Joshua 6
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary nihidy mafy Jeriko tamin’ izany noho ny Zanak’ Isiraely: tsy nisy nivoaka, ary tsy nisy niditra.Select Joshua 6:1
2Ary hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Indro, efa natolotro eo an-tananao Jeriko sy ny mpanjakany mbamin’ ny lehilahy mahery.Select Joshua 6:2
3Koa mandehana manodidina ny tanàna indray mandeha ianareo mpanafika rehetra; henemana no hanaovanao izany.Select Joshua 6:3
4Ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan’ ny fiara; ary amin’ ny andro fahafito dia hodidino impito ny tanàna, ary aoka ny mpisorona hitsoka ny anjomara.Select Joshua 6:4
5Ary raha manao feo lavareny ny anjomara mafy faneno, ka renareo ny feon’ ny anjomara, dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra; ka dia hirodana amin’ izay ny màndan’ ny tanàna, ary hiakatra samy hizotra amin’ izay hitsiny avy ny olona.Select Joshua 6:5
6Dia niantso ny mpisorona Josoa, zanak’ i Nona, ka nanao taminy hoe: Ento ny fiaran’ ny fanekena, ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan’ ny fiaran’ i Jehovah.Select Joshua 6:6
7Dia hoy izy tamin’ ny vahoaka: Mandehana, ka manodidina ny tanàna, ary aoka ny olona efa voaomana hiady handeha eo alohan’ ny fiaran’ i Jehovah.Select Joshua 6:7
8Ary rehefa niteny tamin’ ny vahoaka Josoa, dia nandeha ireo mpisorona fito nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan’ i Jehovah ka nitsoka ny anjomara; ary ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah nanaraka azy.Select Joshua 6:8
9Ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohan’ ny mpisorona izay nitsoka ny anjomara, ary ny vodi-lalana nanaraka ny fiara; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.Select Joshua 6:9
10Ary ny vahoaka efa noraran’ i Josoa hoe: Aza manakora na mamoaka feo na miloa-bava akory aza mandra-pahatongan’ ny andro hanaovako aminareo hoe: Manakorà! dia vao amin’ izay ianareo no hanakora.Select Joshua 6:10
11Ary nanodidina ny tanàna indray mandeha ny fiaran’ i Jehovah; dia nankany an-toby ny olona ka nitoetra tany.Select Joshua 6:11
12Dia nifoha maraina koa Josoa, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran’ i Jehovah.Select Joshua 6:12
13Ary ny mpisorona fito izay nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan’ ny fiaran’ i Jehovah dia nandeha mandrakariva ka nitsoka ny anjomara; ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohany; ary ny vodi-lalana kosa dia nanaraka ny fiaran’ i Jehovah; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.Select Joshua 6:13
14Dia nanodidina ny tanàna indray mandeha koa izy tamin’ ny andro faharoa ka niverina tany an-toby; henemana no nanaovany toy izany.Select Joshua 6:14
15Ary tamin’ ny andro fahafito dia nifoha maraina koa izy, raha mbola nazava ratsy ny andro ka nanodidina ny tanàna impito toy ny nataony teo, nefa tamin’ izany andro izany ihany no nanodidina ny tanàna impito izy.Select Joshua 6:15
16Ary tamin’ ny nandehanany fanimpitony, raha nitsoka ny anjomara ny mpisorona, dia hoy Josoa tamin’ ny vahoaka: Manakorà! fa efa nomen’ i Jehovah anareo ny tanàna.Select Joshua 6:16
17Dia hatolotra ho an’ i Jehovah ho zavatra voaozona ny tanàna sy izay rehetra ao; fa Rahaba janga ihany no hovelomina, dia izy sy izay rehetra ao aminy ao an-trano, satria nanafina ny iratsika izy.Select Joshua 6:17
18Kanefa mitandrema kosa ianareo ny amin’ ny zavatra voaozona, fandrao manolotra zavatra ho voaozona ianareo, nefa maka amin’ ny zavatra voaozona kosa, ka mahatonga ny tobin’ ny Isiraely ho voaozona ary mampidi-doza aminy.Select Joshua 6:18
19Fa ny volafotsy sy ny volamena rehetra ary ny fanaka varahina sy vy dia masìna ho an’ i Jehovah; hatao ao amin’ ny rakitr’ i Jehovah izany.Select Joshua 6:19
20Dia nanakora ny olona, ary notsofina ny anjomara; ary nony ren’ ny vahoaka ny feon’ ny anjomara, dia nanakora mafy izy, ka nirodana tamin’ izay ny manda, ary niakatra tao an-tanàna samy nizotra tamin’ izay hitsiny avy ny olona, ka afaka ny tanàna.Select Joshua 6:20
21Ary naringany tamin’ ny lelan-tsabatra izay rehetra tao an-tanana, na lehilahy na vehivavy, na tanora na antitra, na omby, na ondry aman’ osy, na boriky.Select Joshua 6:21
22Ary izy roa lahy izay efa nisafo ny tany dia efa nilazan’ i Josoa hoe: Mankanesa ao amin’ ny tranon’ ilay vehivavy janga, ka ento mivoaka ravehivavy sy ny havany rehetra ary izay mety ho azy, araka izay nianiananareo taminy.Select Joshua 6:22
23Dia nankao ireo zatovo nisafo ireo ka nitondra an-dRahaba nivoaka sy ny rainy aman-dreniny sy ny anadahiny ary ny havany rehetra mbamin’ izay nety ho azy; dia nitondra ny mpianakaviny rehetra nivoaka izy ka nametraka azy teo ivelan’ ny tobin’ ny Isiraely.Select Joshua 6:23
24Ary ny tanàna sy izay rehetra tao dia nodorany tamin’ ny afo, nefa ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka varahina sy vy dia nataony tao amin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah.Select Joshua 6:24
25Fa Rahaba janga sy ny ankohonan’ ny rainy sy ny havany rehetra mbamin’ izay nety ho azy dia novelomin’ i Josoa, ary mitoetra eo amin’ ny Isiraely mandraka androany ravehivavy, satria nanafina ny iraka izay efa nirahin’ i Josoa hisafo an’ i Jeriko izy.Select Joshua 6:25
26Dia nilaza fanozonana Josoa tamin’ izany andro izany ka nanao hoe: Ho voaozona eo anatrehan’ i Jehovah izay olona mitsangana manorina ity tanàna Jeriko ity indray; ny ain’ ny lahimatoany no ho sazin’ ny hanorenany ny fanambaniny, ary ny ain’ ny faralahiny no ho sazin’ ny hananganany ny vavahadiny.Select Joshua 6:26
27Ary Jehovah nomba an’ i Josoa, ka niely tamin’ ny tany rehetra ny lazany.Select Joshua 6:27
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation