1 Chronicles 24
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary ny amin’ ny taranak’ i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: Ny zanakalahin’ i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara;Select 1 Chronicles 24:1
2fa Nadaba sy Abiho dia maty talohan-drainy sady samy tsy nanan-janaka, koa dia Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana.Select 1 Chronicles 24:2
3Ary Davida sy Zadoka, isan’ ny taranak’ i Eleazara, sy Ahimeleka, isan’ ny taranak’ Itamara, dia nizara azy araka ny antokony sy ny fanompoany avy.Select 1 Chronicles 24:3
4Ary ny lohany tamin’ ireo, dia tamin’ ny taranak’ i Eleazara, no maromaro kokoa noho ny tamin’ ny taranak’ Itamara, ka dia nozarainy toy izao izy: Tamin’ ny taranak’ i Eleazara dia enina ambin’ ny folo no lohan’ ny fianakaviana; ary tamin’ ny taranak’ Itamara dia valo kosa no lohan’ ny fianakaviana.Select 1 Chronicles 24:4
5Ary samy nozarazaraina tamin’ ny filokana avokoa izy rehetra; fa samy mpifehy masìna, dia mpifehy ho an’ Andriamanitra avokoa, na ny avy tamin’ ny taranak’ i Eleazara, na ny avy tamin’ ny taranak’ Itamara.Select 1 Chronicles 24:5
6Ary Semaia, zanak’ i Netanela, mpanoratra anankiray tamin’ ny Levita, no nanoratra azy teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka sy Zadoka mpisorona sy Ahimeleka, zanak’ i Abiatara, sy teo anatrehan’ ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny mpisorona sy ny Levita: fianakaviana iray no nalaina ho an’ i Eleazara, ary iray kosa ho an’ Itamara.Select 1 Chronicles 24:6
7Ny loka voalohany dia azon’ i Joariba, ny faharoa an’ i Jedaia,Select 1 Chronicles 24:7
8ny fahatelo an’ i Harima, ny fahefatra an’ i Seorima,Select 1 Chronicles 24:8
9ny fahadimy an’ i Malkia, ny fahenina an’ i Miamina,Select 1 Chronicles 24:9
10ny fahafito an’ i Hakoza, ny fahavalo an’ i Abia,Select 1 Chronicles 24:10
11ny fahasivy an’ i Jesoa, ny fahafolo an’ i Sekania.Select 1 Chronicles 24:11
12ny fahiraika ambin’ ny folo an’ i Eliasiba, ny faharoa ambin’ ny folo an’ i Jakima,Select 1 Chronicles 24:12
13ny fahatelo ambin’ ny folo an’ i Hopa, ny fahefatra ambin’ ny folo an’ i Jesebaba,Select 1 Chronicles 24:13
14ny fahadimy ambin’ ny folo an’ i Bilga, ny fahenina ambin’ ny folo an’ Imera,Select 1 Chronicles 24:14
15ny fahafito ambin’ ny folo an’ i Hezira, ny fahavalo ambin’ ny folo an’ i Hafizeza,Select 1 Chronicles 24:15
16ny fahasivy ambin’ ny folo an’ i Petahia, ny faharoa-polo an’ i Jehezekela,Select 1 Chronicles 24:16
17ny fahiraika amby roa-polo an’ i Jakina, ny faharoa amby roa-polo an’ i Gamola,Select 1 Chronicles 24:17
18ny fahatelo amby roa-polo an’ i Delaia, ny fahefatra amby roa-polo an’ i Mazia.Select 1 Chronicles 24:18
19Ireo avy no antokony amin’ ny fanompoany izay idirany ao an-tranon’ i Jehovah araka ny fitsipika voatendrin’ i Arona rainy, araka ny nandidian’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, azy.Select 1 Chronicles 24:19
20Ary tamin’ ny taranak’ i Levy sisa dia izao; Tamin’ ny taranak’ i Amrama dia Sobaela; tamin’ ny zanak’ i Sobaela dia Jedala.Select 1 Chronicles 24:20
21Ny amin’ i Rehabia: tamin’ ny taranak’ i Rehabia dia Jisia no voalohany.Select 1 Chronicles 24:21
22Tamin’ ny Jizarita dia Selomota; tamin’ ny taranak’ i Selomota dia Jahata.Select 1 Chronicles 24:22
23Ary ny amin’ ny taranak’ i Sebrona dia Jeria no voalohany, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, Jekameama no fahefatra.Select 1 Chronicles 24:23
24Ny zanakalahin’ i Oziela dia Mika; tamin’ ny taranak’ i Mika dia Samira;Select 1 Chronicles 24:24
25ny rahalahin’ i Mika dia Jisia; tamin’ ny taranak’ i Jisia dia Zakaria.Select 1 Chronicles 24:25
26Ny zanakalahin’ i Merary dia Maly sy Mosy; ny zanakalahin’ i Jazia dia Beno.Select 1 Chronicles 24:26
27Ny zanakalahin’ i Merary tamin’ i Jazia dia Beno sy Sohama sy Zakora ary Ibry.Select 1 Chronicles 24:27
28Avy tamin’ i Maly no nihavian’ i Eleazara, izay tsy nanan-janakalahy.Select 1 Chronicles 24:28
29Ny amin’ i Kisy, ny zananilahy dia Jeramela.Select 1 Chronicles 24:29
30Ary ny zanakalahin’ i Mosy dia Maly sy Edera ary Jerimota. Ireo no taranaky ny Levita araka ny fianakaviany avy.Select 1 Chronicles 24:30
31Ary ireo dia mba niara-niloka tamin’ ny rahalahiny, taranak’ i Arona, teo anatrehan’ i Davida mpanjaka sy Zadota sy Ahimeleka sy ny lohan’ ny fianakavian’ ny mpisorona sy ny Levita: niara-niloka avokoa na ny zokiny na ny zandriny.Select 1 Chronicles 24:31
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain