Joshua 15
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary izao no anjaran’ ny firenena taranak’ i Joda tamin’ ny filokana araka ny fokony: hatramin’ ny fari-tanin’ i Edoma dia ny efitra Zina atsimo, izay faran’ ny faritany atsimo.Select Joshua 15:1
2Ary ny fari-taniny atsimo dia hatramin’ ny faran’ ny Ranomasin-tsira, dia hatramin’ ny helo-drano atsimo,Select Joshua 15:2
3dia nandroso hatrany atsimon’ ny fiakarana Akrabima, dia nandroso hatrany Zina, dia niakatra any atsimon’ i Kadesi-barnea ka nandroso hatrany Hezrona dia niakatra any Adara ary niolaka hatrany Karka,Select Joshua 15:3
4dia nandroso hatrany Azmona ka nahazo ny lohasahan-driak’ i Egypta, ary dia nihatra tamin’ ny ranomasina; izany no ho fari-taninareo atsimo.Select Joshua 15:4
5Ary ny fari-tany atsinanana dia ny Ranomasin-tsira hatramin’ ny faran’ i Jordana. Ary ny fari-taniny tamin’ ny lafiny avaratra dia hatramin’ ny helo-drano eo amin’ ny faran’ i Jordana,Select Joshua 15:5
6dia niakatra hatrany Beti-hogla ka nandroso any avaratr’ i Bet-araba, dia niakatra hatramin’ ny vaton’ i Bohana, zanak’ i Robena,Select Joshua 15:6
7dia niakatra ho any Debira hatramin’ ny lohasaha Akora ary nianavaratra manandrify an’ i Gilgala tandrifin’ ny fiakarana Adomina, izay eo atsimon’ ny lohasahan-driaka, dia nandroso hatramin’ ny rano Ensemesy ary nihatra tany En-rogela,Select Joshua 15:7
8dia niakatra teo amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, ho eo anilany atsimon’ ny Jebosita (Jerosalema izany), dia niakatra hatramin’ ny tampon’ ny tendrombohitra, izay manandrify ny lohasahan’ i Hinoma eo andrefany, amin’ ny farany avaratry ny Lohasahan’ ny Refaïta,Select Joshua 15:8
9dia nizotra hatramin’ ny tampon’ ny tendrombohitra ka nihatra tamin’ ny loharano Neftoa, dia nahazo ny tanàna tao an-tendrombohitra Efrona, dia nizotra hatrany Bala (Kiriata-jearima izany),Select Joshua 15:9
10dia niolaka hatrany Bala andrefana ka hatramin’ ny tendrombohitra Seïra ka nandroso hatramin’ ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jearima (Kesalona izany), dia nidina hatrany Beti-semesy ka nandroso hatrany Timna.Select Joshua 15:10
11dia nihatra tamin’ ny lafiny avaratr’ i Ekrona, dia nizotra hatrany Sikerona ka nandroso hatramin’ ny tendrombohitra Bala, dia nihatra tamin’ i Jabniela, ary dia nihatra tany amin’ ny ranomasina.Select Joshua 15:11
12Ary ny fari-tany andrefana dia ny moron’ ny Ranomasina Lehibe. Izany no fari-tany manodidina ny anjaran’ ny taranak’ i Joda araka ny fokony.Select Joshua 15:12
13Ary Kaleba, zanak’ i Jefone, dia nomeny anjara teo amin’ ny taranak’ i Joda, araka ny didin’ i Jehovah tamin’ i Josoa, dia ny tanànan’ i Arba, rain’ i Anàka (Hebrona izany).Select Joshua 15:13
14Dia noroahin’ i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita, dia Sesay sy Ahimana ary Talmay.Select Joshua 15:14
15Dia niakatra avy tao izy hankany amin’ ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran’ i Debira taloha).Select Joshua 15:15
16Ary hoy Kaleba: Izay mamely an’ i Kiriata-sefera ka mahafaka azy, dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny.Select Joshua 15:16
17Ary Otniela, zanak’ i Kenaza, rahalahin’ i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny.Select Joshua 15:17
18Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin’ ny borikiny ravehivavy, ka hoy Kaleba taminy: Inona no ilainao?Select Joshua 15:18
19Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tsy tany misy rano no efa nomenao ahy, ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomeny azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.Select Joshua 15:19
20Izao no lovan’ ny firenena taranak’ i Joda araka ny fokony:Select Joshua 15:20
21Ny tanàna farany amin’ ny firenena taranak’ i Joda, eo akaikin’ ny fari-tanin’ i Edoma amin’ ny tany atsimo, dia Kabzela sy Edera sy JagoraSelect Joshua 15:21
22sy Kina sy Dimona sy AdadaSelect Joshua 15:22
23sy Kadesy sy Hazora sy ItnanaSelect Joshua 15:23
24sy Zifa sy Talema sy BealotaSelect Joshua 15:24
25sy Hazora-hadata sy Keriota-hezrona (Hazora izany),Select Joshua 15:25
26sy Amama sy Sema sy MoladaSelect Joshua 15:26
27sy Hazara-gada sy Hesmona sy Beti-paletaSelect Joshua 15:27
28sy Hazara-soala sy Beri-sheba sy BiziotiaSelect Joshua 15:28
29sy Bala sy Ie sy AzemaSelect Joshua 15:29
30sy Eltolada sy Kesila sy HormaSelect Joshua 15:30
31sy Ziklaga sy Madmana sy SansanaSelect Joshua 15:31
32sy Lebaota sy Silima sy Aina sy Rimona; sivy amby roa-polo ny tanàna rehetra sy ny zana-bohiny.Select Joshua 15:32
33Ary teo amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Estaola sy Zora sy AsnaSelect Joshua 15:33
34sy Zanoa sy En-ganima sy Tapoa sy EnamaSelect Joshua 15:34
35sy Jarmota sy Adolama sy Soko sy AzekaSelect Joshua 15:35
36sy Saraima sy Aditaima sy Gadera sy Gederotaima: tanàna efatra ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;Select Joshua 15:36
37ary Zenana sy Hadasa sy Migdala-gadaSelect Joshua 15:37
38sy Dilana sy Mizpa ary JoktelaSelect Joshua 15:38
39sy Lakisy sy Bozkata sy EglonaSelect Joshua 15:39
40sy Kabona sy Lamasa sy KitlisaSelect Joshua 15:40
41sy Gederota sy Beti-dagona sy Nama sy Makeda: tanàna enina ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;Select Joshua 15:41
42Libna sy Atera sy AsanaSelect Joshua 15:42
43sy Jifta sy Asna ary NezibaSelect Joshua 15:43
44sy Keila sy Akziba ary Maresa: tanàna Sivy sy ny zana-bohiny;Select Joshua 15:44
45Ekrona sy ny tanànany ary ny zana-bohiny;Select Joshua 15:45
46hatrany Ekrona no ho miankandrefana, dia izay rehetra akaiky an’ i Asdoda, sy ny zana-bohitr’ ireo,Select Joshua 15:46
47Asdoda sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, Gaza sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta sy ny amoron’ ny Ranomasina Lehibe.Select Joshua 15:47
48Ary tany amin’ ny tany havoana dia Samira sy Jatira sy SokoSelect Joshua 15:48
49sy Dana sy Ririata-sana (Debira izany)Select Joshua 15:49
50sy Anaba sy Estemo sy AnimaSelect Joshua 15:50
51sy Gosena sy Holona sy Gilo: tanàna iraika ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;Select Joshua 15:51
52Araba sy Doma sy EsanaSelect Joshua 15:52
53sy Janoma sy Beti-tapoa sy AfekaSelect Joshua 15:53
54sy Honta sy Kiriat-arba (Hebrona izany) ary Ziora: tanàna sivy sy ny zana-bohiny;Select Joshua 15:54
55Maona sy Karmela sy Zifa sy JotaSelect Joshua 15:55
56sy Jezirela sy Jokdeama sy ZanoaSelect Joshua 15:56
57sy Kaina sy Gibea sy Timna: tanana folo sy ny zana-bohiny;Select Joshua 15:57
58sy Halola sy Beti-zora sy GedoraSelect Joshua 15:58
59sy Marata sy Bet-anota sy Eltekona: tanàna enina sy ny zana-bohiny;Select Joshua 15:59
60sy Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany) sy Raba; tanàna roa sy ny zana-bohiny.Select Joshua 15:60
61Tany an-efitra dia Bet-araba sy Midìna sy SekakaSelect Joshua 15:61
62sy Nibsana sy ilay Tanànantsira ary En-jedy: tanàna enina sy ny zana-bohiny.Select Joshua 15:62
63Ary ny amin’ ny Jebosita, mponina any Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak’ i Joda; fa miara-monina amin’ ny taranak’ i Joda any Jerosalema mandraka androany izy ireny.Select Joshua 15:63
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation