Joshua 16
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary ny faritry ny tany azon’ ny taranak’ i Josefa tamin’ ny filokana dia hatrany Jordana tandrifin’ i Jeriko, dia tao amin’ ny ranon’ i Jeriko atsinanana, ka hatramin’ ny efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamaky ny tany havoan’ i Betela,Select Joshua 16:1
2dia hatrany Betela ka hatrany Lozy, ka nandroso hatramin’ ny fari-tanin’ ny Arkita hatrany Atarota,Select Joshua 16:2
3dia nidina niankandrefana nahazo ny tanin’ ny Jafletita ka hatramin’ ny fari-tanin’ i Bedhorona ambany sy Gazera ka dia nihatra tamin’ ny ranomasina.Select Joshua 16:3
4Dia azon’ i Manase sy Efraima, taranak’ i Josefa, ny lovany.Select Joshua 16:4
5Ary ny amin’ ny fari-tanin’ ny taranak’ i Efraima araka ny fokony, ny fari-taniny atsinanana amin’ ny lovany dia hatrany Atarot-adara ka hatrany Beti-horona ambony.Select Joshua 16:5
6Ary ny fari-taniny dia nandroso niankandrefana hatrany avaratr’ i Mikmeta, dia niolaka niantsinanana hatrany Tanata-silo ka nihoatra eo atsinanany hatrany Janoha,Select Joshua 16:6
7dia nidina hatrany Janoha ka hatrany Atarota sy Narata, dia nipaka tamin’ i Jeriko ary dia nihatra tany Jordana.Select Joshua 16:7
8Ary hatrany Tapoa dia niankandrefana ny fari-tany hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Kana, ka dia nihatra tamin’ ny ranomasina. Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Efraima araka ny fokony,Select Joshua 16:8
9mbamin’ ny tanàna natokana ho an’ ny taranak’ i Efraima teo amin’ ny lovan’ ny taranak’ i Manase koa, dia ny tanàna rehetra mbamin’ ny zana-bohiny.Select Joshua 16:9
10Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gazera izy; fa monina eo amin’ i Efraima ny Kananita mandraka androany ka ampanaovina fanompoana.Select Joshua 16:10
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation