Joshua 24
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary Josoa nanangona ny firenen’ ny Isiraely rehetra tany Sekema ka niantso ny loholon’ ny Isiraely sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka dia niara-niseho teo anatrehan’ Andriamanitra izy ireo.Select Joshua 24:1
2Ary hoy Josoa tamin’ ny vahoaka rehetra: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tany an-dafin’ ny Ony no nonenan’ ny razanareo tany aloha, dia Tera, rain’ i Abrahama sy Nahora; ary nanompo andriamani-kafa izy.Select Joshua 24:2
3Dia naka an’ i Abrahama razanareo avy tany an-dafin’ ny Ony Aho ka nitondra azy nitety ny tany Kanana rehetra, dia nahamaro ny taranany ka nanome an’ Isaka ho zanany.Select Joshua 24:3
4Ary Isaka koa dia nomeko an’ i Jakoba sy Esao ho zanany; ary nomeko ho lovan’ i Esao ny tendrombohitra Seïra; fa Jakoba sy ny taranany kosa nankany Egypta.Select Joshua 24:4
5Dia naniraka an’ i Mosesy sy Arona Aho ka namely an’ i Egypta, araka izay nataoko teo aminy; ary rehefa afaka izany, dia nitondra anareo nivoaka Aho.Select Joshua 24:5
6Ary nony nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta Aho, dia tonga teo amin’ ny ranomasina ianareo; ary nanenjika ny razanareo hatreo amin’ ny Ranomasina Mena ny Egyptiana, nitaingina kalesy sy soavaly.Select Joshua 24:6
7Dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy, ka nasiany maizina teo anelanelanareo sy ny Egyptiana, sady nakatony taminy ny ranomasina ka naony azy, ary ny masonareo nahita izay nataoko tany Egypta; ary nitoetra ela tany efitra ianareo.Select Joshua 24:7
8Ary nentiko ho any amin’ ny tanin’ ny Amorita, izay nonina tany an-dafin’ i Jordana ianareo; dia niady taminareo ireo; ary nanolotra azy teo an-tananareo Aho, mba handovanareo ny taniny, ary nandringana azy teo anoloanareo Aho.Select Joshua 24:8
9Dia nitsangana Balaka, zanak’ i Zipora, mpanjakan’ i Moaba, ka niady tamin’ ny Isiraely; dia naniraka ka nampaka an’ i Balama, zanak’ i Beora, izy hanozona anareo.Select Joshua 24:9
10Fa tsy nety nihaino an’ i Balama Aho, koa nitahy anareo tokoa izy; ka dia namonjy anareo tamin’ ny tànany Aho.Select Joshua 24:10
11Ary nita an’ i Jordana ianareo ka nankany Jeriko; dia niady taminareo ny mponina tao Jeriko mbamin’ ny Amorita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ka natolotro teo an-tananareo ireny.Select Joshua 24:11
12Dia nampandehaniko teo anoloanareo ny fanenitra, Izay nandroaka azy teo anoloanareo, dia ny mpanjaka roa tamin’ ny Amorita, fa tsy tamin’ ny sabatrao, na tamin’ ny tsipìkanao.Select Joshua 24:12
13Ary nomeko tany izay tsy nasainareo ianareo sy tanàna izay tsy naorinareo ianareo ka dia nonina tao ianareo; ary nihinana ny avy amin’ ny tanim-boaloboka sy ny tanin’ oliva izay tsy nataonareo ianareo.Select Joshua 24:13
14Koa ankehitriny, matahora an’ i Jehovah, ka manompoa Azy amin’ ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin’ ny razanareo tany an-dafin’ ny Ony sy tany Egypta, ka manompoa an’ i Jehovah.Select Joshua 24:14
15Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an’ i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ ny razanareo tany an-dafin’ ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin’ ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’ i Jehovah izahay.Select Joshua 24:15
16Dia namaly ny vahoaka ka nanao hoe: Sanatria raha hahafoy an’ i Jehovah izahay ka hanompo izay andriamani-kafa.Select Joshua 24:16
17Fa Jehovah Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tany amin’ ny trano nahandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin’ ny lalana rehetra nalehantsika sy teny amin’ ny firenena rehetra izay notetezintsika.Select Joshua 24:17
18Ary Jehovah nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto amin’ ny tany; koa izahay koa dia mba hanompo an’ i Jehovah, fa Izy no Andriamanitsika.Select Joshua 24:18
19Ary hoy Josoa tamin’ ny vahoaka: Tsy mahay manompo an’ i Jehovah ianareo; fa Andriamanitra masìna Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo.Select Joshua 24:19
20Raha mahafoy an’ i Jehovah ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hiverina Izy ka hampahory anareo sy hahafongana anareo, rehefa nasiany soa.Select Joshua 24:20
21Dia hoy ny vahoaka tamin’ i Josoa: Tsia; fa Jehovah ihany no hotompoinay.Select Joshua 24:21
22Dia hoy Josoa tamin’ ny vahoaka: Vavolombelona ho an’ ny tenanareo ianareo fa efa nifidy an’ i Jehovah hotompoinareo. Ary hoy ny olona: Eny vavolombelona izahay.Select Joshua 24:22
23Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo, ka ampanatony an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ny fonareo.Select Joshua 24:23
24Dia hoy ny vahoaka tamin’ i Josoa: Jehovah Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinaySelect Joshua 24:24
25Ary dia nanao fanekena tamin’ ny vahoaka Josoa tamin’ izany andro izany ka nanome azy lalàna sy didy tany Sekema.Select Joshua 24:25
26Dia nosoratan’ i Josoa tao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ Andriamanitra ireo teny ireo, ary naka vato lehibe izy ka nanangana azy teo ambanin’ ny hazo terebinta, izay teo anilan’ ny fitoera-masin’ i Jehovah.Select Joshua 24:26
27Dia hoy Josoa tamin’ ny vahoaka rehetra; Indro, io vato io ho vavolombelona amintsika; fa efa nahare ny teny rehetra nolazain’ i Jehovah tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin’ Andriamanitrareo ianareo.Select Joshua 24:27
28Dia nampodin’ i Josoa ny vahoaka samy ho any amin’ ny lovany avy.Select Joshua 24:28
29Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia maty Josoa, zanak’ i Nona, mpanompon’ i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny.Select Joshua 24:29
30Dia nalevina tao amin’ ny faritanin’ ny lovany izy, dia tao Timnata-sera, any amin’ ny tany havoan’ i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa.Select Joshua 24:30
31Ary nanompo an’ i Jehovah ny Isiraely tamin’ ny andro rehetra niainan’ i Josoa sy tamin’ ny andro rehetra niainan’ ny loholona izay velona taorian’ i Josoa ka nahalala ny asa rehetra izay nataon’ i Jehovah ho an’ ny IsiraelySelect Joshua 24:31
32Ary ny taolan’ i Josefa, izay efa nentin’ ny Zanak’ Isiraely avy tany Egypta, dia naleviny tao Sekema, tao amin’ ny tany izay novidin’ i Jakoba volafotsy zato tamin’ ny zanak’ i Hamora, rain’ i Sekema; dia tonga lovan’ ny taranak’ i Josefa izany.Select Joshua 24:32
33Dia maty koa Eleazara, zanak’ i Arona, ka naleviny teo amin’ ny havoan’ i Finehasa zanany, izay nomena azy tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima.Select Joshua 24:33
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation