Skip to content
Church.wiki
Joshua

Joshua 12

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary izao no mpanjakan’ ny tany izay resin’ ny Zanak’ Isiraely, ka lasany ny taniny, teny an-dafy atsinanan’ i Jordana hatramin’ ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin’ ny tendrombohitra Hermona sy ny ilany atsinanan’ ny tani-haySelect Joshua 12:1

2Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nonina tany Hesbona ka nanjaka hatrany Aroera, eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatreo afovoan’ ny lohasaha sy ny antsasak’ i Gileada, dia hatramin’ ny lohasahan-driaka Jaboka, fari-tanin’ ny taranak’ i Amona,Select Joshua 12:2

3ary ny ilany atsinanan’ ny tani-hay hatramin’ ny Ranomasina Kinerota ka hatramin’ ny ranomasina amin’ ny tani-hay, dia ny Ranomasintsira, amin’ ny lalana mankany Beti-jesimota, ary hatramin’ ny tany atsimo eo am-bodin’ i Pisga.Select Joshua 12:3

4Ary azony koa ny tanin’ i Oga, mpanjakan’ i Basana, isan’ ny Refaïta sisa, izay nitoetra tany Astarta sy Edrehy,Select Joshua 12:4

5sy nanjaka tany an-tendrombohitra Hermona sy tany Saleka ary tany Basana rehetra hatramin’ ny fari-tanin’ ny Gesorita sy ny Makatita ary ny antsasak’ i Gileada, fari-tanin’ i Sihona, mpanjakan’ i Hesbona.Select Joshua 12:5

6Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, sy ny Zanak’ Isiraely no nandresy ireo; ary ny taniny nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, ho lovan’ ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase.Select Joshua 12:6

7Ary izao no mpanjakan’ ny tany izay resin’ i Josoa sy ny Zanak’ Isiraely tany an-dafy andrefan’ i Jordana, hatrany Bala-gada, eo an-dohasahan’ i Libanona, ka hatramin’ ny tendrombohitra mangadihady izay fiakarana ho any Seïra, ka ny taniny nomen’ i Josoa ny firenen’ ny Isiraely araka ny fizarany,Select Joshua 12:7

8dia ny any amin’ ny tany havoana sy amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka sy amin’ ny tani-hay sy amin’ ny tany am-bodin’ ny tendrombohitra sy any an-efitra ary any amin’ ny tany atsimo, dia ny an’ ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita:Select Joshua 12:8

9Ny mpanjakan’ i Jeriko, iray; ny mpanjakan’ i Ay, izay eo anilan’ i Betela, iray;Select Joshua 12:9

10ny mpanjakan’ i Jerosalema, iray; ny mpanjakan’ i Hebrona, iray;Select Joshua 12:10

11ny mpanjakan’ i Jarmota, iray; ny mpanjakan’ i Lakisy, iray;Select Joshua 12:11

12ny mpanjakan’ i Eglona, iray; ny mpanjakan’ i Gazera, iray;Select Joshua 12:12

13ny mpanjakan’ i Debira, iray; ny mpanjakan’ i Gadera, iray;Select Joshua 12:13

14ny mpanjakan’ i Horma, iray; ny mpanjakan’ i Arada, iray;Select Joshua 12:14

15ny mpanjakan’ i Libna, iray; ny mpanjakan’ i Adolama, iray;Select Joshua 12:15

16ny mpanjakan’ i Makeda, iray; ny mpanjakan’ i Betela, iray;Select Joshua 12:16

17ny mpanjakan’ i Tapoa, iray; ny mpanjakan’ i Hefera, iray;Select Joshua 12:17

18ny mpanjakan’ i Afeka, iray; ny mpanjakan’ i Lasarona, iray;Select Joshua 12:18

19ny mpanjakan’ i Madona, iray; ny mpanjakan’ i Hazora, iray;Select Joshua 12:19

20ny mpanjakan’ i Simrona-merona, iray; ny mpanjakan’ i Aksafa, iray;Select Joshua 12:20

21ny mpanjakan’ i Tanaka, iray; ny mpanjakan’ i Megido, iray;Select Joshua 12:21

22ny mpanjakan’ i Kadesy, iray; ny mpanjakan’ i Jokneama any Karmela, iray;Select Joshua 12:22

23ny mpanjakan’ i Dora eo amin’ ny havoan’ i Dora, iray; ny mpanjakan’ ny firenen-tsamy hafa any Gilgala, iray;Select Joshua 12:23

24ny mpanjakan’ i Tirza, iray. Iraika amby telo-polo no isan’ ny mpanjaka rehetra.Select Joshua 12:24

Next: Joshua 13Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Joshua

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.