Skip to content
Church.wiki
1 Chronicles

1 Chronicles 17

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary Davida, raha nipetraka tao an-tranony, dia nanao tamin’ i Natana mpaminany hoe: Akory izato izaho mitoetra amin’ ny trano sedera, nefa ny fiaran’ ny neken’ i Jehovah kosa mitoetra ao anaty lay!Select 1 Chronicles 17:1

2Ary hoy Natana tamin’ i Davida: Ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa Andriamanitra no momba anao.Select 1 Chronicles 17:2

3Nefa tamin’ ny alin’ iny ihany dia tonga tamin’ i Natana ny tenin’ Andriamanitra nanao hoe:Select 1 Chronicles 17:3

4Andeha, lazao amin’ i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Tsy ianao no hanao trano hitoerako;Select 1 Chronicles 17:4

5fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin’ ny nitondrako ny Isiraely niakatra ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby sy nifindrafindra toerana.Select 1 Chronicles 17:5

6Ary tamin’ izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin’ ny Isiraely moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran’ ny Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy nanao trano sedera ho Ahy ianareo?Select 1 Chronicles 17:6

7Koa lazao amin’ i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Izaho no naka anao tany an-tsaha, dia avy tamin’ ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko.Select 1 Chronicles 17:7

8Ary nomba anao tamin’ izay rehetra nalehanao Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana tahaka ny anaran’ izay lehibe ambonin’ ny tany ianao.Select 1 Chronicles 17:8

9Ary hifidy tany ho an’ ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin’ ny fonenany izy ka tsy hanana ahiahy intsony, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny tany alohaSelect 1 Chronicles 17:9

10sy tahaka ny hatramin’ ny andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa Jehovah hanome taranaka anao.Select 1 Chronicles 17:10

11Ary rehefa tapitra ny andronao, ka lasa any amin’ ny razanao ianao, dia hatsangako ny zanakao anankiray mandimby anao, izay isan’ ny terakao; ary hampitoeriko ny fanjakany;Select 1 Chronicles 17:11

12dia io no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianany ho mandrakizay.Select 1 Chronicles 17:12

13Izaho ho rainy, ary izy ho zanako; ary tsy hanaisotra ny famindram-poko aminy Aho, tahaka ny nanesorako izany tamin’ ilay nodiasanao;Select 1 Chronicles 17:13

14fa hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin’ ny fanjakako mandrakizay izy; ary hampitoerina mandrakizay ny seza fiandrianany.Select 1 Chronicles 17:14

15Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana izao no nolazain’ i Natana tamin’ i Davida.Select 1 Chronicles 17:15

16Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan’ i Jehovah, dia nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Andriamanitra ô? Ary zinona moa ny mpianakaviko, no nentinao ambaraka ankehitriny aho?Select 1 Chronicles 17:16

17Ary mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa, indro, efa voalazanao koa ny amin’ ny taranaky ny mpanomponao hatramin’ ny mbola any aoriana lavitra aza, ary nitsinjo ahy araka ny fanaon’ ny olona Hianao, Jehovah Andriamanitra ô, ka nanandratra ahy.Select 1 Chronicles 17:17

18Inona intsony no holazain’ i Davida aminao ny amin’ ny voninahitra omena ny mpanomponao? fa Hianao no mahalala ny mpanomponao.Select 1 Chronicles 17:18

19Jehovah ô, noho ny amin’ ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io, mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo.Select 1 Chronicles 17:19

20Jehovah ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao, araka izay rehetra ren’ ny sofinay.Select 1 Chronicles 17:20

21Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan’ Andriamanitra havotana ho olony, hanaovanao anarana lehibe sy mahatahotra ho Anao, dia tamin’ ny nandroahanao firenena tsy ho eo anoloan’ ny olonao, izay navotanao avy tany Egypta?Select 1 Chronicles 17:21

22Fa ny Isiraely olonao nofidinao ho olonao mandrakizay, ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga Andriamaniny.Select 1 Chronicles 17:22

23Ary ankehitriny, Jehovah ô, ilay teny nolazainao ny amin’ ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao.Select 1 Chronicles 17:23

24Eny, aoka hampitoerina izany, ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe: Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak’ i Davida mpanomponao.Select 1 Chronicles 17:24

25Fa Hianao, Andriamanitro ô, efa nanambara tamin’ ny mpanomponao fa homenao taranaka izy; koa Izany no nampahasahy ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao.Select 1 Chronicles 17:25

26Ary noho izany, Jehovah ô, satria Hianao no Andriamanitra, ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin’ ny mpanomponao,Select 1 Chronicles 17:26

27dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, Jehovah ô, dia voatahy mandrakizay.Select 1 Chronicles 17:27

Next: 1 Chronicles 18Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

1 Chronicles

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.