1 Chronicles 16
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary nampiditra ny Fiaran’ Andriamanitra ny olona ka nametraka azy tao afovoan’ ny lay izay naorin’ i Davida ho azy; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan’ Andriamanitra izy.Select 1 Chronicles 16:1
2Ary nony voatitr’ i Davida ny fanatitra odorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny olona tamin’ ny anaran’ i Jehovah izy.Select 1 Chronicles 16:2
3Dia nizara mofo iray avy sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka ho an’ ny Isiraely rehetra na lahy na vavy izy.Select 1 Chronicles 16:3
4Ary ny Levita sasany notendren’ i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ ny fiaran’ i Jehovah mba hankalaza sy hisaotra ary hidera an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely:Select 1 Chronicles 16:4
5Asafa no lohany, ary Zakaria no nanarakaraka, dia Jeiela sy Semiramota sy Jehiela sy Matitia sy Eliaba sy Benaia sy Obed-edoma ary Jeiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa Asafa no nampaneno ny kipantsona;Select 1 Chronicles 16:5
6Benaia sy Jahaziela mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan’ ny fiaran’ ny faneken’ Andriamanitra.Select 1 Chronicles 16:6
7Tamin’ izay andro izay no voalohan’ ny nanendren’ i Davida an’ i Asafa sy ny rahalahiny hidera an’ i Jehovah.Select 1 Chronicles 16:7
8Miderà an’ i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ampahafantaro ny firenena ny asany.Select 1 Chronicles 16:8
9Mihira ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.Select 1 Chronicles 16:9
10Ataovy ho reharehanareo ny anarany masìna; Aoka hifaly ny fon’ izay mitady an’ i Jehovah.Select 1 Chronicles 16:10
11Mitadiava an’ i Jehovah sy ny heriny, Katsaho mandrakariva ny tavany.Select 1 Chronicles 16:11
12Mahatsiarova ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ ny vavany,Select 1 Chronicles 16:12
13Hianareo taranak’ Isiraely mpanompony, Hianareo olom-boafidiny, taranak’ i Jakoba.Select 1 Chronicles 16:13
14Jehovah, Izy no Andriamanitsika, manerana ny tany rehetra ny fitsarany.Select 1 Chronicles 16:14
15Tsarovy mandrakizay ny fanekeny. Dia ilay teny voadidiny ho an’ ny taranaka arivo mandimby,Select 1 Chronicles 16:15
16Eny, dia ilay nataony tamin’ i Abrahama sy ny fianianany tamin’ Isaka,Select 1 Chronicles 16:16
17Izay naoriny ho lalàna ho an’ i Jakoba sy ho fanekena mandrakizay ho an’ Isiraely,Select 1 Chronicles 16:17
18Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana ho lovanareo voazara amin’ ny famolaina;Select 1 Chronicles 16:18
19Fony mbola olom-bitsy ianareo, Eny, Vitsy sady vahiny tao,Select 1 Chronicles 16:19
20Ary nifindrafindra tany amin’ ny firenena, sy nifindrafindra fanjakana ho amin’ ny firenen-kafa,Select 1 Chronicles 16:20
21Tsy nisy navelany hampahory azy; Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin’ ireo hoe:Select 1 Chronicles 16:21
22Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy Ireo mpaminaniko.Select 1 Chronicles 16:22
23Mihira ho an’ i Jehovah, ry tany rehetra; Lazao isan’ andro isan’ andro ny famonjeny mahafaly.Select 1 Chronicles 16:23
24Ambarao any amin’ ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin’ ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.Select 1 Chronicles 16:24
25Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin’ ny andriamanitra rehetra.Select 1 Chronicles 16:25
26Fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona, fa Jehovah no nanao ny lanitra.Select 1 Chronicles 16:26
27Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, Hery sy hafaliana no ao amin’ ny fitoerany.Select 1 Chronicles 16:27
28Ry firenena, manomeza an’ i Jehovah, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an’ i Jehovah.Select 1 Chronicles 16:28
29Manomeza an’ i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo anatrehany; Miankohofa eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny fihaingoana masìnaSelect 1 Chronicles 16:29
30Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra; Izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika.Select 1 Chronicles 16:30
31Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravo ny tany; Ary aoka holazaina any amin’ ny firenena hoe: Jehovah no Mpanjaka.Select 1 Chronicles 16:31
32Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra ao aminy.Select 1 Chronicles 16:32
33Dia hihoby eo anatrehan’ i Jehovah amin’ izay ny hazo an’ ala; Fa avy hitsara ny tany Izy.Select 1 Chronicles 16:33
34Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy: Fa mandrakizay ny famindram-pony.Select 1 Chronicles 16:34
35Ary manaova hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ary angòny izahay, ka vonjeo tsy ho azon’ ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masìna, ka ho reharehanay ny fiderana Anao.Select 1 Chronicles 16:35
36Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Ary ny olona rehetra nanao hoe: Amena, sady nidera an’ i Jehovah.Select 1 Chronicles 16:36
37Ary Asafa sy ny rahalahiny dia navelan’ i Davida teo anoloan’ ny fiaran’ ny faneken’ Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ao mandrakariva araka ny raharaha tokony hatao isan’ andro,Select 1 Chronicles 16:37
38ary Obed-edoma sy ny rahalahiny valo amby enim-polo sy Obed-edoma, zanak’ i Jedotona, ary Hosa ho mpiandry varavarana kosa.Select 1 Chronicles 16:38
39Ary Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany teo anoloan’ ny tabernakelin’ i Jehovah teo amin’ ny fitoerana avo any Gibeona,Select 1 Chronicles 16:39
40hanatitra fanatitra dorana ho an’ i Jehovah marain-tsy hariva eo amin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mandrakariva, ary hanao araka izay rehetra voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Jehovah, izay nandidiany ny Isiraely,Select 1 Chronicles 16:40
41ary naman’ ireo koa Hemana sy Jedotona ary ny sisa amin’ ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera an’ i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.Select 1 Chronicles 16:41
42Ary tao amin’ i Hemana sy Jedotona nisy trompetra sy kipantsona ho an’ izay mampaneno ary ny fomban’ ny zava-manenon’ Andriamanitra. Ary ny zanak’ i Jedotona no mpiandry varavarana.Select 1 Chronicles 16:42
43Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra, ary Davida koa lasa nody mba hitso-drano ny ankohonany.Select 1 Chronicles 16:43
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain