Skip to content
Church.wiki
1 Chronicles

1 Chronicles 22

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Dia hoy Davida: Eto no ho tranon’ i Jehovah Andriamanitra, ary eto no ho alitara fandoroana ny fanatitra dorana ho an’ ny Isiraely.Select 1 Chronicles 22:1

2Ary nasain’ i Davida novorina ny olona hafa firenena izay tany amin’ ny tanin’ ny Isiraely, ka nanendreny tambato hipai-bato hanaovana ny tranon’ Andriamanitra.Select 1 Chronicles 22:2

3Ary Davida nahavonona vy betsaka hatao hombon’ ny lela-vavahady sy ny fikambanany, ary varahina betsaka tsy hita lanjaSelect 1 Chronicles 22:3

4sy hazo sedera tsy hita isa; fa ny mponina tany Sidona sy Tyro nitondra hazo sedera betsaka ho any amin’ i Davida.Select 1 Chronicles 22:4

5Fa hoy Davida: Solomona zanako mbola zaza sady tanora fanahy, ary ny trano hatao ho an’ i Jehovah dia tsy maintsy ho lehibe indrindra, mba hiely any amin’ ny tany rehetra ny lazany sy ny voninahiny, koa hovononiko rahateo ny zavatra ho enti-manao azy. Ka dia nahavonona betsaka Davida, raha mbola velona izy.Select 1 Chronicles 22:5

6Ary niantso an’ i Solomona zanany izy va nandidy azy hanao trano ho an’ i Jehovah, andriamanitry ny Isiraely,Select 1 Chronicles 22:6

7ary nanao taminy hoe: Anaka, efa mby tato am-poko ny hanao trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah Andriamanitro;Select 1 Chronicles 22:7

8saingy nisy tenin’ i Jehovah tonga tamiko nanao hoe: Be ny rà efa nalatsakao, ary ady lehibe no efa nataonao; koa tsy mahazo manao trano ho an’ ny anarako ianao, satria be ny rà efa nalatsakao tamin’ ny tany teo imasoko.Select 1 Chronicles 22:8

9Fa, indro, ianao hiteraka zazalahy, izay ho lehilahy miadana, ary hampiadaniko tsy hisy hahazo azy ny fahavalony rehetra manodidina; koa ny anarany dia hatao hoe Solomona; ary hampiadaniko sy hampandriko fahizay ny Isiraely amin’ ny androny.Select 1 Chronicles 22:9

10Izy no hanao trano ho an’ ny anarako; ary izy ho zanako, ary Izaho ho rainy, ary Izaho hampitoetra ny seza fiandrianan’ ny fanjakany amin’ ny Isiraely mandrakizay.Select 1 Chronicles 22:10

11Koa ankehitriny, anaka, ho aminao anie Jehovah, ka hambinina anie ianao, fa ataovy ny tranon’ i Jehovah Andriamanitrao araka izay nilazany anao.Select 1 Chronicles 22:11

12Ary homen’ i Jehovah saina sy fahendrena anie ianao ka hatsangany ho mpanapaka ny Isiraely, mba hitandremanao ny lalan’ i Jehovah Andriamanitrao.Select 1 Chronicles 22:12

13Ary amin’ izany dia hambinina ianao, raha mitandrina hankatò ny lalàna sy ny fitsipika izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ho an’ ny Isiraely; mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po.Select 1 Chronicles 22:13

14Ary, he! fa na dia be fahoriana aza aho, dia nahavory talenta volamena iray hetsy sy talenta volafotsy iray tapitrisa ary varahina sy vy betsaka tsy hita lanja ho enti-manao ny tranon’ i Jehovah; ary efa nahavonona hazo sy vato koa aho; ka dia ampionao kosa ireo.Select 1 Chronicles 22:14

15Ary koa, efa manana mpiasa betsaka ianao, dia mpikapa hazo sy tambato sy mpandrafitra ary olona mahay ny asa samy hafa rehetra.Select 1 Chronicles 22:15

16Ny volamena sy ny volafotsy ary ny varahina sy ny vy dia tsy hita isa. Koa mitsangàna ianao, ka manaova, ary homba anao anie Jehovah.Select 1 Chronicles 22:16

17Ary Davida nandidy ny lehibe rehetra tamin’ ny Isiraely hanampy an’ i Solomona zanany hoe:Select 1 Chronicles 22:17

18Tsy momba anareo va Jehovah Andriamanitrareo ka efa nampiadana anareo amin’ ny manodidina? Fa efa natolony teo an-tanako ny mponina amin’ ny tany; ary ny tany efa resy teo anoloan’ i Jehovah sy teo anoloan’ ny olony.Select 1 Chronicles 22:18

19Koa ankehitriny ampitadiavo an’ i Jehovah Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo, ka mitsangàna, ary manaova ny fitoerana masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitra, hampidirana ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah sy ny fanaka masin’ Andriamanitra ho ao amin’ ny trano izay hatao ho an’ ny anaran’ i Jehovah.Select 1 Chronicles 22:19

Next: 1 Chronicles 23Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

1 Chronicles

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.