Skip to content
Church.wiki
Joshua

Joshua 18

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Dia nivory tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nanangana ny trano-lay fihaonana tao. Ary ny tany dia resy teo anoloany.Select Joshua 18:1

2Ary nisy firenena fito tamin’ ny Zanak’ Isiraely tsy mbola nahazo ny lovany.Select Joshua 18:2

3Dia hoy Josoa tamin’ ny Zanak’ Isiraely: Mandra-pahoviana no hiahotrahoranareo tsy hiditra handova ny tany, izay omen’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo?Select Joshua 18:3

4Mandoava telo lahy avy isam-pirenena, dia haniraka azy aho, ary hiainga izy ka handeha hitety ny tany ka hanoratra azy araka ny ho lovany, dia hiverina atỳ amiko.Select Joshua 18:4

5Ary hizafa azy ho fito toko izy; ny Joda hitoetra any amin’ ny taniny ao atsimo, ary ny taranak’ i Josefa hitoetra any amin’ ny taniny ao avaratra.Select Joshua 18:5

6Ary soratinareo ny tany ka ataovy fito toko; ary ento atỳ amiko ny soratra, dia hanao filokana ho anareo eto anatrehan’ i Jehovah Andriamanitsika aho.Select Joshua 18:6

7Fa tsy mba manana anjara eo aminareo ny Levita; fa ny fisoronana amin’ i Jehovah no lovany; ary Gada sy Robena sy ny antsasaky ny firenen’ i Manase efa nahazo ny lovany any an-dafy atsinanan’ i Jordana, izay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, azy.Select Joshua 18:7

8Dia niainga ireo lehilahy ireo ka nandeha; ary Josoa nandidy izay nandeha hanoratra ny tany ka nanao hoe: Mandehana nitety ny tany, ka soraty izy, dia miverena atỳ amiko, ka eto Silo no hanaovako filokana ho anareo eo anatrehan’ i Jehovah.Select Joshua 18:8

9Dia lasa ireo lehilahy ireo ka nandeha nitety ny tany, dia nanoratra azy tamin’ ny taratasy, ka nataony fito toko, araka ny tanàna, ary dia tafaverina tany amin’ i Josoa tao an-toby tao Silo izy.Select Joshua 18:9

10Ary Josoa dia nanao filokana ho azy tao Silo teo anatrehan’ i Jehovah; ary tao no nizaran’ i Josoa ny tany ho an’ ny Zanak’ Isiraely araka ny fizarany.Select Joshua 18:10

11Dia nahazo ny loka ny firenena taranak’ i Benjamina isam-pokony; ary ny faritry ny tany azony dia teo anelanelan’ ny taranak’ i Joda sy ny taranak’ i Josefa.Select Joshua 18:11

12Ary ny fari-taniny amin’ ny lafiny avaratra dia hatrany Jordana ka niakatra hatramin’ ny ilan’ i Jeriko amin’ ny avaratra, dia niakatra niankandrefana nahazo ny tany havoana, ka dia nihatra tamin’ ny efitr’ i Betavena,Select Joshua 18:12

13hatreo dia nandroso hatrany Lozy, hatramin’ ny ilany atsimon’ i Lozy (Betela izany), dia nidina hatrany Atarot-adara ao amin’ ny tendrombohitra atsimon’ i Beti-horona ambany,Select Joshua 18:13

14dia niolaka tamin’ ny lafiny andrefana ka nianatsimo hatramin’ ny tendrombohitra izay eo anoloan’ i Beti-horona eo atsimo, ka dia nihatra any Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany), tanànan’ ny taranak’ i Joda; izany no lafiny andrefana.Select Joshua 18:14

15Ary ny lafiny atsimo dia hatramin’ ny faran’ i Kiriata-jearima; ary ny fari-tany dia nandroso niankandrefana ka nihatra tamin’ ny loharanon’ i Neftoa,Select Joshua 18:15

16dia nidina hatramin’ ny faran’ ny tendrombohitra, izay tandrifin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, eo amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta eo avaratra, ka nidina hatramin’ ny lohasahan’ i Hinoma, hatramin’ ny ilany atsimon’ ny Jebosita, ka nidina hatrany En-rogela,Select Joshua 18:16

17dia nizotra avy any avaratra ka nandroso hatrany En-semesy sy Gelilota, izay tandrifin’ ny fiakarana Adomima, ka nidina hatramin’ ny vaton’ i Bohana, zanak’ i Robena,Select Joshua 18:17

18dia nandroso hatramin’ ny ilany avaratra tandrifin’ ny tani-hay ka nidina hatrany amin’ ny tani-hay.Select Joshua 18:18

19dia nandroso hatramin’ ny ilany avaratr’ i Beti-hogla, ka dia nihatra tamin’ ny helo-drano avaratra amin’ ny Ranomasin-tsira, eo amin’ ny farany atsimo amin’ i Jordana; izany no lafiny atsimo.Select Joshua 18:19

20Ary Jordana no fari-taniny atsinanana. Izany no lovan’ ny taranak’ i Benjamina amin’ ny fari-taniny manodidina araka ny fokony.Select Joshua 18:20

21Ary ny tanànan’ ny firenena taranak’ i Benjamina araka ny fokony dia Jeriko sy Beti-hogla ary ny lohasahan’ i KezizaSelect Joshua 18:21

22sy Bet-arabà sy Zemaraima sy BetelaSelect Joshua 18:22

23sy Avima sy Para sy OfraSelect Joshua 18:23

24sy Kefara-hamony sy Ofny sy Geba: tanàna roa ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;Select Joshua 18:24

25sy Gibeona sy Rama sy BerotaSelect Joshua 18:25

26sy Mizpa sy Kefira sy MozaSelect Joshua 18:26

27sy Rekema sy Iripela sy TaralaSelect Joshua 18:27

28sy Zela sy Elefa sy ny Jebosita (Jerosalema izany) sy Gibea sy Kiriata: tanàna efatra ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny. Izany no lovan’ ny taranak’ i Benjamina araka ny fokony.Select Joshua 18:28

Next: Joshua 19Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Joshua

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.