Skip to content
Church.wiki
Joshua

Joshua 14

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary izao no nolovan’ ny Zanak’ Isiraely teo amin’ ny tany Kanana, izay nampandovain’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny loholon’ ny firenen’ i Zanak’ Isiraely;Select Joshua 14:1

2tamin’ ny filokana no nahazoany ny lovany, araka izay efa nandidian i Jehovah an’ i Mosesy ny amin’ ny firenena sivy sy sasany.Select Joshua 14:2

3Fa efa nomen’ i Mosesy lova tany an-dafin’ i Jordana ny firenena roa sy sasany; fa ny taranak’ i Levy tsy mba nomeny lova teo aminy.Select Joshua 14:3

4Fa firenena roa ny taranak’ i Josefa, dia Manase sy Efraima; ary tsy mba nomeny anjara teo amin’ ny tany ny taranak’ i Levy, afa-tsy ny tanàna honenany sy ny tany manodidina ny tanànany ho an’ ny omby aman’ ondriny sy ny fananany.Select Joshua 14:4

5Araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nataon’ ny Zanak’ Isiraely, ka dia nizara ny tany izy.Select Joshua 14:5

6Dia nankany amin’ i Josoa tany Gilgala ny taranak’ i Joda; ary Kaleba, zanak’ i Jefone, Kenizita, nanao taminy hoe: Fantatrao ny teny izay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra, ny amiko sy ianao tany Kadesi-barnea.Select Joshua 14:6

7Efa-polo taona no andro niainako, fony aho nirahin’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, niala tany Kadesi-barnea hisafo ny tany; dia niverina aho nitondra teny taminy araka izay tao am-poko.Select Joshua 14:7

8Kanefa ireo rahalahiko izay niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon’ ny olona; fa izaho kosa dia tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah Andriamanitrao.Select Joshua 14:8

9Dia nianiana tamin’ izany andro izany Mosesy ka nanao hoe: Ny tany izay nodiavin’ ny tongotrao dia ho lovanao sy ny taranakao tokoa mandrakizay, satria tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah Andriamanitro ianao.Select Joshua 14:9

10Ary ankehitriny indro, efa namelona ahy Jehovah, araka izay nolazainy hatramin’ ny dimy amby efa-polo taona lasa izay, dia hatramin’ ny nilazan’ i Jehovah izany teny izany tamin’ i Mosesy no ho mankaty, raha mbola nandehandeha tany an-efitra ny Isiraely; ary ankehitriny, indro, efa dimy amby valo-polo taona aho izao.Select Joshua 14:10

11Nefa mbola matanjaka ihany aho izao tahaka ny tamin’ ny andro nanirahan’ i Mosesy ahy: tahaka ny tanjako tamin’ izany ihany no mbola tanjako ankehitriny mba hiady, na hivoaka, na hiditra.Select Joshua 14:11

12Ary ankehitriny omeo ahy iry tendrombohitra iry, izay nolazain’ i Jehovah tamin’ izany andro izany; fa efa renao tamin’ izany andro izany fa nitoetra teo ny Anakita, sady nisy tanàna lehibe mimanda; angamba homba ahy Jehovah, dia haharoaka azy aho, araka izay nolazain’ i Jehovah.Select Joshua 14:12

13Dia nitso-drano azy Josoa ka nanome an’ i Hebrona ho lovan’ i Kaleba, zanak’ i Jefone.Select Joshua 14:13

14Izany no nahatongavan’ i Hebrona ho lovan’ i Kaleba, zanak’ i Jefone, Kenizita, mandraka androany satria tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy.Select Joshua 14:14

15Ary tanànan’ Arba no anaran’ i Hebrona taloha; ilay lehilahy vaventy tamin’ ny Anakita izany Arba izany. Dia nandry ny tany ka tsy nisy ady intsony.Select Joshua 14:15

Next: Joshua 15Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Joshua

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.