Skip to content
Church.wiki
Joshua

Joshua 1

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary rehefa maty Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa, zanak’ i Nona, mpanompon’ i Mosesy:Select Joshua 1:1

2Efa maty Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna, mità ity Jordana ity ianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin’ ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak’ Isiraely.Select Joshua 1:2

3Ny tany rehetra izay hodiavin’ ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin’ i Mosesy.Select Joshua 1:3

4Hatramin’ ny efitra sy iry Libanona iry ary hatramin’ ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an’ ny Hetita, ka hatramin’ ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo.Select Joshua 1:4

5Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin’ ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an’ i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho.Select Joshua 1:5

6Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin’ ny razany homena azy.Select Joshua 1:6

7Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay nandidian’ i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, mba hambinina ianao amin’ izay rehetra alehanao.Select Joshua 1:7

8Aoka tsy hiala amin’ ny vavanao ity bokin’ ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman’ alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’ izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina.Select Joshua 1:8

9Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’ izay rehetra alehanao.Select Joshua 1:9

10Ary Josoa nandidy ny mpifehy ka nanao hoe:Select Joshua 1:10

11Andeha mamaky ny toby, ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo; fa raha afaka hateloana, dia hita ity Jordana ity ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrareo ho lovanareo.Select Joshua 1:11

12Ary ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia nilazan’ i Josoa hoe:Select Joshua 1:12

13Tsarovy ny teny izay nandidian’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, anareo hoe: Jehovah Andriamanitrareo manome fitsaharana ho anareo, ary homeny ho anareo izao tany izao.Select Joshua 1:13

14Ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo dia hitoetra eo amin’ ny tany izay nomen’ i Mosesy anareo etỳ an-dafin’ i Jordana; fa ianareo lehilahy mahery rehetra dia samy ho voaomana hiady ka hita eo alohan’ ny rahalahinareo hanampy azy,Select Joshua 1:14

15mandra-panomen’ i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka anareo, ka mba holovany kosa ny tany izay nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo azy; dia hiverina ho any amin’ ny taninareo ianareo ka handova azy, dia ilay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, anareo etỳ an-dafy atsinanan’ i Jordana.Select Joshua 1:15

16Dia namaly an’ i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Izay rehetra andidianao anay dia hataonay; ary izay rehetra anirahanao anay dia halehanay.Select Joshua 1:16

17Araka ny nihainoanay an’ i Mosesy tamin’ ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa; homba anao anie Jehovah Andriamanitrao tahaka ny nombany an’ i Mosesy.Select Joshua 1:17

18Izay rehetra mandà ny didinao ka tsy mihaino ny teninao amin’ izay rehetra andidianao azy dia hatao maty; koa mahereza sy matanjaha ianao.Select Joshua 1:18

Next: Joshua 2Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Joshua

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.