Skip to content
Church.wiki
Joshua

Joshua 22

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary tamin’ izay dia nantsoin’ i Josoa ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen’ i Manase,Select Joshua 22:1

2ka hoy izy taminy: Hianareo efa nitandrina izay rehetra nandidian’ i Mosesy mpanompon’ i Jehovah anareo sady efa nihaino ny feoko koa tamin izay rehetra nandidiako anareo;Select Joshua 22:2

3tsy nilaozanareo ny rahalahinareo hatramin’ izany andro maro izany ka mandraka androany fa notandremanareo ny lalàna nasain’ i Jehovah Andriamanitrareo notandremanareo.Select Joshua 22:3

4Ary ankehitriny dia efa nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinareo, araka izay nolazainy taminy; koa modia ankehitriny, ka mankanesa any amin’ ny lainareo avy, ho any amin’ ny taninareo, izay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, anareo any an-dafin’ i Jordana.Select Joshua 22:4

5Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalàna izay nandidian’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, anareo, hitiavanareo an’ i Jehovah Andriamanitrareo sy handehananareo amin’ ny lalany rehetra sy hitandremanareo ny didiny sy hifikiranareo aminy ary hanompoanareo Azy amin’ ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra.Select Joshua 22:5

6Dia nitso-drano azy Josoa ka nampody azy; dia lasa nankany amin’ ny lainy avy izy.Select Joshua 22:6

7Ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase efa nomen’ i Mosesy lova tany Basana; fa ny antsasany kosa efa nomen’ i Josoa teo amin’ ny rahalahiny etỳ an-dafy andrefan’ i Jordana. Ary raha nampodin’ i Josoa ho any amin’ ny lainy koa ireo, dia notsofiny rano izySelect Joshua 22:7

8ka nilazany hoe: Modia ho any amin’ ny lainareo avy ianareo, mitondra harena be sy omby aman’ ondry be indrindra sy volafotsy sy volamena sy varahina sy vy ary fitafiana be dia be; ary iombony amin’ ny rahalahinareo ny babo azo tamin’ ny fahavalonareo.Select Joshua 22:8

9Dia nody ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase ka nandao ny Zanak’ Isiraely tao Silo, izay ao amin’ ny tany Kanana, hankany amin’ ny tany Gileada ho any amin’ ny zara-taniny, izay azony araka ny tenin’ i Jehovah nasainy nolazain’ i Mosesy.Select Joshua 22:9

10Ary raha tonga teo amoron’ i Jordana eo amin’ ny tany Kanana ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase, dia nanorina alitara teo izy, ary lehibe ny fijery izany alitara izany.Select Joshua 22:10

11Ary ny Zanak’ Isiraely nahare hoe: Indreo, ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase efa nanorina alitara an-tsisin’ ny tany Kanana, eo amoron’ i Jordana, anatin’ ny tanin’ ny Zanak’ Isiraely.Select Joshua 22:11

12Ary nony ren’ ny Zanak’ Isiraely izany, dia niangona tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, mba hiakatra hiady aminy.Select Joshua 22:12

13Dia naniraka an’ i Finehasa, zanak’ i Eleazara mpisorona, ny Zanak’ Isiraely ho any amin’ ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase, any amin’ ny tany Gileada,Select Joshua 22:13

14sy loholona folo lahy koa niaraka taminy, dia loholona iray isam-pirenena tamin’ ny Isiraely rehetra: samy lohan’ ny fianakaviany tamin’ ny arivon’ ny Isiraely ireo.Select Joshua 22:14

15Dia tonga tany amin’ ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase tany amin’ ny tany Gileada ireo ka niteny taminy hoe:Select Joshua 22:15

16Izao no lazain’ ny fiangonan’ i Jehovah rehetra: Inona izato fahotana nataonareo amin’ Andriamanitry ny Isiraely, no niala tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah ianareo androany tamin’ ny nanorenanareo alitara ka miodina amin i Jehovah ankehitriny?Select Joshua 22:16

17Zavatra kely loatra amintsika va ilay heloka ny amin’ i Peora, izay tsy mbola nahadiovantsika ny tenantsika ho afaka amin’ izany mandraka androany na dia efa nisy aza ilay areti-mandringana tamin’ ny fiangonan’ i Jehovah,Select Joshua 22:17

18no dia mihodìna miala amin’ ny fanarahana an’ i Jehovah ianareo anio? Raha miodina amin’ i Jehovah ianareo anio, dia ho tezitra amin’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, Izy rahampitso.Select Joshua 22:18

19Kanefa raha maloto ny taninareo, dia mità ho any amin’ ny tanin’ i Jehovah, izay itoeran’ ny tabernakelin’ i Jehovah, ka any aminay maka fonenana; fa aza miodina amin’ i Jehovah, na miodina aminay, amin’ ny anorenanareo alitara afa-tsy ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitsika.Select Joshua 22:19

20Tsy nandika ny didy va Akana, zanak’ i Zera, tamin’ ny zavatra voaozona, ka nisy fahatezerana nahatratra ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra? Ary tsy io lehilahy irery io ihany no maty tamin’ izany helony izany.Select Joshua 22:20

21Dia namaly ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase ka nanao tamin’ ny mpifehy arivo tamin’ ny Isiraely hoe:Select Joshua 22:21

22Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah eny Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, Izy no mahalala, ary ny Isiraely hahalala koa; raha fiodinana na fahadisoana amin’ i Jehovah (aza mba mamonjy anay akory Hianao anio),Select Joshua 22:22

23raha izany no nanorenanay alitara, mba hiala amin’ ny fanarahana an’ i Jehovah, na hanatitra fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanati-pihavanana, eo amboniny dia aoka Jehovah no hanadina;Select Joshua 22:23

24fa tahotra tokoa no anton’ ny nanaovanay izao; fa hoy izahay: Rahatrizay dia hanontany ny taranakay ny taranakareo hoe: Moa mifaninona akory ianareo sy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely?Select Joshua 22:24

25fa Jordana no nataon’ i Jehovah ho faritra eo anelanelantsika, ry taranak’ i Robena sy Gada, ka tsy manana anjara amin’ i Jehovah ianareo; ka dia hampitsaharan’ ny taranakareo tsy hatahotra an’ i Jehovah ny taranakay,Select Joshua 22:25

26Dia hoy izahay: Aoka isika hanorina alitara ho antsika, tsy hanaterana fanatitra dorana anefa, na fanatitra hafa alatsa-drà,Select Joshua 22:26

27fa mba ho vavolombelona ho amintsika sy ny taranatsika mandimby antsika, hanaovanay ny fanompoana an’ i Jehovah eo anatrehany amin’ ny hanaterana fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanati-pihavanana mba tsy holazain’ ny taranakareo amin’ ny taranakay rahatrizay hoe: Tsy manana anjara amin’ i Jehovah ianareo.Select Joshua 22:27

28Ary hoy izahay: Raha tàhiny lazainy aminay na ny taranakay izany rahatrizay, dia hataonay hoe: Jereo ny endriky ny alitaran’ i Jehovah, izay nataon’ ny razanay, tsy hanaterana fanatitra, dorana anefa na fanatitra hafa alatsa-drà, fa mba ho vavolombelona ho amintsika roa tonta.Select Joshua 22:28

29Sanatria aminay raha hiodina amin’ i Jehovah ka hiala anio amin’ ny fanarahana an’ i Jehovah hanorina alitara hanaterana fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanatitra hafa alatsa-drà, afa-tsy ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitsika, izay eo anoloan’ ny tabernakeliny.Select Joshua 22:29

30Ary rehefa ren’ i Finehasa mpisorona sy ny lohan’ ny fiangonana, dia ny mpifehy arivo tamin’ ny Isiraely, izay niaraka taminy, ny teny izay nolazain’ ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny taranak’ i Manase, dia sitrany izany.Select Joshua 22:30

31Ary hoy Finehasa, zanak’ i Eleazara mpisorona, tamin’ ny taranak’ i Robena sy Gada ary ny taranak’ i Manase: Fantatray anio fa eto amintsika Jehovah, satria tsy nanao izany fahadisoana izany tamin’ i Jehovah ianareo; ary amin’ izany dia efa namonjy ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny tànan’ i Jehovah ianareo.Select Joshua 22:31

32Ary Finehasa, zanak’ i Eleazara mpisorona, sy ny loholona dia niverina nandao ny taranak’ i Robena sy Gada tany amin’ ny tany Gileada ka nankany amin’ ny tany Kanana ho any amin’ ny Zanak’ Isiraely ary nitondra valin-teny ho any aminy.Select Joshua 22:32

33Ary sitraky ny zanak’ Isiraely izany, dia nisaotra an’ Andriamanitra ny Zanak’ Isiraely ka tsy nihevitra hiakatra hiady aminy intsony handrava ny tany izay nonenan’ ny taranak’ i Robena sy Gada.Select Joshua 22:33

34Dia nasian’ ny taranak’ i Robena sy Gada anarana hoe Edy ilay alitara fa vavolombelona ho amintsika roa tonta io fa Jehovah no Andriamanitra.Select Joshua 22:34

Next: Joshua 23Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Joshua

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.