Skip to content
Church.wiki
1 Chronicles

1 Chronicles 26

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary ny amin’ ny antokon’ ny mpiandry varavarana: Tamin’ ny Koraïta dia Meselemia, zanak’ i Kore, avy tamin’ ny zanak’ i Asafa.Select 1 Chronicles 26:1

2Ary ny zanakalahin’ i Meselemia dia Zakaria, lahimatoa, sy Jediaela, lahiaivo, sy Zebadia, fahatelo, sy Jediaela, fahefatra,Select 1 Chronicles 26:2

3sy Elama, fahadimy, sy Johanana, fahenina, sy Elihoenay, faralahy.Select 1 Chronicles 26:3

4Ary ny zanakalahin’ i Obed-edoma dia Semaia, lahimatoa, sy Jozabada, lahiaivo, sy Joa, fahatelo, sy Sakara, fahefatra, sy Netanela, fahadimy,Select 1 Chronicles 26:4

5sy Amiela, fahenina, sy Isakara, fahafito, sy Peoletahy, faralahy; fa Andriamanitra efa nitahy azy.Select 1 Chronicles 26:5

6Ary Semaia zanany niteraka zazalahy maromaro izay samy tonga mpanapaka tamin’ ny fianakavian-drainy, satria samy lehilahy mahay izy.Select 1 Chronicles 26:6

7Ny zanakalahin’ i Semaia dia Otny sy Refaela sy Obeda ary Elzabada mbamin’ ireo rahalahiny, lehilahy mahay, dia Eliho sy Semakia.Select 1 Chronicles 26:7

8Ireo rehetra ireo no avy tamin’ ny zanak’ i Obed-edoma, dia izy sy ny zanany sy ny rahalahiny, izay samy lehilahy mahery sady matanjaka amin’ ny fanompoany; roa amby enim-polo no an’ i Obed-edoma.Select 1 Chronicles 26:8

9Ary Meselemia nanan-janaka sy rahalahy valo ambin’ ny folo, samy lehilahy mahay avokoa.Select 1 Chronicles 26:9

10Ary Hosa, tamin’ ny taranak’ i Merary, nanan-janakalahy, dia Simry, lohany (fa na dia tsy lahimatoa aza izy, dia izy no nataon-drainy ho lohany),Select 1 Chronicles 26:10

11sy Hilkia, lahiaivo, sy Tebalia, fahatelo, ary Zakaria, fahefatra; ny zanakalahin’ i Hosa sy ny rahalahiny rehetra dia telo ambin’ ny folo.Select 1 Chronicles 26:11

12Ireo lohan’ ny tonian’ ny mpiandry varavarana ireo dia nomena anjara-raharaha niaraka tamin’ ny rahalahiny hanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon’ i Jehovah.Select 1 Chronicles 26:12

13Ary izy ireo, na ny kely na ny lehibe, dia nanao filokana avokoa araka ny fianakaviany ny ho amin’ ny isam-bavahady.Select 1 Chronicles 26:13

14Koa ny loka tamin’ ny atsinanana dia azon’ i Selemia. Ary nanaovana filokana Zakaria zanany, mpanolo-tsaina hendry, ka ny loka tamin’ ny avaratra no azony.Select 1 Chronicles 26:14

15An’ i Obed-edoma ny atsimo, ary an’ ny zanany ny trano firaketana.Select 1 Chronicles 26:15

16An’ i Sopima sy Hosa ny andrefana mbamin’ ny vavahady Saleketa amin’ ny lalana miakatra; ary dia feno avokoa ny fiambenana.Select 1 Chronicles 26:16

17Ny atsinanana nisy Levita enina, ny avaratra nisy efatra Isan’ andro, ny atsimo nisy efatra isan’ andro, ary ny trano firaketana nisy efa-dahy nizara ho roa avy.Select 1 Chronicles 26:17

18Tany Parbara andrefana nisy efatra amin’ ny lalana, ary roa tao Parbara.Select 1 Chronicles 26:18

19Dia Ireo no antokon’ ny mpiandry varavarana tamin’ ny taranak’ i Kora sy ny taranak’ i Merary.Select 1 Chronicles 26:19

20Ary tamin’ ny Levita dia Ahia no tonian’ ny rakitry ny tranon’ Andriamanitra sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra.Select 1 Chronicles 26:20

21Ny taranak’ i Ladana, ilay Ladana Gersonita, ireo lohan’ ny fianakavian’ i Ladana Gersonita, dia ny Jehielita.Select 1 Chronicles 26:21

22Ary ny taranaky ny Jehielita, dia Zetama sy Joela rahalahiny, no tonian’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah.Select 1 Chronicles 26:22

23Tamin’ ny Amramita sy ny Jizarita sy ny Hebronita ary ny OzielitaSelect 1 Chronicles 26:23

24dia Seboela, avy tamin’ ny taranak’ i Gersona, zanak’ i Mosesy, no tonian’ ny rakitra.Select 1 Chronicles 26:24

25Ary ny rahalahiny avy tamin’ i Eliezera dia Rehabia, zanak’ i Eliezera, sy Jesaia, zanak’ i Rehabia, sy Jorama, zanak’ i Jesaia, sy Zikry, zanak’ i Jorama, ary Selomota, zanak’ i Zikry.Select 1 Chronicles 26:25

26Io Selomota io sy ny rahalahiny no tonian’ ny zavatra nohamasinina ho rakitra, dia Izay nohamasinin’ i Davida mpanjaka sy ny lohan’ ny fianakaviana ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny komandin’ ny miaramila.Select 1 Chronicles 26:26

27Tamin’ ny babo izay azony tamin’ ny ady nisy nohamasininy ho enti-manamboatra ny tranon’ i Jehovah.Select 1 Chronicles 26:27

28Ary izay rehetra nohamasinin’ i Samoela mpahita sy Saoly, zanak’ i Kisy, sy Abnera, zanak’ i Nera, sy Joaba, zanak’ i Zeroia, dia izay rehetra nohamasininy, dia Selomota sy ny rahalahiny no nitahiry izany.Select 1 Chronicles 26:28

29Tamin’ ny Jizarita dia Kenania sy ny zanany no voatendry ho amin’ ny raharaha ivelany amin’ ny Isiraely, dia ho mpifehy sy mpitsara.Select 1 Chronicles 26:29

30Ary tamin’ ny Hebronita dia Hasabia sy ny rahalahiny, lehilahy mahay fiton-jato amby arivo, no mpifehy tamin’ ny Isiraely tany an-dafy andrefan’ i Jordana ny amin’ ny raharaha rehetra ho an’ i Jehovah sy ny fanompoana ny mpanjaka.Select 1 Chronicles 26:30

31Ny Hebronita dia Jeria lohany (tamin’ ny taona fahefa-polo nanjakan’ i Davida no nitadiavana ny Hebronita araka ny fianakaviany avy, ka nisy lehilahy mahay hita tao aminy tao Jazera any Gileada)Select 1 Chronicles 26:31

32sy ny rahalahiny fiton-jato amby roa arivo, samy lehilahy mahay, lohan’ ny fianakaviany avy. Ary Davida nanendry ireo ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky firenen’ i Manase, ny amin’ ny raharahan’ Andriamanitra sy ny mpanjaka.Select 1 Chronicles 26:32

Next: 1 Chronicles 27Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

1 Chronicles

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.