ny rahalahiny dia Mahaseia sy Eliezera sy Jariba ary Gedalia;Select Ezra 10:18

19dia nanola-tanana nanaiky hisaotra ny vadiny izy ireo sy handoa ondriny iray avy ho fanati-panonerany.Select Ezra 10:19

20Ary ny avy tamin’ ny taranak’ Imera dia Hanany sy Zebedia;Select Ezra 10:20

21ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Harima dia Mahaseia sy Elia sy Semaia sy Jehiela ary Ozia;Select Ezra 10:21

22ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Pasora dia Elioenay sy Mahaseia sy Isimaela sy Netanela sy Jozabada ary Elasa.Select Ezra 10:22

23Ary ny avy tamin’ ny Levita dia Jozabada sy Simey sy Kelaia (Kelita izany) sy Petahia sy Joda ary Eliezera:Select Ezra 10:23

24ary ny avy tamin’ ny mpihira dia Eliasiba; ary ny avy tamin’ ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Talema ary Ory.Select Ezra 10:24

25Ary ny avy tamin’ ny Isiraely koa: ny avy tamin’ ny taranak’ i Parosy dia Ramia sy Jizia sy Malkia sy Miamina sy Eleazara sy Malkia ary Benaia;Select Ezra 10:25

26ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Elema dia Matania sy Zakaria sy Jehiela sy Abdia sy Jeremota ary Elia;Select Ezra 10:26

27ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Zato dia Elioenay sy Eliasiba sy Matania sy Jeremota sy Zabada ary Aziza;Select Ezra 10:27

28ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Bebay dia Johanana sy Hanania sy Zabay sy Atlay;Select Ezra 10:28

29ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Bany dia Mesolama sy Maloka sy Adaia sy Jasoba sy Seala ary Ramota;Select Ezra 10:29

30ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Pahata-moaba dia Adna sy Kelala sy Benaia sy Mahaseia sy Matania sy Bezalila sy Binoy ary Manase;Select Ezra 10:30

31ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Harima dia Eliezera sy Jisia sy Malkia sy Semaia sy SimeonaSelect Ezra 10:31

32sy Benjamina sy Maloka ary Semaria;Select Ezra 10:32

33ny avy tamin’ ny taranak’ i Hasoma dia Matenay sy Matata sy Zabada sy Elifeleta sy Jeremay sy Manase ary Simey;Select Ezra 10:33

34ny avy tamin’ ny taranak’ i Bany dia Maday sy Amrama sy OelaSelect Ezra 10:34

35sy Benaia sy Bedeia sy KelohoSelect Ezra 10:35

36sy Vania sy Meremota sy EliasibaSelect Ezra 10:36

37sy Matania sy Matenay sy JasaoSelect Ezra 10:37

38sy Bany sy Binoy sy SimeySelect Ezra 10:38

39sy Selemia sy Natana sy AdaiaSelect Ezra 10:39

40sy Maknadebay sy Sasay sy SaraySelect Ezra 10:40

41sy Azarela sy Selemia sy SemariaSelect Ezra 10:41

42sy Saloma sy Amaria ary Josefa;Select Ezra 10:42

43ny avy tamin’ ny taranak’ i Nebo dia Jeiela sy Matitia sy Zabada sy Zebina sy Jadao sy Joela ary Benaia.Select Ezra 10:43

44Ireny rehetra ireny no samy efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny avokoa, sady efa niteraka ny vehivavy sasany tamin’ irenySelect Ezra 10:44

Next: Nehemiah 1Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Ezra

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.