Skip to content
Church.wiki
1 Chronicles

1 Chronicles 20

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin’ ny andro fandehanan’ ny mpanjaka hiady, dia nitondra ny miaramila rehetra Joaba ka nandrava ny tanin’ ny taranak’ i Amona, dia tonga izy ka nanao fahirano an’ i Raba; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany. Ary Joaba nahafaka an’ i Raba, ka dia nandrava azy.Select 1 Chronicles 20:1

2Dia nesorin’ i Davida ny satro-boninahitr’ ilay mpanjaka teo an-dohany, ka hitany fa talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan’ i Davida. Ary navoakany ny babo azo tao an-tanàna ka be dia be.Select 1 Chronicles 20:2

3Ary dia navoakany koa ny olona izay tao, ka nasiany tamin’ ny tsofa sy tamin’ ny fangao-by lehibe sy ny famaky; toy izany no nataon’ i Davida tamin’ ny tanànan’ ny taranak’ i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.Select 1 Chronicles 20:3

4Ary nony afaka izany, dia nisy ady tamin’ ny Filistina tao Gazera; tamin’ izany no namonoan’ i Sibekay Hosatita an’ i Sipay, izay isan’ ny taranaky ny Refaïta, ka dia naetriny ny Filistina.Select 1 Chronicles 20:4

5Ary dia nisy ady tamin’ ny Filistina indray ary Elanana, zanak’ i Jaïra, namono an’ i Lamy, rahalahin’ i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon’ ny mpanenona.Select 1 Chronicles 20:5

6Ary nisy ady indray tao Gata; ary tao nisy lehilahy vaventibe izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan’ ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony; ary izy koa mba isan’ ny taranaky ny Refaïta.Select 1 Chronicles 20:6

7Ary nony nihaika ny Isiraely izy, dia nahafaty azy Jonatana, zanak’ i Simea, rahalahin’ i Davida.Select 1 Chronicles 20:7

8Ireo no taranaky ny Refaïta tao Gata, ka matin’ ny tànan’ i Davida sy ny tanan’ ny mpanompony ireo.Select 1 Chronicles 20:8

Next: 1 Chronicles 21Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

1 Chronicles

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.