1Ary Davida naka saina tamin’ ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia ny mpifehy rehetra,
2Ka hoy Davida tamin’ ny Isiraely rehetra izay tafangona: Raha ataonareo ho mety, sady avy amin’ i Jehovah Andriamanitsika izany, dia andeha isika haniraka faingana any amin’ ny rahalahintsika rehetra izay sisa amin’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra ary amin’ ny mpisorona sy ny Levita koa, izay any amin’ ny tanànany sy ny tany manodidina azy, mba hivory atỳ amintsika;
3Ary aoka ho entintsika atỳ amintsika indray ny fiaran’ Andriamanitsika; fa tsy nahoantsika tamin’ ny andron’ i Saoly izany.
4Ary ny olona rehetra izay tafangona dia nanaiky hanao izany, satria marina teo imason’ ny olona rehetra izany.
5Dia novorin’ i Davida ny Isiraely rehetra hatrany Sihora any Egypta ka hatrany akaikin’ i Hamata haka ny fiaran’ Andriamanitra avy any Kiriata-jearima.
6Dia niakatra Davida sy ny Isiraely rehetra hankany Bala any Joda (Kiriata-jearima izany) hampakatra ny fiaran’ i Jehovah Andriamanitra, Izay mipetraka amin’ ny kerobima, dia ilay niantsoany ny anarany.
7Ary nentiny tamin’ ny sariety vaovao niala tao an-tranon’ i Abinadaba ny fiaran’ Andriamanitra, ary Oza sy Ahio no nampandeha ny sariety.
8Ary Davida sy ny Isiraely rehetra dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan’ Andriamanitra tamin’ ny hira sy ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny kipantsona ary ny trompetra.
9Ary nony tonga teo amin’ ny famoloan’ i Kidona izy, dia naninjitra ny tànany hihazona ny fiara Oza, satria nazeran’ ny omby izany.
10Dia nirehitra tamin’ i Oza ny fahatezeran’ i Jehovah, ka namely azy Izy noho ny naninjirany ny tànany tamin’ ny fiara, dia maty teo anatrehan’ Andriamanitra izy.
11Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan’ i Jehovah an’ i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza no anaran’ izany tany izany mandraka androany.
12Ary Davida natahotra an’ Andriamanitra tamin’ izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana aho no hitondra ny fiaran’ Andriamanitra ho atỳ amiko?
13Dia tsy nafindran’ i Davida ho ao aminy ao an-tanànan’ i Davida ny fiara, fa naviliny ho ao an-tranon’ i Obed-edoma Gatita.
14Ary nipetraka telo volana tao amin’ ny ankohonan’ i Obed-edoma tao an-tranony ny fiaran’ Andriamanitra; ka dia notahin’ i Jehovah ny ankohonan’ i Obed-edoma sy izay rehetra nananany.
Baiboly Malagasy (1865) Tap a verse to copy, share, highlight or add a note. Dotted words link to encyclopedia articles.
14 verses in this chapter
13 / 29 chapters
The text is Baiboly Malagasy (1865)(말라가시어) — From getbible.net (CrossWire SWORD module) · license: 공개 도메인 (Public Domain) Highlights, notes and read marks stay with the chapter whichever version you read. Dotted words are people, places and terms that have an encyclopedia article (marked once per page). Highlights, notes and read marks are saved only in this browser and gathered under My marks.